|
|
|
|

Index

Proverbs : mitady

Proverb 1Aleo mitsimozimozy mamaha, toy izay mitsimozimozy misambotra. [2.558 #136]
Aleo mitsimozimozy mamaha toy izay mitsimozimozy mitady. [2.415 #2165, 2.653 #108]
French translationIl vaut mieux être lent à délier la bourse que lent à faire fortune. [2.415 #2165]

Proverb 2Andranobe very laona ka miandry izay hingadonany. [2.415 #1871, 2.653 #199, 2.558]
Rafotsibe very laona ka miandry izay hingadonany. [2.558]
Rafotsibe very laona : tsy mahavezivezy fa miandry izay ingadonany. [2.558 #230]
Randranobe very laona: miandry izay hingadonany. [2.653 #2740]
Randranobe very laona, tsy mitady fa mampandry sofina. [2.558 #240]
French translationFemme qui a perdu son mortier à piler le riz : elle attend pour le recouvrer qu' on fasse du bruit en s' en servant. [2.415 #1871]
French interpretationSe disait des gens qui se croient rusés et qui sont peu actifs. [2.415 #1871]

Proverb 3Ataovy vatsin-tsorohitra : an-dalana vao mitady. [2.415 #4466, 2.653 #317]
Ataovy vatsin-tsorohitra, ka an-dalana vao mitady. [2.558]
French translationFaites provision de voyage à la façon des alouettes : elles ne cherchent de nourriture qu' en chemin. [2.415 #4466]
French interpretationVivre au jour le jour. [2.415 #4466]

Proverb 4Aza manao maso mila aretina, mitady teny mihilana. [2.415 #2066, 2.653 #482]
Aza manao maso mila aretina na mitady teny mihilana. [2.558 #546]
French translationNe faites pas comme un oeil qui se fatiguerait à vouloir voir si une parole est droite ou non. [2.415]
French interpretationIl ne faut pas chercher l' impossible. [2.415 #2066]

Proverb 5Aza mandrava trano mafy, ka mitady izay romoromony hataina. [2.165 #694]
Aza mandrava trano mafy ka mitady ny romoromony hataina. [2.558 #671]
Mandrava trano mafy, ka mitady izay romoromony hataina. [2.415]
Mandrava trano mafy, ka mitady izay sombintsombiny hataina. [2.415]
Mandrava trano mafy : mitady izay romoromony hataina. [2.558 #2075]
Mandrava trano mafy: mitady izay romorotnony hataina. [2.653]
Mandrava trano mafy: mitady izay sombintsombiny hataina. [2.653]
French translationGens qui renversent une maison solide et en cherchent les morceaux pour servir de bois à brûler. [2.415 #2389]
Ne détruisez pas une maison solide pour avoir quelque chose à brûler. [2.165]
French interpretationSe disait des gens qui dissipaient l'héritage des ancêtres, et de ceux qui abandonnaient une bonne affaire pour se lancer dans de mauvaises. [2.415 #2389]

Proverb 6Aza mila voatsiary ka mangata-pary iray vany. [2.558 #777]
Aza mila voa tsy ary: mangata-pary iray vany ka mitady izay tsy hiraisana. [2.165 #300]
Mila voatsiary, mangata-pary iray vany, ka mitady izay tsy hihavanana. [2.558 #2341, 2.653]
French translationNe demandez pas l' impossible: (comme de) demander un morceau de canne à sucre (à celui qui n' en a qu' un lui-même) et chercher ainsi querelle (litt. la séparation). [2.165]

Proverb 7Aza mitady ho zokiny, toa vorompotsy. [2.558 #785, 2.653 #646]

Proverb 8Aza mitady izay tsy hihavanana, ka mila fary iray vany. [2.653 #647]
Aza mitady izay tsy hihavanana ka mitady voa tsy àry. [2.558 #786]

Proverb 9Aza mitady ny tsy hita ohatra an' Andriampolo. [2.558 #787]
Aza mitady ny tsy hita tahaka an' Andriampolo. [2.415 #6108, 2.653 #648]
French translationNe cherchez pas ce qui n' existe pas ou ne se voit pas, comme Andriampolo. [2.415]
French interpretationIl cherchait, dit la légende, les cornes des mouches. Le sens est : faites attention à vos affaires et ne vous lancez pas dans l'inconnu. [2.415]

Proverb 10Aza mitady tany malemy hanorenam-pangady. [2.653 #649, 2.974 #185]
French translationNe pas chercher une terre molle pour y planter une bêche. [2.974 #185]

