|
|
|
|

Entry (1/2)1  adala
Part of speech  2  adjective
Derivatives 
3  Active verbs :
4  Passive verbs :
5  Relative verbs :
6  Names :
7  Adjectives :
Explanations in Malagasy  8  enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala
9  tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory
10  tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka
11  sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny
12  matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo
13  teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo [1.1]
Explanations in English  14  foolish [1.2, 1.7]
15  unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason. [1.2]
16  crazy [1.7]
Explanations in French  17  fou, sot [1.3, 1.8]
18  aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents)
19  insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples)
20  Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer)
21  Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu) [1.3]
Examples  22  Eny, adala tokoa aho, fa ny hitaona azy handositra no tena anton-diako tamin' iny hariva iny. [2.471]
23  Izaho angaha heverin' I Feno ho adala ! [2.472]
24  izaho ity koa no adala. [2.470]
Analogs  25  very saina, foka, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky
Compound words 
Phytonyms 
Proverbs  39  Proverbs containing the word adala
Article  40  Randzavola: adala ao amin' ny Baiboly

Entry (2/2)41  adalà
Part of speech  42  imperative of adjective adala
Explanations in French  43  Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise) [1.3]
Tables and plates  44  All the adjective imperatives

Anagrams  45  adala, adalà, adala, adalà

Updated on 2023/03/28