|
|
|
|

Index

Proverbs : manao hoe

Proverb 1Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona, manao hoe vaky lafika aho; asaina manosy fahavaratra, mararin' ny tazo aho; avela an-tanàna, tsy mahamasa-kanina. [2.165]
Akory ity ilay malaina : asaina miasa lohataona, milaza ho vaky lafika; asaina manosy fahavaratra, milaza ho mararin' ny tazo; avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina. [2.558 #94]
French translationRegardez-moi ce paresseux: on veut le faire bêcher au printemps, il dit qu' il a des crevasses aux pieds; on veut le faire piétiner les rizières en été, il prétend avoir la fièvre; on le laisse au village, il ne peut pas même cuire les repas. [2.165]

Proverb 2Anarin-tsy zaka, ka voa vao manao hoe: Nankaiza ny tanteliko teto ? [2.974 #213, 2.653]
French translationS’entêter malgré les remontrances et se plaindre ensuite : Où donc a disparu le miel que j’avais ici ? [2.974 #213]

Proverb 3Aza manao foly mena tohizan-drofia. [2.165 #285, 2.415 #5253, 2.653 #451]
Aza manao hoe : ity foly mena tohizan-drofia. [2.558 #520]
Manao foly mena tohizan-drofia. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza asa tsara ampifangaroina asa ratsy misy fitaka. [1.1]
French translationNe mettez pas le mauvais avec le bon. Litt. des fils de raphia avec des fils de soie. [2.165 #285]
N' unissez pas du fil de raphia au fil de soie rouge. [2.415 #5253]
French interpretationNe finissez pas mal ce que vous avez bien commencé. [2.415 #5253]

Proverb 4Aza manao halatra ondrin' Imahakà : raha misy mahita, hizahako ny havesany, nony tsy misy mahita dia lasany tokoa. [2.558]
Aza manao halatr' ondrin' Imahakà: ka mody mizaha ny havesany. [2.165]
Aza manao halatr’ ondrin’ Imahakà : mody manao hoe: "Hizahako izay havesany". [2.653]
Halatra ondrin' Imahakà : raha tsy misy mahita dia lasana, fa raha tran' ny olona dia hitsapako ny havesany. [2.558 #1253]
Halatr’ ondrin’ Imahaka : raha hitan’ olona dia hoe : Mba hizahako ny havesany ; fa nony tsy misy mahita, dia ngoahana. [2.653 #1014]
French translationNe volez pas des moutons à la façon d' Imahakà, lequel (en soulevant un mouton pour l' emporter) prétendait seulement le soupeser. [2.165]
French interpretationImahakà est, avec son compère Ikotofetsy, un fripon fameux des contes malgaches. [2.165]

Proverb 5Aza manao "henoy, fe tsy marenina.". [2.653 #458]
Aza manao hoe : mihaino fe tsy marenina. [2.558 #504]

Proverb 6Aza manao hoe " an' ny lehilahy ihany " , na hoe " an' ny vehivavy ihany " . [2.415 #1180]
French translationNe dites pas : cela regarde mon mari, ou cela regarde ma femme. [2.415 #1180]
French interpretationIl faut s' entendre et travailler en commun dans le ménage. [2.415 #1180]

Proverb 7Aza manao hoe : avelao ny ketsa soa haketsanay mivady. [2.558 #514, 2.653 #462]

Proverb 8Aza manao hoe : efa ho lava ny afon' Antongona. [2.558 #515]
Aza manao hoe : ho lava ny afon' Antongona. [2.415 #6493, 2.653 #463]
Efa ho lava ny afon' Antongona. [1.10]
Efa ho lava ohatra ny afon' Antongona. [2.558 #1021]
Ho lava ny afo any Antongona, ka tsy hitan’ Andrianjafy hitairana. [2.653 #1084, 2.415]
Ho lava ny afon' Antongona ka tsy hitan' Andrianjafy hitairana. [2.558 #1368]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny antso vonjy, na hataka, miverimberina matetika, ka tsy mahataitra, na mampangoraka intsony. [1.10]
French translationLes signaux de feu sur la montagne Antongona seront continuels, aussi Andrianjafy ne trouve pas qu'il faille s'en émouvoir et faire alerte. [2.415 #6499]
Ne dites pas : les signaux de feu donnés sur la montagne Antongona seront continuels. [2.415 #6493]
French interpretationSe disait des gens qui ne tiennent pas compte d'un avertissement parce qu' il est habituel. [2.415 #6499]

