Ny amin' ny finoan’ ny Bara

Ny atao hoe BARA dia ity firenena mifanila-tany amin’ny Betsileo ao an-tapany atsimo ity, mizara ho firenena telo izy :
Ny Bara atsinanana (fari-tanin’ny Ivohibe ) : « Bara–Tanala » no anaovan’ny Bara any andrefana azy noho izy mifanila-tany amin'ny Tanala.
Ny Bara afovoany (fari-tanin’Ihosy ) « Bara » no anaovana azy.
Ny Bara andrefana (fari-tanin’Ankazoabo ) « Bara-Imamono » no iantsoana azy.
Izany ny anaran’ny fizarazaran’ny Bara araky ny misy azy avy, fa aoka handinika ny finoany.

Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra

Maha-te-hanontany ny ahitana io loha-teny io fa ny firenena ambany sy baribariana toy ity mba mino ny fisian’Andriamanitra ihany. Koa dia mitranga ao an-tsaina ireto fanontaniana efatra ireto :
1. Inoan’ny Bara va, fa misy Andriamanitra ?
2. Ahoana no fomban’Andriamanitra araky ny finoany Azy ?
3. Andriamanitra firy no inoany ?
4. Aiza no toerana misy an’Andriamanitra araky ny heviny ? dia halahatra tsirairay avy ireo fanontaniana ireo hahitana ny finoany ny amin'Andriamanitra. 

1 Ny finoany ny fisian’Andriamanitra

Ity finoan’ny Bara ny fisian’Andriamanitra ity dia miseho amin'ny fomba sy fiteny an-davan’andro.

a Amin'ny fanozonana

Raha miady ny zaza amam-behivavy dia mifanozona hoe : « Alain-janahary » na « Vonoin-janahary ». Izany mampiseho fa misy Zanahary mamono na maka.

Ny olona manan-janaka ratsy fanahy ka efa tsy leo anarina ilay zaza fa manao tsinontsinona ilay rainy na reniny, dia malahelo ny ray aman-dreniny ka manozona azy : Tondrahany rano ny kihony ka afafiny any an-danitra ; sasany koa ny nonony dia afafy miakatra koa. Miteny amin'izay izy hoe :  « Ran-tanako ran-tongotro, eny, aiko aza hianao nefa mafy laotra izao ataonao ahy izao ka ren-janahary, hitan’ny Ndriananahary : koa veloma ny ainao, soàva ny tenanao, miteraha zaza maro, mitomboa fananana, nefa izao ataonao ahy izao mba hataon’ny zanakao anao ».

Amin'izany dia hita fa mino ny fisian’Andriamanitra ny Bara ka fantany fa mahita ny ratsy ataon’ny olona Izy sady mamaly izany. 

b Amin'ny fianianana

Ny lazain’ny olona fa manao ratsy (mangalatra, ets.) nefa tsy misy vavolombelona mazava mahatoky amin'izany, dia fianianana no anefana azy. Indraindray fianianana am-bava ihany toy ny miantso an’Andriamanitra haniraka ny varatra hamely ilay olona, raha nanao ratsy izy, sy maingoka hanaikitra eo an-tany itoerany eo ihany, ary hiaro azy amin'ireo loza ireo kosa, raha mba tsara ihany no nataony. Ny sasany indray ampilomanosina amin'ny rano lalina masia-boay ka antsoina koa Andriamanitra hibaiko ny voay hihinana azy, fa hitondra azy soa aman-tsara  ho eny am-pita raha tsy nanao izany izy. Miseho amin'izany koa ny finoany ny fisian’Andriamanitra Ilay tsy mba misakaiza amin'ny ratsy fanahy, nefa tsy mamono ny marina tsy miaraka amin'ny ratsy.

