Entry lany
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Ny rirany amin' ny an-kilany sy ny an-daniny, ny lafiny: Maroni-dany roa io, lelan' antsy io
Ny tendrony, ny tendrony farany: Mbola tsy miseho ihany ny lanin' ny tafika ~ Tsy hita lany ny ranomasina
Ilany: Ery an-dany andrefan' Ampamarinana no misy anay. [1.1]
Explanations in French Le bout, l'extrémité d'une chose, un côté ou une partie par rapport à l'autre: Marani-dany roa io lela antsy io (Cette lame de couteau coupe des deux côtés, a deux tranchants) ~ Apetraho eo an-dany atsimon' ny farafara ireo kiraro ireo (Mettez ces souliers du côté sud du lit) Eo an-dany atsinanana ny kianja ny tranoko (Ma maison est du côté est de la place) [1.3]
Derivatives 
 
Compound words 
Phytonyms 
Proverbs 

Entry lany
Part of speech passive verb
Explanations in Malagasy Tapitra, tsy misy intsony: Lany ny vary ao antsompitra
Very foana: Lany niandry anao teto ny androko
Simba, levona, hanin-javatra: Lanin' ny fositra itỳ voavahy
Ampiasaina: Ohatrinona ny vola laninao nanaovana itỳ trano itỳ
Tsy misy mijanona noho ny niasana taminy: Mahagaga raha lany sahady ilay pensilihazo novidiko ho anao
Baboina: Lanin' ny fanjakana ny hareny
Ekena, ankatoavina, azoazo, voafidy: Tsy lanin' ny be sy ny maro ny hevitrao / Lany ho solombavambahoaka Ramasaka
Raisina: Lany ho miaramila ny rahalahiko
Ekena, raisina: Tsy lany intsony ny vola toy itony
Atao mahita faisana, hanina: Raha misy tsy manaraka izany lalàna izany dia lanintsika
Tapaka: Lanin' ny mpitsara fa hohelohina folo taona izy
Mitovy hevitra: borona ~ foan-tanana ~ foana ~ fongana ~ goana ~ jabolevona ~ levona ~ madiodio ~ mafafa ~ majifa ~ makiky ~ mangadihady ~ mangaka ~ ringana ~ ringitra ~ ritra ~ tapitra ~ tsy misy horaotina ~ tsy misy miangana [1.1]
Explanations in English Consumed, devoured, spent, all gone; agreed upon [1.2]
Explanations in French Dont il ne reste rien, épuisé, perdu, usé, mangé, consumé, confisqué, dépensé, employé
Accepté, approuvé, qui plait, qui passe
Réprouvé, rejeté, condamné [1.3]
Examples 
1" Dia nosotroiny, hono, ny ron' akoho, ka lany. [2.293]
2ny saran-dalana sy ny fotoana lany iaraha-mahalala rahateo. [2.470]
3Nony tonga ny ririna, lany ny mangahazo sy latsakay. [2.472]
4Haren-danim-bazo (Biens dépensés dans le libertinage) [2.415]
Morphology 
Simple : lany, laniko, laninao, laniny, lanintsika, laninay, laninareo, lanin', lanin-, lanim-
Prefixed : -dany, -daniko, -daninao, -daniny, -danintsika, -daninay, -daninareo, -danin', -danin-, -danim-
Imperative : lania
Derivatives 
 
Compound words 
Proverbs 

Entry lany
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fofon' ny hazandrano: Maimbo lanin-trondro
Ny kiran' ny hazandrano izay manarona ny tenany
Ilay zavatra maditidity amin' ny hoditry ny amalona [1.1]
Explanations in English A bad smell [1.7]
Explanations in French L'odeur du poisson, des caïmans, des canards; les écailles des poissons, la matière visqueuse qui se trouve sur la peau des anguilles [1.3]
 Mauvaise odeur [1.8]
Derivatives 
 

Anagrams 

Updated on 2023/06/14