Proverb 9Aza manao hoe : " henoy izany, ry hadilanan-tsofina " . [2.415 #6348, 2.165]
Aza manao hoe : henoy izany ry handilan-tsofina. [2.558 #503]
French translationNe dites pas: "Êcoute donc, ô oreille!". [2.165]
Ne dites pas : écoute donc, ô tympan. [2.415 #6348]
French interpretationPrétendre écouter, et être décidé à ne rien faire. [2.415 #6348]
Prétendre écouter lors même qu' on a l'intention de ne rien faire de ce qu' on vous dit. [2.165]

Proverb 10Aza manao hoe: irý trafo ampitso; tsy alaiko noho ny vahin-drorohany anio. [2.653 #464]
Aza manao hoe : irý trafo rahampitso tsy alaiko noho ny vahin-drorohany anio. [2.558]

Proverb 11Aza manao hoe : Itompokolahy Ikaky, fa Rabevoina rain' ialahy. [2.558 #506]
Raha fatin-drain' olona ataony hoe : Rabevoina rain' ialahy, fa raha fatin-drainy kosa dia lazainy hoe Ratompokolahy Ikaky. [2.558 #3564]
Raha fatin-drain’ olona ataony hoe: "Rabevoiny rain’ ialahy!" ary raha fatin-drainy kosa ataony hoe: "Ratompokolahy Ikaky!". [2.653 #2647]
Raha ny ahy, ataonao hoe, rabevoiny rain' ialahy; ary raha ny anao, dia ataonao hoe ratompokolahy ikaky. [1.3]
Raha rainao ataonao hoe Itompokolahy dada; fa raha raiko kosa, Rabevoina rainao. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fiangarana amin' ny fitenenana ka raha an' ny tena soasoavina, fa raha an' ny hafa bantibantina. [1.1]
French translationQuand il s'agit de mon père mort, vous dites: le malheureux ton père; tandis que pour le vôtre, vous dites: monsieur ou feu mon père. [1.3]
French interpretationOn se flatte soi-même et on méprise les autres. [1.3]

Proverb 12Aza manao hoe : manatombo Ifaralahy fa nateraka. [2.558 #522]

Proverb 13Aza manao hoe : Ny tiako no ahy. [2.558 #523]
Aza manao: "Ny tiako no ahy". [2.165]
Aza manao ny "tiako no hatao." [2.653 #517, 2.165]
French translationNe dites pas: "J' aurai tout ce que je veux" . [2.165]
Ne dites pas : je ferai ce que je veux. [2.415 #625]
French interpretationLes chefs doivent agir avec justice et sagesse, et non pas avec despotisme. [2.415 #625]

Proverb 14Aza manao hoe : raha ho ahy, mihondrahondra ; fa raha ho azy, miongora velona. [2.653 #465, 2.974 #83]
French translationNe dites pas : si vous êtes pour moi, balancez-vous lentement ; si vous êtes pour lui, déracinez-vous à fond. [2.974 #83]

Proverb 15Aza manao hoe : raha olona handosirako, fa raha sary, hohatoniko. [2.558 #524]
Aza manao hoe: "Raha olon-kandosirako, kanefa raha sary hohatoniko" . [2.165]
Tsy mety raha hoe : raha olona andosirako, fa raha sary hatoniko. [2.558 #4590]
Tsy mety raha hoe: "Raha olona handosirako, fa raha sary hatoniko". [2.415 #1734, 2.653]
French translationIl ne faut pas dire : si c' est un homme je le fuirai, si c' est une simple statue ou image, j'approcherai. [2.415 #1734]
Ne dites pas: "Si c' est un homme je fuirai, mais si ce n' est qu' une image, je m' en approcherai" . [2.165]
French interpretationC' est manquer de courage. [2.165]
C'est un manque de courage que de parler ainsi. [2.415 #1734]

Proverb 16Aza manao hoe "teniko fe andriana" . [2.165 #1404]
Aza manao "teniko fe lehibe." [2.415 #627, 2.653 #515, 2.558]
Manao teniko fe andriana. [2.415 #210]
French translationDire : Je le veux ainsi parce que je suis roi. [2.415 #210]
Ne dites pas "c' est mon bon plaisir, car je suis le roi" . [2.165]
Ne dites pas : je le veux ainsi parce que je suis le maître. [2.415 #627]
French interpretationCe proverbe blâmait le despotisme. [2.415 #210]
N' agissez pas arbitrairement. [2.165]
Se disait des chefs trop despotes qui abusaient de leur autorité. [2.415 #627]