Proverb 11Boka mitoraka alahamady : tsy mitady izay ho arivo tratry ny taona, fa izay hahamando ny tenda. [2.558 #927]
Boka mitoraka volana Alahamady : tsy mitady ny ho arivo tratry ny taona, fa izay hahamando ny tratra ihany. [2.415 #1974, 2.653]
French translationLépreux qui jette quelque chose au destin d' Alahamady : il ne cherche pas à obtenir une longue vie mais seulement quelque bien être. [2.415 #1974]
French interpretationSe disait des malheureux ; le destin d' Alahamady était un bon destin. [2.415 #1974]

Proverb 12Fozalahy ririnina ka samy mitady tamenany ho azy. [2.558 #1216]
Fozalahy ririnina : samy mitady tamenany ho azy. [2.165 #1260, 2.415 #5847, 2.653 #994]
French translationCrabes mâles en hiver : chacun cherche de son côté à s' engraisser. [2.415 #5847]
Des crabes en hiver (la saison sèche): ils cherchent tous à manger (litt. à devenir rouges). [2.165]
French interpretationChacun cherche la fortune. [2.415 #5847]
Dans certains endroits, les crabes, pendant la saison sèche, s' enfoncent dans le sol, au dire des Malgaches, comme pour y chercher à manger, et en ressortent beaucoup plus gros. [2.165]

Proverb 13Kamboty mivady : ny lahy tsy mamely totohondry, ary ny vavy kosa tsy mandrangotra. [2.415 #1028]
Kamboty mivady : ny lahy tsy mamely totohondry, ny vavy, tsy mandrangotra. [2.558 #1602, 2.653 #1227]
Mivady samy kamboty : ny lahy tsy lozabe, ary ny vavy tsy mitady sampon-javatra. [2.415 #1036, 2.653 #1915]
Mivady samy kamboty, ny lahy tsy lozabe, ny vavy tsy be sampon-kanina. [2.558 #2513]
French translationDeux orphelins qui se marient : l' homme ne frappe pas sa femme à coups de poing et la femme ne riposte pas par des égratignures. [2.415 #1028]
Deux orphelins qui se marient : l'homme n' est pas méchant et la femme n' est pas insupportable. [2.415 #1036]
French interpretationEntre malheureux, il faut s'entendre.,. [2.415 #1028]
Les malheureux doivent s'entraider. [2.415 #1036]

Proverb 14Mahasosotra ohatra ny malahelo misambo-bary : maka mitady ny avo loha, manatitra manao safo vava. [2.558]
Mahasosotra, ohatra ny malahelo misambo-bary : raha vao maka, mitady avo loha ; nony manatitra, manao safo vava. [2.653]

Proverb 15Manao vy very ny aina, ka manao jirik' aina mitady izay hafatesana. [2.415 #6299]
French translationIls exposent leur vie et cherchent la mort. [2.415 #6299]
French interpretationSe disait des voleurs, des soldats, des commerçants qui vont trafiquer au loin, au risque de leur vie. [2.415 #6299]

Proverb 16Manary dia ny fisaorana, ka manakotrika akoho mbola manatody. [2.653 #1568, 2.415]
Manary dia ny fisaorana ka mitady fanakotrehana akoho. [2.558]
Manary dia ny fisaorana ka mitady fanaronana akoho. [2.415, 2.558]
Manary dia ny fisaorana, ka mitady fanaronan’ akoho. [2.653 #1569]
Matahotra ny hisaorana hianao ka mitady ny fanakotrehan' atody. [2.415]
Matahotra ny hisaorana hianao ka mitady ny fanotrehan' atody. [2.165 #1829]
Matahotra ny hisaorana, ka sady mitady fanakotrehana akoho no indroa mandrotsa-bilon' omby ao am-pahitra. [2.558 #2164]
French translationChercher à éviter le divorce en allant chercher de quoi couvrir une poule qui va pondre. [2.415 #5452]
Chercher à éviter le divorce en allant faire couver une poule qui pond encore. [2.415 #5451]
Craignant d' être divorcée, vous vous occupez de la poule qui couve ses œufs. [2.165]
Vous redoutez le divorce et voilà pourquoi vous soignez la poule qui couve. [2.415 #1380]
French interpretationChercher à se rendre nécessaire. [2.415 #5451]
La femme qui redoutait le divorce montrait de l'empressement au travail. [2.415 #5452]
Vous cherchez à vous faire bien voir. [2.415 #1380]
Vous cherchez à vous rendre indispensable, pour éviter d' être renvoyée. [2.165]

Proverb 17Maniry nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Mitady nifin' akoho tsy haniry. [1.1]
Malagasy interpretationManiry zavatra tsy ho tonga na ho azo na oviana na oviana. [1.1]
Mitady zavatra tsy ho tanteraka na oviana na oviana. [1.1]

