Toko III : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana

 « Ny Zanahary izay nahary ny tongotra aman-tànana » hoy izy « no nahary ny lanitra sy ny tany  ». Ny tantara milaza madinidinika ny nanaovan’Andriamanitra izany dia tsy misy, angano sy lovan-tsofina sisa mbola nanatahiry izany eo amin'ny Bara, fa inoany fotsiny izao fa ny Zanahary no nahary izao rehetra izao tany aloha ela tany. Ny niandohan’ny olona no mbola nisy nahatahiry tamin'ny lovan-tsofina ireo ntaolo konkalahy ireo. Ny tantara amin'izany no halahatra eto  fa rakitra miafina tao am-pon’ireo razam-be nifandimby ireo izany. Na dia efa niova be aza taty aoriana noho ilay nahazoana azy voalohany, satria tsy voasoratra. 

1 Ny tantaran’ny olombelona voalohany

Anti-dahy 2 sy ombiasa maromaro eo amin'ny Bara no mbola nahatahiry izao ho lazaina izao. Ireo anti-dahy ireo dia Ranovelo, Tsihekeny : « Lehilahy anakiray atao hoe Idama no olombelona voalohany indrindra teto ambonin’ny tany » hoy izy. « Nanana omby sy ondry ary osy betsaka izy io, nefa tsy nanam-bady ka sahirana. Indray andro anefa dia niakatra tany an-danitra izy hangataka namana amin'i Ndriananahary ho namany sy hahandro hanina ho azy, fa izy kosa sahirana ny fikarakarana ireo fananany. Nanaiky hanome azy Ndriananahary nefa nilaza taminy fa anio hariva dia ho tonga any hitondra namana ho azy Izy fa mbola sahirana manamboatra ny adin’ireo mpanompony Izy izao ka tsy afaka. Hariva ny andro nefa mbola tsy tonga Ndriananahary hitondra namana ho azy, koa dia natory izy fa trotrakin’ny hain’andro tany an-dàlana. Tonga tokoa Ndriananahary nitondra vehivavy iray ho nanamany. Tsy namoha an’Idama Izy satria fantany fa matory noho ny alahelony sy ny hahasasarana tany an-dàlana, fa nampandry an-drahavehivavy teo akaikiny ka lasa ho any an-danitra.

Maraina ny andro ka nifoha Idama dia ity vehivavy mandry eo anilany. Tsaroany niaraka tamin’izay ny fangatahiny ka namadika an-dravehivavy izy (ny tenin’ny Bara hoe mamadika dia mitovy amin'ny hoe mampifoha ny mihohoka) dia nifoha ravehivavy ka nitodika nanatrika an’i Idama. Faly hono tamin’izay Idama ka nanao hoe : « Ahy aza ity fa navadiko, sady nomen’ny Ndriananahary ahy » Izany no nihavian’ny tenin’ny Bara hoe : « vidy » avy amin'ny teny nataon’Idama voalohany hoe : « vadiko na navadiko ». Tamin’izay dia mbola tsy nahalala ny anaran’io vadiny io Idama, fa menatra rahavehivavy ka tsy nety nilaza ny anarany taminy. Fa tonga Ndriananahary ka nanambara ny anarany tamin’Idama fa Ihaova no anarany ka nomeny azy ho valin’ny fangatahiny.

Koa amin'izany araky ny nolazain’ny ombiasa Bara, dia atao hoe : Idama, raha lahy ary Ihaova, raha vavy ny zaza ateraka amin'ny andro alarobia vintana Alahamaly ; ary raha ampivadiana ny zanak’olona samy hafa teraka amin’io andro sy vintana io dia hiteraka hatramin’ny 12 izy, 6 vavy, 6 lahy, satria nahazo ny vintan’ny andron’Idama sy Ihaova, izay razam-ben’ny olona rehetra izy. 

2 Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany

Niadana tsara hono izy mivady  tamin’izay sady nanan-karena indrindra ary tsy misy Bara manana omby azo ampitahaina amin'ny azy mandraka ankehitriny. Ireny omby haolo (omby manga) ireny, dia mbola isan’ny ombiny avokoa, fa tsy zakan’ny zanany taty aoriana ka nimparitaka. Nifanerasera tsara tamin’i Ndriananahary koa izy mivady. Indraindray nidina Izy hamangy an’Idama mivady, fa indraindray kosa dia izy mivady no niakatra an-danitra ka variana ny nifampiresaka tamin’ireo andevon’i Ndriananahary ireo. Tena finaritra ery hono izy fahaizay. Noho izany dia matetika no alina dia alina vao midina tany, fa variana ny fahafinaretana ao an-danitra.