Proverb 17Aza manao hoe: Tombo Faralahy, fa nateraka. [2.653 #466]
Aza manao hoe: "Tombo Ifaralahy, fa naterako" . [2.165]
Aza manao " tombo faralahy " fa nateraka. [2.415 #905]
Tsy mety ny manao hoe: "Ifaralahy no naterako" . [2.165]
French translationIl ne faut pas dire: "C' est à Ifaralahy (le dernier né) que j' ai donné le jour" . [2.165]
Ne dites pas: Ifaralahy (le dernier né) est mon préféré, car je l' ai mis au monde. [2.165]
Ne soyez pas tout pour le dernier garçon parce que vous l' avez enfanté, et rien pour les autres. [2.415 #905]
French interpretationCe proverbe qui s' appliquait directement aux marâtres, se disait en général de tous ceux qui agissaient avec partialité. [2.415 #905]
Il ne faut pas en faire son orgueil et être partial envers lui. [2.165]

Proverb 18Aza manao hoe : zanaky ny maty. [2.415 #874]
French translationNe dites pas : c' est l' enfant du défunt ou de la défunte. [2.415 #874]
French interpretationCe proverbe se disait de ceux qui dans le ménage négligeaient les enfants d' un autre mariage ; d' une manière plus générale il se disait de ceux qui oubliaient leurs amis. [2.415 #874]

Proverb 19Aza manao papango be saron-doha, ka manao hoe tsy misy zokiny afa-tsy izaho. [2.558 #555, 2.653 #488]

Proverb 20Hoatry ny mpiara-dia samy miavona izy roa, ka ny aloha tsy manao hoe haingana, ary ny aoriana kosa tsy manao hoe andraso. [2.415 #4008]
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny eo aoriana tsy miantso. [2.558]
Mpiara-dia roa samy miavona : ny aloha tsy manao " haingana " , ny aoriana tsy manao " andraso " . [2.415 #6012]
French translationCe sont deux orgueilleux qui voyagent ensemble : celui qui est devant ne dit pas à l' autre de marcher plus vite, et celui-ci ne lui dit pas de l'attendre. [2.415 #6012]
Ils sont comme deux voyageurs orgueilleux : celui qui est devant, ne dit pas à l' autre d' aller plus vite ; celui qui est derrière, ne dit pas de l' attendre. [2.415 #4008]
French interpretationSe disait des gens, surtout des époux qui allaient chacun de leur côté, sans entente. [2.415 #4008]

Proverb 21Lokanga tsy atao ka hoe lehibe ny voatavo. [1.62]
Lokanga tsy atao ka lehibe ny voatavo. [1.1]
Malagasy interpretationAsaina mitendry lokanga voatavo dia mahita fialan-tsiny tsy hanaovana ka mody manao hoe lehibe loatra ny voatavon' io lokanga io ka tsy haiko na manahirana ahy ny mitendry azy. [1.62]
Milaza ho tsy mahavita zavatra iray niangaviana azy, kanefa te hoderaina indray ka miteniteny momba ny fanaovana an' io zavatra io. [1.1]
Tsy fahaizana na tsy fetezana hanao izay asaina hatao dia mody mamoron-kevitra haniniana an' izay zavatra asaina atao. [1.62]
Tsy manao ny tena ka mahay milaza erý hoe toy izao sy toy izao. [1.1]

Proverb 22Ny anarana no tsy raikitra, ny an-trano no manivaiva. [2.165 #1328, 2.558 #2873, 2.653 #2154]
Ny anarana no tsy raikitra, ny ao an-trano no manivaiva. [2.415 #1113]
Ny anaran-tsy raikitra, hono, dia ny ao an-trano no manao hoe Ikelisanga. [2.415 #0]
Ny anaran-tsy raikitra, hono, dia ny ao an-trano no manao sanga kely. [2.415]
French translationSi le nom ne tient pas, c' est que ceux de la maison abaissent celui qui le porte. Il s' agit d' un jeune homme qui prend un nouveau nom, ne voulant plus de celui par lequel on l' a appelé jusqu' ici, un nom de petit garçon, Ikoto ou un autre. [2.165]
Si les beaux noms qu' on porte ne se vérifient pas, c' est que les gens de la maison sont là pour en rabattre. [2.415 #1114]
Si les beaux noms qu' on porte ne se vérifient pas, c' est qu' on est déprécié par les gens de la maison. [2.415 #1113]
French interpretationCe proverbe est analogue au français : il n' y a pas de grand homme pour son valet de chambre. [2.415 #1114]
Mais ses parents, ses frères et sœurs, continuent à rappeler du même nom qu' avant; de là le proverbe. Le nom que l'on porte, à Madagascar, n' est pas invariable de la naissance à la mort: on peut en changer, et on en change pour plusieurs raisons. Un des cas les plus fréquents est celui d' un homme devenu père qui abandonne le nom qu' il avait jusque-là pour prendre celui de son fils aîné. [2.165]
Se disait de ceux qui au lieu d' honorer les gens qui habitaient avec eux, les dénigraient. [2.415 #1113]

