Entry arỳ
Part of speech adverb [full list]
Explanations in Malagasy Enti-milaza toerana sady tsy hita no lavitra: arỳ andrefan'ny sekoly no mipetraka izahay. [1.1]
Explanations in English There, yonder, signifying a distant place not seen. [1.2]
 There far away (not in sight) [1.7]
Explanations in French Là, là-bas, désigne une chose éloignée ou qu’on ne voit pas [1.3]
 Là-bas (loin, pas visible) [1.8]
Vocabulary 
Morphology 
Present : arỳ
Past : tarỳ
Future : ho arỳ
Derivatives 
Compound words 
Titles Atsy ary (Manifatra Venance)
Analogs  etỳ ~ eto ~ eo ~ etsy ~ eny ~ eroa ~ erỳ
  atỳ ~ ato ~ ao ~ atsy ~ any ~ aroa ~ arỳ

Entry ary
Part of speech conjunction [full list]
Explanations in Malagasy Entina mampitohy ny anarana na ny mpamaritra anarana na ny matoanteny voalaza farany amin' ireo eo aloha raha ohatra ka misy maro voatanisa: Ny akoho sy ny vorona ary ny ondry. / Vizana sy reraka ary kivy irahay nony tafaverina tsy naharo na inona na inona. / Mihinana sy misotro ary mandihy
Mampitohy fehezankevitra na fehezanteny anankiroa: Miteny ny mpampianatra ary mihaino ny mpianatra
Mampitohy ny fehezankevitra farany amin' ilay voalohany amin' ny ady lojika: Manidina ny vorona rehetra, ary vorona ny akoho, koa amin' izany manidina ny akoho [1.1]
Explanations in English And. Generally used after two or more nouns connected by sy, the last of the series being connected by ary. It is like the word and used in commencing English sentences. [1.2]
 And; in an enumeration sy is used after the first several words and àry before the last one. Ny vy sy ny varàhina àry ny firaka: iron and copper and lead [1.7]
Explanations in French Et; se met devant le dernier mot d'une énumération, dont les autres mots sont précédés de sy. Ny vy sy ny varàhina àry ny firaka: le fer et le cuivre et le plomb [1.8]
Titles Ary hitako (Andriarimalala René)

Entry àry
Part of speech adverb [full list]
Explanations in Malagasy Enti-milaza fehinteny na misolo fehin-teny mihitsy ara: Raha izany àry no izy, inona indray no hitadiavantsika vavolombelona? / Andeha àry isika, anaka [1.1]
Explanations in English Then, as aoka ary, Well then, be it so: Ataovy àry, Do it then. It can easily be distinguished from the conjunction ary by never being the first word of a sentence. [1.2]
Explanations in French Donc. Aoka àry (Soit!) Andeha àry (Hé bien, partez!) Ataovy àry (Faites donc!) [1.3]
 Donc [1.5]
Compound words 

Entry ary
Part of speech adverb [full list]
Explanations in Malagasy  [Betsimisaraka] any [1.78]

Entry ary
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Misy: Ary isika noho ny fahefan'ny mpahary
Manana: Efa ary nify ny zanako [1.1]
Explanations in English Existed, formed, produced; being. [1.2]
 Made, created, brought into being [1.7]
Explanations in French Créé, qui existe [1.3, 1.8]
Morphology 
Simple : ary, arin'
Future : hary
Derivatives 
 
Compound words 

Entry ary
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Enti-milaza fanipazana, tsy fiheverana zavatra tsy tiana intsony [1.1]
Explanations in French Action de rejeter [1.3, 1.5]
 Action d'abandonner, de perdre [1.3]
 Action de jeter. Variant: are [1.14]
Derivatives 
 
Compound words 
Phytonyms 

Entry ary
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Taova iray tarika amin'ny mosavin-kena ka mandevona ireo faikafaika avy amin'ny fiasan'ny tena entin'ny ra ao aminy [1.1]
Explanations in English The milt, the spleen. Ary is the root, but it is never used alone, but always with the suffix pronoun. [1.2]
Explanations in French La rate [1.3]
Vocabulary 
Analogs  arin-kena

Entry ary
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Tambahoaka] Nonon'omby, tohatra [1.78]

Entry ary
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Taimoro] Fiverenana ilalana [1.78]

Entry ary
Part of speech noun
Explanations in French Action de suinter, de perdre de l'eau, de laisser écouler la sève. On dit, par exemple : manary rano pour les bois qui suintent beaucoup lorsqu'ils sont coupés . manary rano-batsy : laisser écouler sa sève, comme le font certains bourgeons, ex. ceux des palmiers, quand on les perce. manary ronono : sécréter du latex.
[Taisaka]  : Ficus sp. ; également appelé ary-voara
[Taimoro, Taisaka] (contraction de arina) Bridelia tulasneana Baill. (Euphorbiaceae). [1.196]
Scientific name Bridelia tulasneana
Vocabulary 
Compound words 
Phytonyms 

Entry ary
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Jereo ariary [1.1]

Anagrams 

Updated on 2023/12/31