Entry valaka
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra: Valaky ny asa tany Rabe. (Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan' ny hozatra indrindra: Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovam-pihetsehana indrindra: Vizan' ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamafisan' ny asa: Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray) [1.1]
Explanations in French Fatigué, épuisé, harrassé
Figuré: dont le poids ne suffit pas, inférieur [1.3]
Derivatives 
Compound words 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2022/07/30