Proverb 23Ny olona manao hoe : tandremo fandrao manitsa-Bazimba. [2.415 #96]
French translationLes gens disent : prenez garde de fouler aux pieds les Vazimba. [2.415 #96]
French interpretationLes Malgaches, par respect et par crainte, passaient à l' écart des endroits ou les Vazimba étaient censés habiter. [2.415 #96]

Proverb 24Raha hanao zavatra, aza manao hoe : " dombo ny angady " ; nefa raha hihinana manao hoe : " maranitra ny sotro " . [2.415 #3966, 2.165]
French translationQuand vous allez au travail, ne dites pas : la bêche est émoussée ; et quand vous allez manger : la cuiller racle bien la marmite. [2.415 #3966]
Quand vous allez labourer, ne dites pas: "La bêche est émoussée" ; pour dire, quand vous allez manger: "La cuillère coupe bien" . [2.165]

Proverb 25Raha mihinana ny amalom-boasira hianao, manao hoe: "Ny maty no havakoary raha asa zama, manao hoe : "Mamosavy ny tsy tia maro". [2.653]
Raha mihinana ny amalom-boasira hianao, manao hoe ny maty no havako, ary raha tonga ny asa jama dia hanao hoe : ny mpamosavy no tsy tia maro. [2.558 #3615]

Proverb 26Tsy hita isay hatao; fa ny iray manao hoe: "Mivalana," ary ny iray manao hoe : "Valala". [2.653]
Tsy hita izay hatao, fa ny iray manao hoe : " mivalàna " ary ny iray manao hoe " valala " . [2.415]
Tsy hita izay hatao, fa ny iray manao hoe : mivalàna, ny iray kosa manao hoe : valala. [2.558 #4495]
French translationOn ne sait que faire, car l' un dit : descendez, et l' autre dit : sauterelles. [2.415 #5831]
French interpretationJeu de mots sur les assonances mivalana et valala. [2.415 #5831]

Proverb 27Tsy hita izay hatao, fa ny iray manao hoe : " mivalana ny lohasaha " ary ny iray : " mioriha " kosa. [2.415 #5832]
Tsy hita izay hatao! Ny iray manao hoe: "Mivalàna ny lohasaha" ; ary ny iray: "Mioriha" kosa. [2.165]
French translationComment faire! L' un dit: "descendez la vallée" ; l' autre dit: "remontez-là" . [2.165]
On ne sait que faire : l' un dit : descendez la vallée, et l' autre : remontez. [2.415 #5832]

Proverb 28Tsy mety raha dia manao hoe : ny tiako no ahy. [2.558 #4588]
Tsy mety raha dia manao ny tiako no ahy. [2.415 #5417, 2.653 #3407]
Tsy mety raha manao hoe : ny tiako no ahy, ka sady hifidy aho no hizara. [2.558 #4617]
French translationIl n' est pas permis de dire : ce qui me plaît sera pour moi. [2.415 #5417]

Proverb 29Tsy mety raha manao hoe: Tsy mbola farofy aho hatrizay nahabokako. [2.415 #2029, 2.653 #3437, 2.974]
Tsy mety raha manao hoe : tsy mbola farofy hatrizay, nefa ny tena boka. [2.558 #4618]
French translationIl ne faut pas dire : je n' ai jamais été indisposé depuis que j' ai eu la lèpre. [2.415]
Il n’est pas glorieux de dire : je ne suis pas tombé malade depuis que je suis lépreux. [2.974 #295]
French interpretationC' est bien assez d'avoir la lèpre. [2.415]

Index