|
|
|
|

Entry1  Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy
Elementary words  2  firaketana, fiteny, zavatra, malagasy
Part of speech  3  name (book title)
Vocabulary  4  Literature: books
Explanations in Malagasy  5  Fitadidy momba ny "Firaketana" 1937-1963.
Tamin' ny volana Zanvie 1937 no niseho ny antakelaka voalohany amin' ny boky "Firaketana". Ireo mpiadidy ny gazetim-boky "Fiainana" -- izay mbola mitohy miseho hatramin' izao ary nivoaka voalohany kosa tamin' ny taona 1928 -- ireo no nifarimbona, nampian' ny namana maro eran' ny Nosy ary araka ny hevitrasy toro-lalana nitarihan' Itompokolahy Ravelojaona azy; antakelaka niseho isam-bolana no niandohan' ny Firaketana ary dia mbola izany no endrika tanany hatramin' izao. Ireto no anaran' ireo mpiadidy ny fanoratana tary am-piandohana tary (ny efa nodimandry dia tsarovana amim-panajana sy fankasitrahana) :

H. Rabeony, J. Ratsima, H. Randzavola, Ravelojaona, J. Ramambasoa, F. Ratrema, G. Andriamanantena, F. Rajaobelina, Joseph Rakotovao (mpitandrina), Rabevazaha, F. Gabriel Rajonah, Rahajason (mpampianatra).

Ny tena tonian' ny fanoratana hatrany am-boalohany dia Itompokolahy Ravelojaona (1937-1956) sy Andriamatoa F. Gabriel Rajonah (1937 ka mbola mitohy hatramin' izao).

Ny ray aman-dreny teo anatrehan' ny fanjakana:
1937-1939: Prof. E. Kruger
1939-1942: Pasteur Ch. Bonzon
1943-1953: It. H. Randzavola, mpitandrina
1953-1956: It. Ravelojaona, mpitandrina
1956 ka mbola mitohy hatramin' izao: Atoa F. Gabriel Rajonah, professeur.

Ny Mpiandraikitra. -- Ny fikarakarana ny famoahana ny boky amin' ny lafiny samy hafa (amin' ny ara-bola sy amin' ny fampielezana azy, ets.) dia It. Ravelojaona koa no nitana izany toerana izany hatrany am-piandohana ka hatramin' ny fodiany mandry (1937-1956).

Nanomboka hatramin' ny 1956 dia ny zazany Atoa Rambelosoa, ampian' izy mivady dia Atoa Samuel Andrianjafintrimo sy Rtoa Razafindravao, no nandimby an-drainy. [1.10#K.404]

Explanations in French  6  vaste dictionnaire encyclopédique des mots et des choses malgaches, qui commence à paraître sous sa [Ravelojaona] direction en 1937 [1.11]
Author  7  Ravelojaona
8  Rajonah Gabriel
9  Randzavola Henri
Publishings  10  Imprimerie Industrielle, 1937. Height: 23cm. Width: 15cm. Pages: 4256

Updated on 2023/06/12