|
|
|
|

Index

Proverbs : kisoa

Proverb 1Adin-kisoa, ka samy mandoa vory ihany, nany resy na ny mahery. [2.653]

Proverb 2Adin-kisoa no misy atolak’ orona. [2.653 #15]

Proverb 3Ampombo malemy sy kisoa : faty no isarahana. [2.415 #5248, 2.653 #153]
Ampombo malemy sy kisoa, ka faty no isarahana. [2.165 #261, 2.558 #191]
French translationCochon et son fin : cela ne se sépare qu' à la mort. [2.415 #5248]
Le son et les porcs: la mort seule les sépare. [2.165]
French interpretationSe disait des choses auxquelles on tient beaucoup. [2.415 #5248]

Proverb 4Ariary zato iombonana, ka ny kisoa iray no iadiana. [2.415 #3191]
Ny ariary zato iombonany fa ny kisoa iray iadiany. [2.558 #2906]
Ny ariary zato iombonany, ka ny kisoa iray iadiany. [2.165]
French translationAvoir cent piastres en commun, et se battre pour un cochon (qui ne valait peut-être guère plus d' une piastre). [2.165 #303]
S'accorder dans le partage de cinq cents francs et se brouiller pour un porc. [2.415 #3191]

Proverb 5Aza manao fihavanan’ Ivonizongo sy Avaradrano: raha mankany Vonizongo, kisoa no fahana; fa raha mankany Avaradrano, patsa kely fenoin-kalady. [2.653]

Proverb 6Donga tena, fa botry saina, ohatra ny zana-kisoa. [2.653]
Donga tena fa botry saina toy ny zana-kisoa. [2.558 #1008]
Toy ny zana-kisoa : donga tena, fa botry saina. [2.415 #1540]
French translationCet enfant est comme le petit de la truie : gras et dodu, mais de peu d' intelligence. [2.415 #1540]
French interpretationSe disait des enfants bien nourris, mais mal élevés. [2.415 #1540]

Proverb 7Fahan-kisoan' i Vonizongo, ka ny lasan-ko ariary no tohanana. [2.558 #1050]
Fahan-kisoany Vonizongo : ny ho lasan-ko ariary no tohanana. [2.653 #880]
Hoatry ny fahan-kisoan' Ivonizongo : ny lasan-ko ariary no tohanana. [2.415 #4383]
French translationC' est comme la manière d' engraisser les cochons chez les Vonizongo : ce sont ceux qui peuvent atteindre une piastre qui sont soignés. [2.415 #4383]
French interpretationIl y avait chez les Vonizongo une grande race de cochons difficiles à nourrir ; ce proverbe se disait de ceux qui ne s'occupent que des grands ou des grandes choses. [2.415 #4383]

Proverb 8Fanahin-kisoa : tsy manana andevo, ka tia tondro molotra. [2.415 #548, 2.653 #904]
Fanahin-kisoa : tsy manana mpanompo ka tiatondro-molotra. [2.558 #1075]
French translationAvoir des allures de porc : on n' a pas d' esclaves et on aime à montrer les gens en allongeant les lèvres comme les porcs. [2.415 #548]
French interpretationOn montrait ainsi du bout des lèvres l' esclave à vendre ; sens général : beaucoup de paroles et peu de réalité. [2.415 #548]

Proverb 9Mahagaga, hoy Ambohitriraisana, fa ny kisoa kely avy no homam-paraky. [2.653 #1401]
Mahagaga, hoy Ambohitriraisina, fa ny kisoa kely avy no homam-paraky. [2.558 #1840]

Proverb 10Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ny ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa. [2.165 #806]
Tsy misy henjana hoatry ny lambo : fa raha mahita ny ampombo, miketraka ho kisoa. [2.415 #4636]
Tsy misy henjana ohatra ny lambo, fa raha mahita ny ampombo miketraka ho kisoa. [2.653, 2.558]
French translationIl n' y a pas d' animal aussi vigoureux que le sanglier ; mais quand il voit du son, il s' amollit comme un porc. [2.415 #4636]
Se vanter d' être un sanglier, puis, en voyant le son pâteux, descendre au rang de truie (en le mangeant, comme un porc domestique). [2.165 #806]
French interpretationLes passions et l' intérêt amollissent. [2.415 #4636]

Proverb 11Miritirity ho lambo sa miketraka ho kisoa? [2.653 #1819, 2.558]

Proverb 12Mitoha tsy manana ohatra ny amboa, be fady andro toa kisoa. [2.558]
Mitoha tsy manana, toy ny amboa; be fady andro, toy ny kisoa. [2.653 #1870]

Proverb 13Ny ari-zato iombonany, ny kisoa iray no iadiany. [2.653 #2182]

Proverb 14Ny kisoa manao tondro-molotra, ny amboalambo manao hatsi-maso. [2.558 #3051]

Proverb 15Ny omby no namono antoka ka ny kisoa no nahavinitra. [2.558 #3195]

Proverb 16Ny sodokan' ny amboa tsy ho vola, hitaiza zana-kisoa mba hiavotana. [2.558 #3250]

Proverb 17Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka fa ny lambo nahamaodimaody ? [2.558 #3636]
Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka ny lambo-dia tsy ho maody ? [2.653 #2703]

Proverb 18Raha sarotin-doiloy aza mividy lohan-kisoa. [2.165 #2170]
French translationSi vous avez facilement des nausées, n' achetez pas une tête de porc. [2.165]

Proverb 19Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo, raha kapaina ny vondrona mihetsika ny herana. [2.558 #3664]
Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo ; raha kapaina ny vondrona, mihetsiketsika ny herana. [2.653 #2718]

Proverb 20Toy ny adin-kisoa, ka vitan' anjonanjona ihany. [2.165 #370, 2.415 #3525]
Toy ny adin-kisoa ka vitan' ny anjonanjona ihany. [2.558 #4247]
French translationCombat de porcs : des grognements de dédain, et c' est tout. [2.415 #3525]
Une bataille de porcs: un peu de dédain (les grognements) et c' est tout. [2.165]

Proverb 21Tsy misy adala tahaka ny kisoa; nefa nony mivoaka, manao tondro-molotra. [2.558 #4700, 2.653 #3507]
Tsy misy adala tahaky ny kisoa ; nefa nony mivoaka, manao tondro molotra. [2.415 #598]
French translationIl n' y a pas plus sot qu' un porc, et pourtant lorsqu' il sort, il fait des signes en allongeant les lèvres. [2.415 #598]
French interpretationCe proverbe fait allusion à la vente perfide et rusée d'un esclave ou d' un homme libre, en l' indiquant des lèvres. [2.415 #598]

Proverb 22Tsy ny kisoa horoahina ity, fa ny lambo za-dia. [2.558 #4774]

Proverb 23Vava kisoa misy sira: ka tokinao hihinana azy. [2.165 #904]
Vavan-kisoa misy sira, ka tokinao hihinana azy. [2.558 #4904]
Vavan-kisoa misy sira: tokinao hihinana azy. [2.653 #3646]
French translationUn museau de porc salé: c' est à vous de savoir si vous voulez le manger ou non. [2.165]
French interpretationLe museau était considéré comme une partie qu' on devait rejeter; une fois salé, il était devenu meilleur, mais on pouvait encore faire des objections. [2.165]

Proverb 24Very indroa ohatra ny tain-kisoa. [2.558]
Very indroa toa tain-kisoa. [2.165 #2233]
French translationPerdu deux fois comme des excréments de porc. [2.165]

Index