Entry tandrimo (rimo)
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Kilalao vita amin' ny hazo natao boribory kitsoloha misy fantsika, izay hodidinina kofehy, ka rehefa atsipy amin' ny tany ny tandrimo ka somary sintonina ny kofehy, mivaha haingana ilay izy ary mihodinkodina eo ambonin' ny fantsika ny tandrimo: Milalao tandrimo.
Mitovy hevitra: sangodina [Rajemisa 1985]
Explanations in English a top [Hallanger 1973]
Explanations in French toupie [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Compound words, titles, names 
Examples Mbetika manao sangodim-panina eo amin' ny toerany ihany toy ny tandrimo be gorada! [Andriamalala: Ranomasina, page 72]
Quotes 

Updated on 2020/07/31