|
|
|
|

Index

Proverbs : lainga

Proverb 1Angonim-poana toa lainga, fa raha tafavory mamoa-doza. [2.558 #266]

Proverb 2Aza manao lainga marivo tototra, ka hehezin' ny akoho tokan' anaka. [2.165 #471, 2.558 #536]
Aza manao lainga marivo tototra, ka hohehezin' ny akoho tokana anaka. [2.415 #4909]
Manao lainga marivo tototra, ka hehezin’ ny akoho tokana anaka. [2.653 #1546, 2.974 #145]
Manao lainga marivo tototra, ka hehezin' ny akoho tokan' anaka. [2.558 #2002]
French translationMensonge évident: une poule avec un seul poussin arrive à le déterrer. [2.974 #145]
Ne dites pas un mensonge trop simple, et qui sera gratté (et mis à jour) par une poule avec un seul poussin. [2.165]
Ne faites pas de mensonges mal dissimulés et faciles à découvrir : une poule qui n' a qu' un seul poussin à nourrir les trouverait en grattant. [2.415 #4909]

Proverb 3Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka lazain-ko lanim-boalavo. [2.974 #139]
Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka no lazaina lanim-boalavo. [2.558]
Aza manao lainga marivo tototra, ka ny tongo-tsaka no lazain-ko lanim-boalavo. [2.415 #4910, 2.653 #476]
French translationNe faites pas de mensonges faciles à découvrir : c' est comme si vous disiez que la patte d' un chat a été mangée par un rat. [2.415 #4910]
Ne pas inventer des mensonges trop évidents, comme de dire que la patte du chat a été mangée par le rat. [2.974 #139]

Proverb 4Donga andro anio hoatry ny lainga. [2.415 #4917]
Donga andro anio, ohatra ny lainga. [2.653, 2.974]
Donga takona, fa botry mifanatrika. [2.653]
Ny lainga dia donga takona, fa botry mifanatrika. [2.415 #4938]
Ny lainga dia donga takona, fa mahia mifanatrika. [2.415 #4938]
Ny lainga donga takona fa mahia mifanatrika. [2.165 #465, 2.653 #2289, 2.558, 1.1]
Malagasy interpretationRaha mbola tsy hita ny mahalainga ny lainga, dia toy inona erý, fa raha vaky am-batolampy kosa, maharikoriko. [1.1]
French translationAujourd’hui gros et gras, comme le mensonge. [2.974 #141]
Il est gras aujourd' hui comme le mensonge. [2.415 #4917]
Le mensonge est gras et bien portant quand il est seul et caché, mais il devient maigre et rabourgi lorsqu' il est en présence de la vérité. [2.415 #4938]
Un mensonge est dodu quand il est caché, mais il devient maigre quand il est découvert. [2.165]
French interpretationDit dans l'ombre, le mensonge a de la consistance, mais produit au grand jour, il est découvert et s' évanouit. [2.415 #4938]
Le mensonge est gras tant qu' il n'est pas découvert, mais il devient maigre en présence de la vérité. [2.415 #4917]

Proverb 5Ebo miampy lainga : vao mihodina dia mahazo tondro-molotra (henatra). [2.558 #1019]

Proverb 6Fisamborana tsy misy antoka miafara amin' ny lainga. [2.558 #1168]

Proverb 7Hosy be rano ka mahavery bainga. [2.558 #95]
Hosy be rano ka mahavery ny bainga. [2.165 #1215]
Hosy be rano, mahavery ny bainga. [2.653 #1103]
Lainga tsara lahatra, mahavery rariny, hosy be rano, mahavery bainga. [2.558 #1681]
French translationDans une rizière trop inondée d' eau, les mottes sont cachées. [2.165]
French interpretationEt il est difficile de les briser, puisqu' on ne les voit pas. L' excès est nuisible en tout. [2.165]

Proverb 8Lainga tsara lahatra ka mandrobo ny mpihaino. [2.558 #1682]

Proverb 9Latsaka ny angano, ka miraviravy ny lainga. [2.558 #117, 2.653 #1343]

Proverb 10Mpivady iray lainga, faty no isarahana. [2.415 #1383, 2.653 #1996]
Mpivady iray lainga ka faty no isarahana. [2.165 #1746, 2.558 #2633]
French translationDes époux qui sont unis dans le mensonge, la mort seule les séparera. [2.165]
Deux époux complices d' un même mensonge : la mort seule les séparera. [2.415 #1383]
French interpretationExagération malicieuse qui fait allusion à la grande facilité du divorce. [2.415 #1383]

Proverb 11Ny lainga anie ka Alakaosy, ka raha tsy manoto olona dia manoto ny tena. [2.415 #4936]
French translationLe mensonge, c' est comme l' enfant né au mois d'Alakaosy : s' il ne tue pas, il se tuera. [2.415 #4936]
French interpretationAllusion au destin d' Alakaosy : l' enfant né sous ce destin était sensé devoir tuer ses parents ou se tuer lui-même. Si le mensonge ne nuit pas aux autres, il nuit à celui qui le dit. [2.415 #4936]

