|
|
|
|

Entry loza
Part of speech noun
 Zavatra mampahita fahavoazana lehibe, toy ny fahafatesana, faharavam-pananana, sns...: Saika nahita loza Rabe tamin' ny diany farany tao
Zavatra miterapahavoazana lehibe ho an' olon-tokana na maro: Tsy misy loza mihoatra noho ny adim-pirenena
Mitovy hevitra: angano ~ angano latsaka ~ antambo ~ fahonana ~ faisana ~ fohehatra ~ idiran' angano ~ idirandoza ~ iharan-doza ~ mahatsiravina ~ mahita angano ~ mamoa-tsampona ~ mamohehatra ~ mampidi-doza ~ mampiditra angano ~ sampona ~ sendra ny mangidy tsy telina ~ tambàna ~ tra-boina ~ tra-doza ~ voan' ny patsa iray tsy omby vava ~ voan' ny tain' akoho mahalavo ~ voina ~ zo [1.1]
 Voina mihatra tsy ampoizina [1.13]
 Calamity, danger [1.7]
 Calamité, danger [1.8]
 Accident [1.13]
Examples 
1Loza loatra re io vola io! [2.499]
2Ny olona aza no tena loza. [2.472]
Morphology 
Simple : loza, lozako, lozanao, lozany, lozantsika, lozanay, lozanareo, lozan', lozan-, lozam-
Prefixed : -doza, -dozako, -dozanao, -dozany, -dozantsika, -dozanay, -dozanareo, -dozan', -dozan-, -dozam-
Derivatives 

Entry loza
Part of speech adjective
  [Bezanozano] Masiaka [1.78]
 Masiaka izaitsizy: Olon-doza, hono, izany Néron izany
Enti-milaza olona na zavatra mampitola gaga, tsy eran-tany (na amin' ny lafiny tsara na amin' ny lafiny ratsy): Loza Ikoto raha hihazakazaka [1.1]
 Angry, fierce, frightful [1.7]
 Cruel, intraitable, dangeureux [1.8]

Entry Loza
Part of speech name (toponym) [Full list]
 Fleuve de la préfecture d'Antsohihy formé par la confluence de la Doroa ... et la Tsinjomorana, forme, dans le canton de Befandriana, par la confluence de l'Ankazabo et l"Antsimpororona ... Il reçoit sur sa rive droite l'Ankofia grossie de l'Anjingo et l'Irony, la Maevarano ..., l'Ambariolava et l'Anjango [1.11]
Vocabulary 

Updated on 2023/08/12