c Amin'ny fifanaovam-pati-dra

Fifanekena ataon’olona roa na maro hihavana sy hifanavo-drekitra no atao hoe : « fati-dra ». Raharaha sarotra io, fa ny tsy nifankahazo am-po teo aloha no hatao ho fo iray. Ny samy hafa razana no hatao tena iray. Koa dia antsoina Andriamanitra, izay mahita ny miafina sy mahalala ny takona. Na ny am-po tsy miloaka aza, hanatrika io raharaha io ka izay mivadika ny fanekena dia hamonoan’Andriamanitra fito ny havany ary ho maty koa ny tenany izay mivadika rahateo. Izany fanao izany no ahitana ny finoany ny fisian’Ilay Andriamanitra te-hampihavana ny olona rehetra, na jiosy na grika, ka mamaly izay mandrava izany fanekena izany.

d Amin'ny fiteny an-davan’andro

Izay mikasa hanao zavatra, nefa tsy tanteraka fa azon-tsampona, dia manao ilay
 ohabolana hoe :
1- « Kinia an’olo, jaka an-Janahary » (fikasana an’olombelona, lahatra an’Andriamanitra). Ny tsy ahazoana manambaka ny adala hoe : 2- “Ny maala no tsy fitahy, ny Zanahary no atahora ».

Ny marary nasian’ny ombiasa ody, nefa tsy sitrana fa maty dia miteny izy hoe : 3 - « Ny Zanahary miditra eo am-baravaran-kely fa ny ombiasa kosa miditra etsy am-baravaram-be”.

Ny Zanahary mandray ny ainy avy eo an-doha, fa ny ombiasa kosa mitana ny tenany etsy an-tongotra ; dia mahery ny Zanahary, ka maty ny marary, ary tongany ny ainy.

Raha te hampiseho ny mahasamihafa an’Andriamanitra sy ny ombiasa izy, dia miteny hoe : 4- « Ny ombiasa tao am-pon’olona, ny ody tao am-pon-kazo, fa ny Zanahary ao an-tampon’ny lanitra ambony fipetraka, fa ambany fijery». Mitranga amin'izany koa ny finoany ny fisian’Ilay Tsitoha manerana izao rehetra izao. 

e Amin'ny angano ataony

Saiky manerana ny angano rehetra ataon’ny Bara, indrindra fa ny fanaon’ny vavy  antitra amin'ny zafikeliny dia mikasika ny amin'Andriamanitra ka mampiseho ny finoany ny fisian’Andriamanitra. Ny sasany milaza ny nanaovan’Andriamanitra ny olona voalohany sy ny nifampiraharahany taminy ary ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona ka manjaka mandraka ankehitriny (ho lazaina amin'ny toko III manaraka izany). Tena mahafinaritra aza ny sasany ka mila hitovy amin'ny voalazan’ny genesisy. Ary manamarina fa iray fototra ihany ny olona.

Izany rehetra izany dia mampiseho, fa manana tanam-pahazana kely ahitany ny Bara fa misy tokoa Andriamanitra, nefa ny aizina manarona ny tany ary ny aizim-pito manarona ny firenena ka dia tsy mahita Azy tanteraka izy.

2 Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy

a Tsara

Ny fahatsarana rehetra na amin'ny tarehy, na amin'ny fitsanganana na amin'ny toetoetra hafa, dia tampitr’ohatra amin'izany Andriamanitra fa tena tsara tokoa Izy hoy ny Bara. Koa raha misy olona tsara tarehy iny dia ataony hoe : « mba olona soa io lealahy hoatra ny Zanahary latsaka an-tany, eny, tsy hoatra ny naterak’olona fa hoatra ny naloan-Ndriananahary » Raha omby koa no tsara volo dia ataony koa hoe : « Zanaharin’omby irony (izany) raha ny asoan’ny volon’omby no heverina » Ny olona saiky niharan-doza nefa afaka soa aman-tsara dia vaky vava hoe : « Zanahary soa na Ndriamanitra tsy tia ratsy no nahafaka ahy tamin’izany loza izany » 

b Nahary ny zavatra rehetra

«Tampony ambony indrindra amin'ny fahaizan-javatra Andriamanitra» hoy izy «ka raha mba misy olombelona mahafaran-javatra dia mila hanahaka an’Andriamanitra izy amin'izany nefa mbola latsaka satria tsy mahay aina sy ny ra. » Noho izany, raha mahita ny milina isan-karazany, sary, famantaranandro maneno isan’ora, etc izy, dia vaky vava hoe : « Saiky ho no Zanahary anao (ihany) io olo atao vazaha io amin'ny fahaizan-javatra, feny (nefa) ny aina sy ny ra tsy hainy io avao (ihany) no mahalatsaka azy tsy itoviany Aminy. »