Proverb 12Ny lainga anie, ka tahaky ny salaka, ka ny tompony ihany no afatony. [2.415 #4937]
French translationLe mensonge, c' est comme le salaka, c' est son maître qu' il lie. [2.415 #4937]
French interpretationIl nuit à celui qui l' a dit. [2.415 #4937]

Proverb 13Ny lainga dia volombodin' ny mosavy. [2.415 #4939]
Ny lainga volombodi-mosavy. [2.558 #196]
Ny lainga volom-bodin' ny mosavy. [2.165 #468, 2.653 #2293]
French translationLe mensonge, c' est comme la queue des maléfices. [2.415 #4939]
Le mensonge est comme les plumes de la queue de la sorcellerie. [2.165]
French interpretationC. à. d. il en est inséparable. [2.165]

Proverb 14Ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampiondrika andro isehoany. [2.415 #4940]
Ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampitakemotra imaso aoriana. [2.558]
Ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalo-mainty raha mifanatrika. [2.165 #464, 2.415 #4941, 2.653 #2290]
French translationLe mensonge fait marcher fièrement lorsqu' on l' énonce, mais il rend blême de confusion lorsqu' il est en présence de la vérité. [2.415 #4941]
Le mensonge fait porter la tête haute quand on l' énonce, mais il couvre de confusion lorsqu' il est découvert. [2.415 #4940]
Le mensonge rend fier au moment où on le dit, mais fait blêmir quand il est découvert. [2.165]

Proverb 15Ny lainga mora atentina fa sarotra ialana. [2.165 #469, 2.415 #4942, 2.558 #3056, 2.653 #2291]
French translationLe mensonge est facile à ajouter, mais il est difficile de s' en dédire. [2.165]
Le mensonge se plaque facilement ; mais une fois plaqué, il est difficile de s' en défaire. [2.415 #4942]
French interpretationC' est tenace et bien difficile à réparer. [2.415 #4942]

Proverb 16Ny lainga no tsy hahefan-tsoa. [2.415 #4943]
French translationCe n' est pas par le mensonge qu' on arrive à faire du bien. [2.415 #4943]

Proverb 17Ny lainga tahaka ny fasika: ka mora ama-mandry, fa sarotra ama-mifoha. [2.165]
Ny lainga tahaka ny fasika : mora ama-mandry, fa sarotra ama-mifoha. [2.558 #3057]
French translationLe mensonge est comme le sable: il paraît doux quand on s' y couche, mais dur quand on se lève. [2.165]

Proverb 18Ny lainga toy ny anjavidy : tazanina toa voany, fa nony hatonina raviny ihany. [2.558 #3060]

Proverb 19Ny lainga toy ny nify lanin' ny olitra, ka ny esorina no mahasoa ny tena. [2.415 #4944]
Ny lainga toy ny nify lanin' ny olitra, ka ny osorina no mahasoa ny tena. [2.165 #463]
French translationLe mensonge est comme une dent malade, ce qu' il y a de mieux à faire, c' est de l' arracher. [2.165]
Le mensonge est comme une dent qui fait mal, le mieux c' est de l' arracher. [2.415 #4944]

Proverb 20Ny lainga toy ny vary aloha : mabatra-po, fa tsy mahavita taona. [2.974 #146]
Ny lainga toy ny vary aloha, mahafatra-po, fa tsy mahavita taona. [2.558 #3061]
Ny lainga toy ny vary aloha : mahatra-po fa tsy mahavita taona. [2.165 #466, 2.415 #4945, 2.653 #2292]
French translationLe mensonge est comme le premier riz : il arrive à point mais ne suffit pas pour l’année. [2.974 #146]
Le mensonge est comme le premier riz, il vient à point, mais il est insuffisant. [2.165]
Le mensonge est comme le riz récolté à la première saison : il rassasie pour le moment mais il ne dure pas jusqu' à la fin de l' année. [2.415 #4945]
French interpretationLe mensonge finit par être découvert, et la satisfaction qu' il donne n' est que passagère. [2.415 #4945]
Le premier riz qui se moissonne en décembre - janvier ne donne qu'une petite récolte. [2.165]