Proverb 18Miaramila be molotra : tsy mitady tarehy, fa tavy no ilaina. [2.415 #438]
Miaramila sima : tsy mila tarehy tsy be angesongeso, fa tavy ihany kosa no tadiavina. [2.415 #438]
Miaramila sima : tsy mitady tarehy, fa tavy no ilaina. [2.558 #2267, 2.653 #1731]
French translationSoldats à grosses lèvres et soldats à bec-de-lièvre : ils ne cherchent pas la beauté ni les apprêts mais ils soignent la graisse de leurs joues. [2.415 #438]
French interpretationSe disait des gens grossiers et mangeant bien. [2.415 #438]

Proverb 19Mirenireny mitady tain' omby, kanjo ny tain' omby ao am-bala ihany. [2.415 #2091, 2.653]
French translationAller çà et là pour chercher de la bouse de vache, et cependant c' est dans le parc à boeufs qu' est la bouse de vache. [2.415]
French interpretationLe sens est qu' il ne faut pas chercher midi à quatorze heures. [2.415 #2091]

Proverb 20Mitady handrovitra any Imerina hoatry ny voalavo mandrovi-damba. [2.415 #294]
French translationTenter de faire un trou à l'Imerina, comme des rats font un trou à un habit. [2.415 #294]
French interpretationSe disait des ennemis de l'Imerina. [2.415 #294]

Proverb 21Mitady hivelona amin’ ny ran’ ny sasany ohatra ny moka mitsentsitra. [2.974]
French translationSe nourrir du sang d’autrui comme le moustique qui suce. [2.974 #62]

Proverb 22Mitady izay tsy ho henoina ka mitafasiry be setroka. [2.415 #4774, 2.558 #2426, 2.653 #1847]
French translationC' est vouloir ne pas être écouté que de causer au moment où la fumée remplit la case. [2.415 #4774]
French interpretationParler inutilement. [2.415 #4774]

Proverb 23Mitady izay tsy ho re, ka mianteo erý an-doha-riana. [2.653 #1848]
Mitady izay tsy ho re ka miantso ery an-doha riana. [2.415 #4775, 2.558 #2427]
French translationC' est vouloir ne pas être entendu que de pousser des cris d' appel au sommet d' une cascade. [2.415 #4775]
French interpretationCrier en vain. [2.415 #4775]

Proverb 24Mody tsy sahy, kanefa mitady mizana mahiratra. [2.165 #1183]
Mody tsy sahy, kanjo mitady mizana mahiratra. [2.653 #1943]
Mody tsy sahy kinanjo mitady mizana mahiratra. [2.558 #2551]
French translationFaire semblant de ne pas vouloir (faire marché), et cependant chercher une balance juste. [2.165]

Proverb 25Nahoana no dia mitady hivelona amy ny ran’ ny sasany, ohatra ny moka mitsentsitra ? [2.653]
Nahoana no dia mitady hivelona amin' ny ran' ny hafa ohatra ny moka ? [2.558]
Nahoana no dia mitady hivelona amin' ny ran' ny sasany, hoatry ny moka mitsentsitra ? [2.415 #725]
French translationPourquoi donc chercher à vivre du sang des autres comme les moustiques qui sucent le sang ? [2.415 #725]

Proverb 26Nahoana no dia mitady hivelona amy ny ranomason’ olona, ohatra ny lalitra mitsentsitra ny maso didy ? [2.653]
Nahoana no dia mitady hivelona amin' ny ranomason' olona tahaka ny lalitra mitsetsitra maso didy ? [2.558]

Proverb 27Ny matavy no tsy arahin-dromoromo, ary ny mahia no tsy arahin-datsa, dia samy herim-po no nenti-nitady. [2.558]

Proverb 28Nitady ny angano ka sendra ny arira. [2.558 #2790]

Proverb 29Nitady toko ka sendra vato, nitady biby ka tojo mamba. [2.558 #2791]

Proverb 30Omby miakatra antoandro, ka mikaroka voly horaotina. [2.415 #4562, 2.653 #2554]
Omby miakatra antoandro, ka mitady voly horaotina. [2.558 #3440]
French translationBoeufs rentrés au village trop tôt : ils cherchent des plantations à brouter. [2.415]
French interpretationIls n' ont pas eu leur compte. [2.415 #4562]

Proverb 31Ondrilahy tonga hariva, ka mitady ravin-katsaka horaotina. [2.415 #4702, 2.558 #220, 2.653 #2580]
French translationBélier qui rentre le soir: il cherche des feuilles de maïs à brouter. [2.415]
Bélier qui rentre le soir : il cherche des gourmands. [2.415 #4702]
French interpretationSe disait des gourmands. [2.415]

