Entry vizana
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Sasatra amin' ny tsy fihetsehana eo amin' ny toerana iray, amin' ny fomba fipetraka iray tsy miova, amin' ny fihetsehana iray tsy miova: Vizan' ny niandry azy aho ka farany Lasa nody tany an-trano
Reraka, osa: Vizana mafy loatra aho ka aoka kely aloha mba handrihandry eto
Mitovy hevitra: disaka ~ fotsy angola ~ honaka ~ lanaka ~ mangana ~ marafoka ~ masaka ~ maty hentona ~ mirozirozy ~ monaina ~ refona ~ reraka ~ ronaka ~ ronjana ~ rontsona ~ sasatra ~ savolaina ~ tominjana ~ toro ~ torovana ~ trotraka ~ tsy mahahetsika ~ vahotra ~ valaka ~ valalanina ~ vizaka [1.1]
Explanations in English Tired; weary or cramped from holding one position [1.7]
Explanations in French Fatigué de la même position, de regarder, fatigué du même mouvement, tombant de lassitude [1.3]
 Las, fatigué [1.8]
Examples 
1Ny andro ity mafanafana ihany ka sao vizana ambony ihany ianao raha manaraka ahy amin' ny alehako any. [2.470]
2Olona tsy vanona sy tsy valahara mianakavy, hoy izy nony vizana ka nijanona. [2.472]
Morphology 
Simple : vizana, vizan', visan-
Derivatives 
Synonyms vizaka
Compound words 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2020/07/31