Proverb 21Ny lainga toy ny vato am-balam-parihy, na tsy hitam-pangady raha lohataona aza, hitan' ny antsy raha fahavaratra. [2.558 #3062]
Vato am-balam-parihy, ka na dia tsy hitan' ny fangady raha lohataona aza, dia ho hitan' ny antsy raha fararano. [2.415 #3159]
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona. [1.1]
Vato an-tanimbary : na tsy azon' ny antsy raha fararano, hitan' ny angady raha lohataona. [2.558]
Vato an-tanimbary : na tsy voan’ ny antsy amy ny fararano aza, ho tratry ny angady amy ny lohataona. [2.653 #3635]
Vato an-tanimbary : na tsy voan' ny antsy amin’ ny fararano aza, ho tratry ny angady amin’ ny lohataona. [2.974 #384]
Malagasy interpretationEntina milaza ny vato latsaka eny an-tanimbary, izay na dia tsy hitan' ny antsin' ny mpijinja aza dia hitan' ny angadin' ny mpiasa, ka ny tiana holazaina amin' izany dia hoe: tsy misy zavatra tsy ho hita na ho ela na ho haingana. [1.1]
French translationPierre de la petite digue : si la bêche ne la trouve pas au printemps, le couteau la trouvera à l' automne. [2.415 #3159]
Pierres dans la rizière : si elles sont épargnées par la faucille en automne, elles seront victimes de la bêche au printemps. [2.974 #384]
French interpretationOn disait ce proverbe pour signifier que tôt ou tard, une chose arrivera : au printemps la bêche sert à travailler la terre, et à l' automne le couteau sert à faire la moisson ou à couper les herbes qu' on donne aux animaux pour les engraisser. [2.415 #3159]

Proverb 22Ny lainga tombon-dahiny anio fa intelo fatiantoka rahampitso. [2.558 #3058]

Proverb 23Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [1.1]

Proverb 24Ny tsy an-trano reny no lazain-ko maditra dia ny renikely no mpiampanga lainga. [2.558 #3339]

Proverb 25Ny tsy itiavako ny fitatra: intelo aho nofitahiny ihany, inefatra mbamy ny laingany. [2.653]
Ny tsy itiavako ny fitatra : intelo aho nofitahiny ihany, inefatra mbamin' ny laingany. [2.415 #98]
Ny tsy itiavako ny fitatra, intelo aho nofitahiny, inefatra mbamin' ny laingany. [2.558 #3340]
French translationSi je n' aime pas le fitatra, tarier à collier, c' est que trois fois il m' a trompé ; quatre fois, si l' on compte son mensonge. [2.415 #98]
French interpretationIl y a dans ce proverbe un jeu de mots : fitatra oiseau et fitaka tromperie ; de plus il fait allusion à l' influence des couleurs dans l'indication de la destinée ; on appliquait ce proverbe à ceux qui trompaient sans cesse. [2.415 #98]

Proverb 26Raha avy ny "tokoa" , dia lavitra ny lainga. [2.165 #455, 2.653 #2642]
French translationQuand la vérité paraît le mensonge s' enfuit. [2.165]

Proverb 27Raha foin' ny vava tsy misy raorao, fa hany raoraon' izany dia ny lainga. [2.558 #3565]
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao; fa hany raoraon’ izany lainga. [2.653 #2648]
Raha foin' ny vava, tsy misy raorao; fa hany raoraon' izany ny lainga. [2.165 #558]
French translationQuand la bouche le dit, il n' y a pas de rugosités (c' est-à-dire il semble que tout est vrai); mais il s' y trouve des mensonges et ce sont là les rugosités. [2.165]

Proverb 28Raha mpivady mikorontan-dava, aza mihambo miadana, fa lainga. [2.558 #3629]

Proverb 29Ray ka mahanatranatra, reny ka mahadinidinika, fa lainga raha fitia no miohatra an' Idada sy Ineny. [2.558]

Proverb 30Raofina ihany toy ny lainga ; fa raha feno, raraka. [2.974 #148, 2.653]
French translationComme le mensonge : on en ramasse toujours, mais quand le sac est plein, il déborde. [2.974 #148]

Proverb 31Ratsy tokoa ny lainga, fa ny mpandainga aza tsy tia azy. [2.165 #461]
French translationLe mensonge est bien mauvais, car le menteur lui-même ne l' aime pas. [2.165 #461]

Proverb 32Rehefa tonga ny tokoa, mena-dratsy ny lainga. [2.558 #3686]

Proverb 33Totofany lainga ka dia miaritra ihany; ilazany ny ampitso lava ka dia miramirana. [2.165 #1767]
Totofany lainga ka miaritra ihany, ilazany ny ampitso lava ka miramirana. [2.558 #276]
Totofan' ny lainga, ka dia miaritra ihany ; ilazany ny ampitso lava, ka dia miramirana. [2.415 #1240]
French translationTrompé par des mensonges, il supporte tout ; il est toujours renvoyé au lendemain et il se montre content. [2.415 #1240]
Trompé par des mensonges, il supporte tout, toujours renvoyé au lendemain, il est content! [2.165]
French interpretationCe proverbe se rapporte à des promesses de mariage, qui restent sans effet. [2.165]
Se disait des promesses de mariage. [2.415 #1240]

Proverb 34Tsy hofitahin' olon-tiana, tsy holaingain' olo-mahatoky ; fa ny ataon' izany no saro-pantarina. [2.415 #4962, 2.653 #3355]
Tsy ho fitahin' olon-tiana, tsy ho laingan' olo-mahatoky, fa ny ataon' izany no saro-pantarina. [2.558]
French translationPuissiez-vous n' être pas trompé par quelqu' un que vous aimez, ni devenir victime des paroles mensongères de quelqu'un en qui vous avez confiance ; car la conduite de ces personnes est difficile à discerner. [2.415 #4962]

Index