| Explanations in Malagasy |
8 Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona
9 Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao
10 Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra
11 Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza
12 Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako"
13 Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko
14 Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao
15 Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy
16 Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny
17 Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra?
[1.1]
|