Tsy naharitra anefa izany toetrany izany taty aoriana fa nangataka tamin’Andriamanitra izy mba ho marobe toy ny any an-danitra, fa mangina laotra ny aty an-tany mila tsy hahatamana. Tsy nanome azy niaraka tamin’izay Andriamanitra fa nampifidy azy hoe :  « Raha tianareo ny ho maro dia hanao fatin’akondro hianareo : maty ny ray aman-dreny dimbiasan’ny zaza, nefa raha tsy tohanareo izany, dia hanao fatim-bolana : maty isaky ny efatra herin’andro nefa tsy ho maro, fa ianareo ihany maty mbola ho velona. Aoka hifidy ianareo ny amin'izany ! ». Nangatak’andro hono izy mivady mba hahitana izay ho raisina sy hieritreretany tsara fandrao diso fifidy ka manenina, nefa tsy ho azo averina ny efa vita.

3 Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra

Niady mafy ny safidiny izy mivady tamin’izany fampifidianana azy izany : Handray ny hanao fatim-bolana moa, toa halemy ka tsy hahavita na inona na inona, raha ho faty isam-bolana sady tsy ho maro na oviana na oviana koa anefa izany no nangatahina. Handray ny hanao fatin’akondro indray, ka maty mamela taranaka  maro : mafy koa izany mamela taranaka (zaza kamboty) maro aty afara tsy misy mpihay izany, eny, mangidy ny hisarahana amin'ny zanaka malala maro. Nefa tsy maintsy ho raisina ny anankiray amin'ireo ka ny ho fatin’akondro no ho raisina mba hisy taranaka dimby sy fara aty afara.

Izany no nahatonga ny fahafatesana taty an-tany ka tsy mitsahatra mandraka ankehitriny. Idama mivady hono ilay pentipentina eo amin’ny volana iny rehefa feno volana, ka mijery antsika zanany eto ambonin’ny tany.

Noho io fanekena vita io dia malahelo mafy ny Bara raha ho faty nefa tsy mba namela zanaka aty afara ho dimby. Fa izay niteraka kosa dia mahazo toky sy fiononana ary ny havany kosa mionona amin'ireto zanany. Ireo zanany ireo koa no entin’ny olona hitsampa alahelo ny havany hoe : « Aza be ranomaso ianareo fa ireto zanany no solony sady mahazo ny miakandrefam-baravarana rehetra izany. » Izany ary ny amin'ny tantaran’ny olombelona voalohany araky ny finoan’ny Bara.  

Ny amin’ny finoan’ny Bara

<- Toko II Toko IV ->

Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
1- Ny finoany ny fisian’Andriamanitra
a- Amin'ny fanozonana
b- Amin'ny fianianana
c- Amin'ny fifanaovam-pati-dra
d- Amin'ny fiteny an-davan’andro
e- Amin'ny angano ataony
2- Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy
a- Tsara
b- Nahary ny zavatra rehetra
c- Mahatahotra
d- Mpitsara marina
3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inony
4- Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo
Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
1- Ny isany sy ny karazany
2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo
3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany
Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana
1- Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy
2- Ny fanavotana noho ny ota mahafaty
3- Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao
Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona
2- Ny fanokanana izay ho mpisorona
3- Izay hatao sorona
4- Ny Antony anaovana sorona
5- Ny fomba fanaovana sorona
a- Raha ny omby no hatao
b- Raha vary no atao
c- Ny sorona ren-janahary
Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany
2- Ny fianarana ny ho ombiasa
3- Ny fandefana ny vita fianarana
4- Izay hatao ody sy fanaovana azy
5- Ny karazan’ody sy ny anton’ny anaovana azy avy
a- Ny karazan’ny ody ratsy na mosavy sy ny fanaovany azy
b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy
Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
1- Ny amin'ny andro
2- Ny vintana fameloman-jaza
3- Vintana eo amin’ny lanitra
Toko VIII : Ny finoany ny amin'ny fambara
1- Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany
a- Ny horohoron-tany
b- Amin'ny vorona sasany
c- Amin'ny biby
d- Eo am-pandehanana :
e- Eo am-pihinanana :
f- Eo am-patoriana :
2- Ny fambara miseho amin'ny lanitra
a- Ny basia mifindra :
b- Ny tarosa :
c- Ny masoandro sy ny volana :
d- Ny afolahy mitsanga :
Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany
2- Ny vokatr’izany fampianarana izany
Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
1- Ny misy izany fitoerana izany
2- Ny toetry ny tany any :
3- Ny fiomanana ho any :
4- Ny toetry ny efa tonga any :
Toko XI : Farany