|
|
|
|

Index

3 Proverbs quoting the word : mahavoky

Proverb 1Akoholahy manakohokoho akohovavy : tsy haninkahavoky, fa voninahitra ifanomezana. [2.558]
Akoholahy manakohokoho vavy : tsy haninkahavoky, fa volan-kifanajana. [2.165 #1337, 2.653 #62]
Akoholahy mikohokoho vavy; tsy haninkahavoky fa voninahitra ifanomezana. [1.1 #695]
Malagasy interpretationRaha vao mahita zavatra kely, na fotsimbary na poti-javatra ny akoholahy, dia miantso ny akohovavy; voadiniky ny Ntaolo izany mba hilazany fa ny fanomezana atao, na dia kely sy tsy misy vidiny aza, dia mety ho mariky ny fifanajana. [1.1 #695]
French translationUn coq appelant une poule; (la nourriture offerte) n' est pas suffisante pour la rassasier, mais l' invitation est une marque de respect. [2.165]
French interpretationLes Malgaches, en général, sont un peuple très hospitalier et ami des manières polies et modestes. [2.165]

Proverb 2Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mahery manetsa : ka sady voky ny ankizy no tsy ory ny lehibe. [2.558]
Lehilahy mahery mihosy, vehivavy mateti-panetsa : manao ny hahavoky ny ankizy. [2.415 #1283, 2.653 #1363]
French translationHomme qui remue bien la terre de ses rizières, femme qui transplante bien le riz : ils nourrissent bien leurs enfants. [2.415 #1283]
French interpretationSe disait des ménages laborieux. [2.415 #1311]

Proverb 3Vavan' alika feno taolana : tsy hanina hahavoky, fa henamaso ny be. [2.653 #3645]
Vavan' alika feno taolana : tsy hanin-kahavoky fa henamaso ny betsaka. [2.558 #4903]

Index