Toko XI : Farany

Izany ary ny amin'ny finoanay Bara ka raha atao amboarany iray izany dia izao :

1: Raha ny amin'ny fivavahana monotheisma no dinihina dia mba mahatazana ny alony kely izahay noho ireo sasany, fa manaiky Ilay Andriamanitra tokana izahay, izay ataonay hoe : Ndriananahary nahary tongotra aman-tànana, ambonin’ny zavatra rehetra na ny any an-danitra na ny ety an-tany . Nefa tsy lavinay fa voatokonan’ny fivavahana amin'ny razana sy ny vato aman-kazo be loatra izahay ka tsy mahita izay tena izy mazava . 

2: Raha ny amin'ny fivavahana pantheisma no heverina dia tsy mba manan-kolazaina izahay, fa aoka ho an-drizareo be fahendrena izay mandinika ny tena zavatra sy ny hery miafina ao anatiny izany fivavahana izany, fa aoka ho aty Bara ihany izahay.

3: Raha ny amin'ny fivavahana politheisma no saintsainina, loha làlana sy vody làlana amin'izany antoko izany izahay fa tsy mihevitra an’Andriamanitra iray ihany izahay, fa ataonay ho maro izy ary ny olona rehetra aza dia samy manana izay Andriamanitra iray avy.

4: Raha ny hiafaran’izao fiainana izao indray no heritreretina, tsy mba kivy ambony ihany ny amin'izany izahay ka hanondri-doha eto an-tany na hihevitra toy ny Bouddhista hoe : « Tonga any amin'ny fahafoanana rehefa miala amin'izao fiainana izao. » (Nirvana) Fa velom-panantenana izahay fa mbola hitohy ihany izao fiainana izao any ankoatra, dia hatrao Amboromena, ka hatrany an-danitra izay tany soa . 

5: Raha ny amin'ny libre penseur indray no kasihina, tsy mba afaka hanao araky ny dan’ny kibonay fotsiny (na marina izany na tsy marina) izahay, fa voafehin’ny fadin-drazana sy ny finoana efa narahin’ireo Ntaolo .

6: Raha ny amin'ny atheisma no hatranga, mitsangam-bolo ny ati-dohinay, variana ny tanora, mimonomonona ny zaza amam-behivavy satria zava-baovao aminay, izay tsy mbola nisy hatr’izay ela izay ny mandà ny fisian’Andriamanitra na taiza na taiza.

Notananay mafy ireo finoana ireo ka araky ny hevitray dia tsy hisy nofo aman-dra hahazo manaisotra izany taminay. Koa raha tany Bara Andrefana M.P Nilsen Lund, iraky ny mission norvégienne, tamin’ny taona 1887 dia norahonanay sy notevatevainay. Tonga tany Bara Atsinanana koa M.P John Johnson, iraky ny mi(s)siona  norvégienne ihany tamin’ny taona 1893 ka tao anatin’ny 3 volana dia noroahinay tsy hitoetra tany.

Nefa hitanay ankehitriny, fa vato tsy nendahan-tanan’olona io vato notoriny tany aminay io ka manorotoro ny sampinay, ka efa hita fa io vato io dia ho tonga tendrombohitra lehibe manerana ny Bara manontolo, fa maromaro ny Bara no efa kristiana, tsy dia vitsy no mpampianatra, mpitori-teny ary evanjelistra. Misy efa pasteur aza. Nefa mbola midodododo ihany ny tovolahy Baralahy hianatra amin'ny kolejin’ny mission norvegienne hampandroso ny tanin-drazany.

Ireto no hiran’ireo izay efa voababon’i Kristy ho azy ireo ankehitriny :

« Izaho fahiny nahery nandà,
Tsy nety nifidy ny soa,
Fa noho ny herin’ny afo sy ra,
Nanaiky ny foko, fa voa ».

7: Raha ny fitondran’Andriamanitra anay no hotanisaina, tsy mahita fiteny  ambony hilazako azy aho no tsy manana ranom-bolamena hanoratana azy eto, koa izao ihany no hany teny fohy azoko atao : « Misaotra an’Andriamanitra,

Fa voalohany :

Nomeny fanjakana malemy fanahy anankiray hitaiza sy hikarakara dia ny frantsay, izay fanjakana mpitaiza zaza hatramin’ny ela, ka efa zatra sy mahay tsara hanohana ny malemy, hanangana ny potraka, hananatra ny adala, hisokelika ny tsy mahaleho làlana.

Faharoan’izany indray :

Tsy mba nataon’Andriamanitra « hazakazaka arahin-tosika izahay na tano fa azo » tamin’ny faharatsian’ny fanompoan-tsampy, fandratranan’ny jiolahim-panahy avy tamin’izany. Fa nanirahany samaritana tsara fanahy hitsabo sy hikarakara anay mandrak’izao, dia ny mission norvégienne.

