Entry volana
Part of speech noun
Malagasy definition [ vôlaña ] [Sihanaka] teny [Rakotosaona 1975]
 Teny atao, teny aloakan' ny vava [Rajemisa 1985]
English translation speech [Abinal 1888, Hallanger 1973]
 speaking [Hallanger 1973]
French translation parole [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 promesse, engagement [Abinal 1888]
 action de parler [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Derivations 
Morphology 
volana
volako
volanao
volany
volantsika
volanay
volanareo
volan'
volan-
volam-
vola-
-bolana
-bolako
-bolanao
-bolany
-bolantsika
-bolanay
-bolanareo
-bolan'
-bolan-
-bolam-
-bola-
Synonyms kabary
Compound words, titles, names 
Quotes 

Entry volana
Part of speech noun
Malagasy definition Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefa mandray hazavana avy amin' ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin' ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana [Rajemisa 1985]
English translation the moon [Hallanger 1973]
French translation la lune [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Compound words, titles, names 
Analogues  fenomanana
Examples 
1Ny kintana sy ny volana amin'ny alina ny andrandrainy sy mahazatra ny masony [Rakotonandrasana: Tantsaha]
2Fa tsy misy kintana. Tsy misy volana. Tsy misy lanitra!... [Andriamalala: Ranomasina, page 13]
Quotes 
Articles 

Entry volana
Part of speech noun
Malagasy definition Ny fotoana ihodinan' ny volana manodidina ny tany
¶ Ny volana malagasy dia mifanentana amin' ny fihodinan' ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin' ny folo no isany: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy, fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny: zanvie: 31 andro, fevrie: 28 na 29, marsa: 31, avrily: 30, may: 31, jiona: 30, jolay: 31, aogositra: 31, septambra: 30, oktobra: 31, novambra: 30, desambra: 31. [Rajemisa 1985]
English translation a month [Hallanger 1973]
French translation le mois [Hallanger 1974]
 mois [SLP 1986]
Vocabulary 
Compound words, titles, names 
Tables and plates Measure of Time
Examples 
1Efa iray volana sy tapany no nipetrahan-dRandrianaivo tao Antsirabe [Rajohanesa: Kintana]
2Afaka roa volana eo ho eo, hono, dia handalo ny mpisafo [Rakotonandrasana: Tantsaha]
3Volana vitsivitsy taorian'izay, nisy vaovao lehibe anankiray hafa koa, ary nikasika ny miaramilam-potaka ity [Andraina: Mitaraina]
Quotes 
Articles 

Updated on 2020/11/22