Index

Proverbs : tanimbary

Proverb 1Ny lainga toy ny vato am-balam-parihy, na tsy hitam-pangady raha lohataona aza, hitan' ny antsy raha fahavaratra. [2.558 #3062]
Vato am-balam-parihy, ka na dia tsy hitan' ny fangady raha lohataona aza, dia ho hitan' ny antsy raha fararano. [2.415 #3159]
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona. [1.1]
Vato an-tanimbary : na tsy azon' ny antsy raha fararano, hitan' ny angady raha lohataona. [2.558]
Vato an-tanimbary : na tsy voan’ ny antsy amy ny fararano aza, ho tratry ny angady amy ny lohataona. [2.653 #3635]
Vato an-tanimbary : na tsy voan' ny antsy amin’ ny fararano aza, ho tratry ny angady amin’ ny lohataona. [2.974 #384]
Malagasy interpretationEntina milaza ny vato latsaka eny an-tanimbary, izay na dia tsy hitan' ny antsin' ny mpijinja aza dia hitan' ny angadin' ny mpiasa, ka ny tiana holazaina amin' izany dia hoe: tsy misy zavatra tsy ho hita na ho ela na ho haingana. [1.1]
French translationPierre de la petite digue : si la bêche ne la trouve pas au printemps, le couteau la trouvera à l' automne. [2.415 #3159]
Pierres dans la rizière : si elles sont épargnées par la faucille en automne, elles seront victimes de la bêche au printemps. [2.974 #384]
French interpretationOn disait ce proverbe pour signifier que tôt ou tard, une chose arrivera : au printemps la bêche sert à travailler la terre, et à l' automne le couteau sert à faire la moisson ou à couper les herbes qu' on donne aux animaux pour les engraisser. [2.415 #3159]

Proverb 2Raha malahelo tia tombo-tsira, dia mitety ny tsena haleha ; ary raha kamboty raiki-pitia, lany mbamy ny tanimbary. [2.653 #2680]
Raha malahelo tia tombo-tsira, dia mitety tsena haleha ary raha kamboty raiki-pitia, lany mbamin' ny tanimbary. [2.558 #234]

Proverb 3Tanimbarin-dRalaikamo : rano fotsy mangeniheny, tsiparifary mandifotra olona. [2.415 #3975]
Tanimbarin' ilay kamo, ka rano fotsy mangeniheny. [2.415 #3974]
Tanimbarin’ ilay kamo : rano fotsy, mangeningenina ; harefo, mahadifotra olona. [2.653 #3010]
Tanimbarin' ilay kamo: rano fotsy mangeningenina; harefo mandifotra olona. [2.165]
Tanimbarin' ilay kamo : rano fotsy no mangeniheny, vohitr' ilay malaina : fandrodahy am-baravarana ihany. [2.558 #261]
French translationLa rizière d' un paresseux: elle est couverte d' eau stagnante, et de joncs plus hauts qu' un homme. [2.165]
Visitez la rizière du paresseux : c' est un marécage. [2.415 #3974]
Visitez la rizière du paresseux : elle est devenue un marais et les joncs ont la hauteur d' un homme. [2.415 #3975]

Proverb 4Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy, ka samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.558 #4441]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahonamandry an-tatatra, mamba mandry an-osy : samia mitoetra amy ny onin-drainy. [2.653 #3311]
Tsindretra mandry an-tanimbary, sahona mandry an-tatatra, mamba mandry anosy : samia mitoetra amin' ny onin-drainy. [2.415 #865, 2.974]
French translationLa libellule se repose dans la rizière, la grenouille dans les rigoles humides, le caïman sur les îlots du fleuve : qu’ainsi chacun demeure à sa place (dans sa rivière d’origine). [2.974 #122]
Larves de libellules dans les rizières, grenouilles dans les canaux, caïmans dans les îlots, que chacun demeure dans l' eau de ses pères. [2.415 #865]
French interpretationChacun doit rester dans sa condition et garder ses usages. [2.415 #865]

Proverb 5Tsy ny tanim-bary no madinidini-bary, fa isika roroa no madinidini-pitiavana. [2.415 #5151]
French translationCe n' est pas le riz des rizières qui est petit, c' est notre amour à tous deux qui est petit. [2.415 #5151]
French interpretationParoles dites pour reprocher le peu d'amour. [2.415 #5151]

Index