Manatona an'i Jesosy

I
Nandehandeha teo an-dalam-be indray maraina tamin’ny fahavaratra. Matanjaka tsara ny tenany, ny tarehiny mamiratra amim-pahasalamana. Ny masoandro namirapiratra, ny vorona nihirahira eo an-daniny. Ny heniheny fiandrasam-biby (ondry ) voaravaka ny voninkazo. Ilay zaza dia sambatra ka tsy nihevitra izay hanjo : Nitsambikina, nihira, nihazazakazaka, ary ny fony dia nieponempona tamin-kafaliana ny fony. Fantany izay tsy maintsy ho hatao raha faly. Koa dia hitany niaraka amin'izay tam-panahy fa Jesosy Kristy no nanome antsika ny tena fifaliana, fa raha faly isika dia Andriamanitra no nanome izany ahy, Kristy, ka dia niantso tao am-po lalina izy hoe : « Andriamanitra ô misaotra anao aho, fa efa nampifalinao ». Izany no fanatonana an’i Krtisty, koa raha faly ianao dia manatona azy misaora azy. 
II
Nisy zazalahy iray nandeha ho any amin'ny sekoly ka nahita ny lesony sarotra dia sarotra. Ireo sakaizany nanahirana azy ka naome hevi-dratsy azy, ka dia hoy izy : « Raha sarotra ny lesona dia aleoko hijanona tsy ho any amin'ny sekoly. » Vetivety dia hoy izy :  « Jesosy Kristy hanampy ahy, raha mangataka azy aho » dia nandohalika izy no niteny hoe : « Ry Jesosy ô, manampia ahy ankehitriny ka manomeza ahy fahendrena, ampio aho hahavita ny lesoko, ary omeo fahalemem-panahy amin'ireo namako ireo aho mba tsy ho tezitra aminy na dia manahirana ahy aza izy ». Izany dia fanatonana an’i Jesosy. Koa dia mangataha fahendrena amin'i Kristy mandrakariva hahazoanao fahendrena sy faharetana amin'ny raharahanao. 
III
Nisy zazavavy tsy nanoa ray aman-dreny indray andro ka niakatra tany an-efitrano ambony hitoetra irery any ohatra ny efa nofaizina, ka nitoetra teo ambony sezam-bory am-pahatezerana sy miteny hoe : « Tsy hifona na oviana na oviana aho. Eny, tsy hanao izany tokoa aho. » Nefa nanaraka izany dia menatra izy ka niteny hoe : « Maditra laotra aho, fa i neny malala dia malemy fanahy amiko » ka dia raraka ny ranomasony, « angamba raha mifona aho dia hamela ahy izy » Dia nalahelo izy ka nanao ny tànany eo an-dohany « Inona no hataoko ? » Dia nanampa-kevitra izy fa ho any amin'ny ray aman-dreniny, izay efa nanotany. Sarotra taminy  anefa izany. Nefa fantany koa fa Jesosy dia maty hamonjy ny mpanota, ka dia nantenainy fa hihaino ny fivavahany izy. Dia nandohalika tamin’alahelo izy ka niteny hoe : « Tompo ô, ratsy dia ratsy fanahy aho, mamelà ny heloko fa mangataka aminao aho ovao ny foko, satria Kristy efa maty hamonjy ny mpanonta. Amen. » Tsaroany ho faly izy noho ny ninoany fa Andriamanitra efa namela ny helony ary nanantena koa izy fa hanao izay koa reniny. Taorian’ny nidiran-dreniny tamin’alahelo sy ory teo am-baravarana dia nihazakazaka izy ka niatoraka teo an-tongon-dreniny teo anolohany nihohoka teo amin'ny aron’akanjony sady niteny tamim-peo malemy hoe : « Neniny malala ô, mifona aminao aho fa tsy hanao izany intsony (haditra ), mamelà ny heloko. » Nefa hoy ny reniny tamim-pahamaontinana : « Tsara izany sombin’aiko, mahafaly ahy ny hanala ny helokao nefa tsarovy fa efa nanota nanohitra an’Andriamanitra ianao. » « Fantatro tsara izany ry neny » hoy ilay zazavavy tamim-pahamaontinana, « ka efa nifona taminy aho, ary nanantena Azy fa hamela ny heloko Izy noho ny fitiavan ’i Kristy. » Faly reniny tamin’izay ka nanoroka an-janany dia niara-paly izy roa no niaina faly indrindra. 

Tapitra

Ny amin’ny finoan’ny Bara

<- Toko X    

Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
1- Ny finoany ny fisian’Andriamanitra
a- Amin'ny fanozonana
b- Amin'ny fianianana
c- Amin'ny fifanaovam-pati-dra
d- Amin'ny fiteny an-davan’andro
e- Amin'ny angano ataony
2- Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy
a- Tsara
b- Nahary ny zavatra rehetra
c- Mahatahotra
d- Mpitsara marina
3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inony
4- Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo
Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
1- Ny isany sy ny karazany
2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo
3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany
Toko III : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
1- Ny tantaran’ny olombelona voalohany
2- Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany
3- Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra
Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana
1- Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy
2- Ny fanavotana noho ny ota mahafaty
3- Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao
Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona
2- Ny fanokanana izay ho mpisorona
3- Izay hatao sorona
4- Ny Antony anaovana sorona
5- Ny fomba fanaovana sorona
a- Raha ny omby no hatao
b- Raha vary no atao
c- Ny sorona ren-janahary
Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany
2- Ny fianarana ny ho ombiasa
3- Ny fandefana ny vita fianarana
4- Izay hatao ody sy fanaovana azy
5- Ny karazan’ody sy ny anton’ny anaovana azy avy
a- Ny karazan’ny ody ratsy na mosavy sy ny fanaovany azy
b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy
Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
1- Ny amin'ny andro
2- Ny vintana fameloman-jaza
3- Vintana eo amin’ny lanitra
Toko VIII : Ny finoany ny amin'ny fambara
1- Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany
a- Ny horohoron-tany
b- Amin'ny vorona sasany
c- Amin'ny biby
d- Eo am-pandehanana :
e- Eo am-pihinanana :
f- Eo am-patoriana :
2- Ny fambara miseho amin'ny lanitra
a- Ny basia mifindra :
b- Ny tarosa :
c- Ny masoandro sy ny volana :
d- Ny afolahy mitsanga :
Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany
2- Ny vokatr’izany fampianarana izany
Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
1- Ny misy izany fitoerana izany
2- Ny toetry ny tany any :
3- Ny fiomanana ho any :
4- Ny toetry ny efa tonga any :