|
|
|
|

Entry (1/2) 1  adala
Part of speech  2  adjective
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Nouns :
Adjectives :
Explanations in Malagasy  34 enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala
35 tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory
36 tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka
37 sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny
38 matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo
39 teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo [1.1]
Explanations in English  40 foolish [1.2, 1.7]
41 unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason. [1.2]
42 crazy [1.7]
Explanations in French  43 fou, sot [1.3, 1.8]
44 aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents)
45 insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples)
46 Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer)
47 Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu) [1.3]
Examples  48  Eny, adala tokoa aho, fa ny hitaona azy handositra no tena anton-diako tamin' iny hariva iny. [2.471#22]
49  Izaho angaha heverin' I Feno ho adala ! [2.472#159]
50  izaho ity koa no adala. [2.470#24]
Analogs  51  foka, 52  manary lamba, 53  manenjika alika, 54  mihomehy rindrim-baky, 55  mivadika atidoha, 56  mivadika lakoraika, 57  mivadika ondrana, 58  very saina
Combinations  59  40 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word adala
Proverbs  60  Proverbs containing that word
Article  61 Randzavola: adala ao amin' ny Baiboly

Entry (2/2) 62  adalà
Part of speech  63  imperative of adjective adala [Full list]
Explanations in French  64 Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise) [1.3]

Anagrams  adala, adalà, 65 Laadà

Updated on 2026/08/14