Entry loha
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Faritra ambony indrindra amin' ny tenan' ny olombelona -- ary aloha indrindra kosa ho an' ny biby -- izay mizara roa: ny eo anoloana misy ny maso, orona, sofina, vava, ary ny ao an-damosina rakotry ny volo, fa ny ao anatiny kosa misy ny ati-doha fototry ny fihontsonana sy ny fisaintsainana ary ny finiavana: Nianjera izy ka vaky ny lohany (raha ny ao anatin' ny loha no lazaina, dia ny teny hoe andoha no ampiasaina: Marary ny andohako; jereo Andoha
Saina: olona kely loha koa izay nametraka itỳ teto
Lehibe mpitarika: Rainivoanjo no lohany tamin' io raharaha ratsy io
Tendrony aloha amin' ny zavatra iray: Nifatratra tao anaty zozoro ny loha lakana
Karazana: Maro loha ny sakafo narosony ho anay
Mitovy hevitra: andriamanjaka ~ andriana ~ ben' ny tany ~ filoha ~ lehibe ~ loholona ~ mpanapaka ~ mpandidy ~ mpanjaka ~ mpifehy ~ mpitarika ~ mpitondra ~ ray aman-dreny ~ tale ~ tompombodivona ~ tompomenakely ~ vovonana iadian' ny lohany [1.1]
Explanations in English The head; the front part [1.7]
Explanations in French La tête; la partie avant [1.8]
Examples 
1Elo manga miofon'andro ambony loha; [1.257]
2Dia hisy loha ho tapaka indray atsy ho atsy! [2.528]
Vocabulary 
Morphology 
Simple : loha, lohako, lohanao, lohany, lohantsika, lohanay, lohanareo, lohan', lohan-, loham-
Prefixed : -doha, -dohako, -dohanao, -dohany, -dohantsika, -dohanay, -dohanareo, -dohan', -dohan-, -doham-
Derivatives 
Compound words 
Zoonyms 
Phytonyms 
Holonym vatana
Meronyms handrina, maso, molotra, orona, saoka, sofina, takolaka, tarehy, tava, vava, volo, volomaso, volombava
Co-meronyms hatoka, helika, kibo, lamosina, nono, sandry, soroka, takiba, takibaka, tanana, tongotra, tratra, vody, vozona
Toponyms 
Proverbs 
Articles 

Anagrams 

Updated on 2023/06/07