c Mahatahotra

Aretina mahazo ny firenena mpivavaka amin'Andriamanitr’izy rehetra ity tahotra an’Andriamanitra ity, ka manjoa ny Bara koa izany aretina izany. Heveriny fa andriana lozabe tsy azo ifampiraharahana akory Andriamanitra, na mba azo antsoina hiara-mitoetra ao an-tranon’ny tena akory aza, indrindra moa fa ny antsoina toy ny fanaon’ny kristianina hoe : « midina ao anatin’ny fonay hitari-dalana. »

Noho izany teo aloha dia nanahirana ny hanorina trano fiangonana teo akaiky ny tranon’ny Bara, « fa trano iantsoana an’Andriamanitra isan’andro ireo » hoy izy « ka mampasia-baratra, satria Andriamanitra masiaka no monina ao anatiny. »

Ny tanàna vao nifindrana vaovao nefa nisy olona roa na telo maty teo sahady dia ialana indray io tanàna io ka manorina hafa indray, fa io dia tanàna misy Zanahary ka mamono olona. 

d Mpitsara marina

Tamin’ny fianianana, raha afaka soa aman-tsara ilay nampianianina, dia afa-po ny mpitsara sy ny mpampianiana, satria Ilay mpitsara marina no nanamarina azy.

Ny olona nasian-tsoa nefa namaly ratsy dia ankininy amin'Andriamanitra hoe : « Soa ihany no nataon’ny raiko na aho anao, nefa valianao ratsy ; koa Andriamanitra no hamaly antsika amin'izany izay nanao ratsy. »

Ny mpanjaka roa tonta ka ny anankiray tsy manahy fa ny anakiray mila ady aminy ka manafika azy dia mivoaka ilay iray tsy manahy arahin’ireto vahoakany maro vonona hitsena ny tafika hiady. Nefa rarany ireo olona ireo tsy hisy hiady na hitifitra alohan’ny hanaovany tatalefo, izany hoe : Fanolorany ny adiny ho eo an-tànan’Ilay mpitsara marina. Toy izao no fanaovany izany : Alainy ny volamena na volafotsy ka ankambany amin'ny basiny dia lolohaviny ka mitodika miatsinanana izy no miteny hoe : « Ianao Zanahary any ambonin’ny loha mahita ny ataon’ny olona rehetra, mikaike (miantso) Anao aho mbahitsara ity adinay ». « Raha sendra niteny ratsy na nanevateva an-dR... (ilay mpanjaka hiady aminy) ka nahatezitra azy aho, ka izany no anton’ny anafihiny ahy, marina ny azy, ka ho lefona ho basia (bala) ny azy ka handresy ahy. Fa ny ahy kosa ho rano sy fotaka ka tsy hahalaitra azy. Nefa kosa raha mba tsy maninona azy aho fa mitoetra soa eto amin'ny fanjakako tsy mihevitra zavatra hafa afa-tsy izay hahasoa ny fanjakako hiadanan’ny vahoaka hampandry fahalemanan’ny tany dia marina ny ahy ka hahery aho ka ho retsy izy, ho lefona ho basia ny ahy fa ho rano sy ho fotaka ny azy».  Rehefa vita io teny io dia mampimpoaka basy indraim-bava izy atondrony ery amin'ny fahavalo. Tora-kovitra ilay hanafika mahita io tatalefona io ka mazàna mody maina ny sasany.

Izany fahalalana an’Andriamanitra izany ho mpitsara marina izany dia zavatra velona tsara tao am-pony ka toy ny fefy lehibe nataon’Andriamanitra hiarovana ny baribarianina tsy hifamono sy hifandringana tsy misy antony. 