Proverb 32Rafotsibe very atin-kena: hitady, menatra ny olona; hitoetra ihany, very malemy. [2.415 #1925, 2.653, 2.165]
Rafotsibe very atin-kena : hitady menatra ny olona, hitomoetra amin' izao very malemy. [2.558 #229]
French translationLa vieille femme qui a perdu un morceau de foie: si elle se met à le chercher, elle aura honte des gens; et si elle ne bouge pas, elle perdra un bon (litt. tendre) morceau. [2.165]
Vieille qui a perdu son foie de boeuf : le chercher elle a honte ; rester tranquille elle perd une friandise. [2.415]
French interpretationSe disait d' un cas embarrassant. [2.415 #1925]

Proverb 33Raha mba manana aty, raha mba manana afero; raha mba mila, raha mba mitady, no ny an' olona no jokojokoina? [2.165]
Raha mba manana aty, raha mba manana afero, raha mba mila, raha mba mitady, no ny an' olona no kojikojena. [2.415 #4316, 2.653 #2692]
French translationS' il a du coeur, s'il a des sentiments, qu' il cherche, qu' il s' industrie, au lieu de s'emparer de ce qui est à autrui. [2.415]
Si vous avez un foie, si avez de la bile; si vous avez besoin de quelque chose, si vous cherchez, pourquoi volez-vous les autres? [2.165]
French interpretationC. à. d. si vous avez vous-même des besoins et si vous savez penser aux autres, pourquoi prenez-vous ce qui est à eux? [2.165]

Proverb 34Raha nanan-tandroka ireny nanoto, hodrihondriny aza mitady hisoitra. [2.558 #234]

Proverb 35Raha sery ho sitran’ ny anamalaho ihany, ka aleo mitady vantotr’ akoho ho sahirana ? [2.653]
Raha sery ho vitan' ny anamalaho ihany, nahoana no mitady vantotr' akoho ho sahirana? [2.415 #2822]
Raha sery vitan' anamalaho, aza amonoana vatotr' akoho. [2.558 #3655]
Sery vitan' anamalaho ka handaniana vantotr' akoho. [1.1]
Sery vitan' ny anamalaho, ka no hamonoana vatotr' akoho! Ny hihitra anefa mampisara-mianakavy. [2.558]
Malagasy interpretationNampiasain' ny Ntaolo ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr' akoho. [1.1]
French translationSi c'est un rhume que la plante anamalaho peut guérir, pourquoi chercher un poulet et se donner tant de peine? [2.415 #2822]
French interpretationIl faut proportionner les remèdes aux maux à guérir. [2.415 #2822]

Proverb 36Rangahy mipaipai-drindrina; Rafotsibe te-hivoaka; Raoto mitady vady; Rasola kosa voasaotry ny lahy. [2.165]
French translationLe vieux frappe à la muraille; la vieille voudrait sortir; le vieux cherche une femme; la vieille qui était chauve a été divorcée par son mari. [2.165]

Proverb 37Toko no notadiavina, ka vato no hita, nitady zanaka ka tera-dahy. [2.558 #4159]

Proverb 38Tsaramaso mitsipika an-joro, ka tsy very fa niova toerana. [2.558 #285]
Voanemba mitsipika an-joro : tsy very fa nitady toerana. [2.415 #2264]
Voanemba nitsipika an-joro : tsy very fa niova toerana. [2.558 #4988]
Voanemba nitsipika an-joro: tsy very, fa nitady toerana. [2.653 #3703]
French translationGraine de cassia tombée dans le coin réservé aux animaux : elle n' est pas perdue, elle est allée chercher sa place. [2.415 #2264]
French interpretationElle a trouvé une bonne place, bien grasse, dans le fumier. [2.415 #2264]

Proverb 39Tsy mety raha fony nitanika nialanalana, ka nony masaka mitady hanentana. [2.558 #4580]

Proverb 40Tsingala ambany rano, ka mitady izay hahafatesan' ny omby, hadilanana ka mitady izay haharovitra ny lamba. [2.558 #4442]
Tsingala : ambany rano, mitady izay hahafatesan' ny omby ; hadilanana, mitady izay haharovitra ny lamba. [2.415 #2470, 2.653 #3312]
French translationInsecte tsingala : dans l' eau, il cherche la mort des boeufs ; passage étroit, il est la perte des lamba qu' il déchire. [2.415]
French interpretationLes Malgaches croyaient que le tsingala était mortel pour l'animal qui l' avalait, et on déchire son lamba dans les sentiers étroits ; ce proverbe se disait de ceux qui étaient victimes de machinations, de tromperies, de séductions. [2.415 #2470]

Index