Index

Proverbs : adin' ombalahy

Proverb 1Adin' ombalahy ka no atakalo izay adin' ombivavy. [2.558]

Proverb 2Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobena, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena. [1.1 #780]
Adin' ombilahin’ ny mpianakavy : ny mahery tsy hobena, ny resy, tsy akoraina. [2.653 #17]
Malagasy interpretationRaha misy olona roa na antokon' olona roa tonta samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapampana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy. [1.1 #437]
Raha mpihavana no miady eny amin' ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. [1.1 #780]

Proverb 3Akondro niadian' ombalahy : herinandro tsy mahafoha tena. [2.415 #745, 2.558 #91]
Akondro niadian’ ombilahy : herinandro tsy mahafoha tena. [2.653 #76]
French translationBananier sur lequel se sont battus des taureaux : d' une semaine il ne peut pas se relever. [2.415 #745]
French interpretationSe disait des petits qui souffraient des querelles des grands, et de tous ceux qui avaient de la peine à se relever après une épreuve. [2.415 #745]

Proverb 4Aza atao verin' ny adin-dreniomby ny adin' ombalahy. [2.558]
Aza atao verin' ny adin-dreniomby ny adin' ombilahy. [2.653 #373, 2.165]
Sondrian' ny adin-dreniomby, ka ny adin' ombalahy no hadinoina. [2.415 #3300]
Verin' ny adin-dreniomby ny adin' ombalahy. [2.415 #3300, 1.3]
Very tamin' ny adin-dreniomby lahy, ny adin' ombalahy! [2.558 #4946]
French translationAbsorbé par un combat de vaches, on oublie le combat de taureaux. [2.415 #3300]
Ne manquez pas un combat de taureaux pour un combat de vaches. [2.165]
Un combat de vaches fait perdre de vue un combat de taureaux. [1.3]
French interpretationC. à. d. ne perdez pas une chose importante pour pas grand chose. [2.165]
Il néglige les grandes affaires pour s'occuper des petites. [1.3]
Souvent de petites choses font oublier de plus grandes. [2.415 #3300]

Proverb 5Aza manao tahaka ny vorontsiloza: miebanebana tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; maneno tsy ampongabe, dia izy ihany. [2.653]
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany, manakora tsy adin' ombalahy, dia izy ihany, miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany, midoboka tsy ampongabe, dia mbola izy ihany koa. [2.558]
Aza manao tahaka ny vorontsiloza: mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; midoboka tsy ampongabe, dia izy ihany. [2.653]

Proverb 6Aza milaza miara-mahita. [2.165]
Aza milaza miara-mahita, tahaka ny adin’ ombilahy an-tsena. [2.653 #628]
Aza milaza miara-mahita, tahaky ny adin' ombalahy an-tsena. [2.415 #4738]
Aza milaza miara-mahita toy ny adin' ombalahy an-tsena. [2.558 #779]
Milaza miara-mahita, tahaka ny adin' ombalahy. [2.558 #2343]
Milaza miara-mahita, toy ny adin’ ombilahy. [2.653 #1788]
French translationNe parlez pas (à quelqu' un) d' une chose qu' il a vue comme vous. [2.165]
Ne racontez pas des choses que tout le monde a vues, comme les combats de taureaux au marché. [2.415 #4738]
French interpretationSe disait de ceux qui racontent ce que tout le monde sait. [2.415 #4738]

Proverb 7Hono, ry andrian-tsy vahoaka: ny ombilahy va no miady, fa ny vato be no mikorontana ? Tsy ny vato no mikorontana, tsy ny ombilahy no miady, fa Andriantiazaza no maty. [2.653 #1099]

Proverb 8Ilay jamba nampiady ombalahy : lany ritra ny zana-bahoaka raha izay alehako no alehany. [2.558 #1398]
Ilay jamba nampiady ombalahy : " lany ritra ny zana-bahoaka, raha izay alehako no nalehany " . [2.415 #2148]
Ilay jamba nampiady ombilahy : "Lany ritra ny zana-bahoaka, raha izay alehako izay no nalehany". [2.653 #1112]
French translationAveugle qui a fait battre des taureaux : ils sont exterminés les enfants de la contrée, dit-il, s' ils ont passé par où je passe. [2.415 #2148]

Proverb 9Ny ombalahy no miady, ka ny omby vositra no mitsaraingona. [2.415 #3501]
Ny ombilahy no miady, ka ny omby vositra no mitsaraingona. [2.558 #3190, 2.653 #2381]
French translationCe sont les taureaux qui se battent, et les boeufs se faufilent au milieu d' eux. [2.415]
French interpretationSe disait des gens qui se mêlent des affaires des autres et de leurs disputes. [2.415 #3501]

Index