3 Ny isan’ny Andriamanitra izay inony

« Tsy iray Andriamanitra » hoy izy « fa maro ary ny olona rehetra dia samy manana Andriamanitra iray avy izay samy andriamaniny. » Ny andro iainan’ny olona dia miankina amin'ny toetr’io andriamaniny io avy. Ny manan-Tompo Ilay Andriamanitra be fiantra tsy mahafoy mason-javatra ho vonoina, fa onena azy dia matam-belo (tratr’antitra) vao maty. Fa ny manana ilay Andriamanitra ratsy fanahy izay tsy mba manan-kevitra hafa afa-tsy ny  zavatra ho vonoina ihany, dia maty mbola tanora.

Ny anaran’ireo Andriamanitra ireo dia tsy misy fantatra hono. Nefa misy enina lehibe izay ambonin’izy ireo ka fantatra tsara ny anarany dia ireto :

  1. Ndriananahary na ny Zanahary
  2. Ndrianaboabo
  3. Ndrianatomoa
  4. Ndrianakatsakatse
  5. Ndrianafotrea
  6. Ndrianabolisy

Amin'izy ireo anefa dia ny voalohany ihany (Ndriananahary) no lehibe sy mpanjakan’ny rehetra sady Izy no mahery ka namorona ny lanitra sy ny tany, fa lefiny sy mpanampy azy ihany ireo namany. Na dia lefiny aza, hono, ireo dia mahazo manome fitahina ho an’izay mangataka aminy.

4 Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo

Ny misy ireo Andriamanitra sasany ireo dia tsy hita loatra ny tantarany ny amin'izay tany misy ireo. Fa ireto 6 ireto kosa no fantatra fa tsy ety an-tany, hono, fa any an-danitra. Mahazaka volamena no tohatra fiakarany ho any. Tany mahafinaritra, hono, ny tany misy Azy any an-danitra any izao. Tranovy no tranony any. Fitoeram-bolafotsy no seza fipetrahany. Ny zavatra rehetra izay mahafinaritra ety an-tany, hono, dia misy any an-danitra avokoa. Tsy hita ho lazaina ny enta-maika (fanaka madinika ao an-trano) izay fananan’Andriamanitra. Maro ny andevony, hono, ka tsy tambo isaina. Ireo dia manompo Azy.

 Na dia toa lavitra any an-danitra izay aza Izy dia mahazo midina tany ihany hihaino ny fitarainan’izay mangata-javatra aminy na andro na alina fa tsy voafefy izy.

 Raha misy zavatra tiany ho lazaina amin'ny ombiasa sy ny mpanonofy koa dia midina tany Izy hono, raha alina hanambara izany. 

Ny amin’ny finoan’ny Bara

    Toko II ->

Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
1- Ny isany sy ny karazany
2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo
3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany
Toko III : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
1- Ny tantaran’ny olombelona voalohany
2- Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany
3- Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra
Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana
1- Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy
2- Ny fanavotana noho ny ota mahafaty
3- Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao
Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona
2- Ny fanokanana izay ho mpisorona
3- Izay hatao sorona
4- Ny Antony anaovana sorona
5- Ny fomba fanaovana sorona
a- Raha ny omby no hatao
b- Raha vary no atao
c- Ny sorona ren-janahary
Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany
2- Ny fianarana ny ho ombiasa
3- Ny fandefana ny vita fianarana
4- Izay hatao ody sy fanaovana azy
5- Ny karazan’ody sy ny anton’ny anaovana azy avy
a- Ny karazan’ny ody ratsy na mosavy sy ny fanaovany azy
b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy
Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
1- Ny amin'ny andro
2- Ny vintana fameloman-jaza
3- Vintana eo amin’ny lanitra
Toko VIII : Ny finoany ny amin'ny fambara
1- Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany
a- Ny horohoron-tany
b- Amin'ny vorona sasany
c- Amin'ny biby
d- Eo am-pandehanana :
e- Eo am-pihinanana :
f- Eo am-patoriana :
2- Ny fambara miseho amin'ny lanitra
a- Ny basia mifindra :
b- Ny tarosa :
c- Ny masoandro sy ny volana :
d- Ny afolahy mitsanga :
Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany
2- Ny vokatr’izany fampianarana izany
Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
1- Ny misy izany fitoerana izany
2- Ny toetry ny tany any :
3- Ny fiomanana ho any :
4- Ny toetry ny efa tonga any :
Toko XI : Farany