Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro

Na iza na iza hanao zavatra dia tsy maintsy manontany ny ombiasa aloha izy na mety araky ny andro sy ny vintana izao zavatra kasainy hatao izao na ahoana ? Fa ny finoany ny ombiasa dia ambony degré mihintsy : amin’ny fitsaboana marary dia dokotera izy ;  amin'ny filazana ny zavatra ho avy dia mpaminany izy, amin'ny fanaovan-teny ampy hilazan-kevitra dia olon-kendry, amin'ny fandinihina ny kintana (vintana) eo amin'ny lanitra dia Astronoma, amin'ny fanaovana fañala (ody tsara) dia fihavian’ny soa sy mpiaro amin'ny ratsy izy. Nefa amin'ny famosaviana (ody ratsy) dia izy no fototra mahatonga ny aretina sy ny fahoriana amam-panaintainana miteraka fahafatesana ka mahatahotra. Koa dia izy no tsy maintsy hanontaniana ny zavatra rehetra hatao. 

1 Ny amin'ny andro

Ny andro dia zarazarainy ho samy manana ny tany nihaviany avy :

- Ny alahady dia avy any avaratra ka mianatsimo. Koa raha misy mampaka-bady amin'io andro io ka entina mianatsimo, dia ho rava faingana hono izany fanambadiana izany,  satria tsy avelan’ny andro alahady hitoetra ela any rahavehivavy fa entiny mianavaratra raha miverina izy

- Ny talata andro avy any atsimo, ka raha entina mianatsimo ny vady hakarina amin'io andro io, ka asiana vato kely ao anatin’ny entany dia mila hanadino ny ray aman-dreniny hono izy raha tsy tenenina vao mety hamangy azy

- Ny andro alakamisy dia avy any andrefana. Koa raha misy marary ka entina miakandrefana dia maharitra ela hono izy vao sitrana satria tanan’io andro io ka tsy afaka hiverina vetivety

- Ny andro zoma avy any atsinanana, koa raha misy olona miady amin'io andro io, ny iray avy any atsinanana, ny iray kosa avy any andrefana dia tsy maintsy hahery hono ilay avy any atsinanana fa azy ny andro, ka izy sy ny andro  no miandany hiady amin’ilay olona avokoa.

Ireo andro efatra ireo hono dia « fixe » amin'izany lalàna arahiny izany, fa ny andro telo sisa (alarobia - alakamisy - asabotsy) dia tsy mba azo tondroina hoe : avy atsy na ary, fa indraindray avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana izy ireo araky ny vintana. 

2 Ny vintana fameloman-jaza

Tsy sendrasendra foana hoy izy ny ahaterahan’y zaza fa tsy maintsy mandeha araky ny vintana izy. Ny ho toeny koa dia arak’izay kirakteran’io vintana ahaterahana azy io. Ny sasany olona falifaly mandrakariva, ny sasany faly mora tezitra na mora malahelo. Ny sasany indray tsy mihotsin-javatra na inona na inona, na fahoriana na fifaliana. Ny olona sasany indray dia ateraka ho mpanjaka hatrany an-kibon-dreniny. Ny sasany ho andevo. Ny ho toetra ny olona tsirairay dia  efa voalahatry ny vintana daholo, ka izay teraka dia samy manana ny azy. Noho izany raha teraka ny zaza dia lazain’ny ombiasa miaraka amin'io koa ny ho toetrany, rehefa lehibe izy na ho tsara na ho ratsy.

Roambin’ny folo no isan’ny vintana ka isaky ny vintana tsirairay dia misy anaran’olona roa avy : Ny iray lahy ary iray vavy. Nefa misy vintana anankiray farany izay manana anaran-javatra 4 ao aminy dia 2 vavy ary 2 lahy. Dia halahatra eto ary ireo vintana ireo sy ny zaza ateraka aminy, ary ny andro hahaterahana azy hatao indray mijery.

Ny vintana Ny zaza ateraka Ny andro
Lahy Vavy iterahana azy
1 Alahamaly Idama Ihova Alarobia
2 Asaoro Sambo Sama Kamisy
3 Alilojoja Isoja Isija Asabotsy
4 Asarata Masa Masy Asabotsy
5 Alahasady Hasa Tema Kamisy
6 Asombola Ihoba Ivola Talata
7 Alimija Imonja Imija Kamisy
8 Alakarabo Moha Imana Alarobia
9 Alakaosy Ijo Isija Alatsinainy
10 Alijaly Maro Ikajy Alahady
11 Adalo Iharo Ivaha Alarobia
12 Alohotsy Ibilo
Tananora
Solay
Marinelo
Zoma

Satria Idama sy Ihaova no ataon’ny Bara ho ray aman-dren’ny olombelona rehetra dia izy koa no mialoha anarana eo amin'ny vintana mitondra ireto zanany manaraka. Noho ity vintana ity mandahatra ny andron’ny olona hatramin’ny ahaterahana, dia atao hoe : « vintana fameloman-jaza » izy.  

3 Vintana eo amin’ny lanitra

Kintana milahatra tsirairay sy tsiroaroa ary tsitelotelo ity ataony hoe : vintana ity. Ary ireo kintana ireo dia samy hoameny anarana toy ny anaran’ny olona eto an-tany.

Toy izao ny filaharan’izany :

Roa mifanandrify eo anolohany indrindra dia ataony hoe tandrony, famantarana ny zanak’andriana tsy manana fanjakana io ka omeny anarana hoe : anakova tsy manjaka. Kintana mena mamirapiratra no manaraka io ; ombiasa no ataony anarany ; raha iaran-doza hono io kintana io dia ombiasa rehetra no voa.

Ny kintana roa manarakaraka an’io, dia ataony hoe : ny vadin’ny ombiasa sy ny zanany.

Manaraka ireo indray dia kintana roa mifanolotra ohatra ny kambana tsy hita akory izay isarahany raha tsy dinihina ela dia ela izy ; vehivavy  bevohoka no ataony anaran’io kintana io.

Kintana telo mifandrify manao toy ny orin-toko ; mpanefy no ataony anarany.

Farany dia kintana manao fari-bala iray dia fatifaty ; (rovan’ny mpanjaka, misy kintana maromaro mitsitokotoko ao anatiny ireo hono no tranon’akohon’ny mpanjaka.

Ny fari-bala faharoa dia ny tananan’ny vahoaka, ny kintana maromaro mitsitokotoko eo anatiny dia heveriny ho ny zavatra rehetra fananan’ny olona ety ambonin’ny tany.

Ny fari-bala fahatelo dia ny sarin’izao tontolo izao. (tsarovy anefa fa raha manao hoe « izao tontolo izao » ny Bara dia tsy mahalala ny an-dafy fa Madagasikara).

Isam-bolana dia misy famantarana miseho hono amin’ireo kintana ireo ny amin’izay hiseho ety ambonin’ny tany na dia ny fahafatesan’ny olona tsirairay aza, satria efa voasary eo avokoa ny zavatra rehetra arak’izay efa nolazaina teo. Koa indray mandeha isam-bolana dia tsy maintsy handinika ireo kintana ireo ny ombiasa fa hiharan-doza izy, hahitana koa ny loza tsirairay ho ety an-tany. 

Ny amin’ny finoan’ny Bara

<- Toko VI Toko VIII ->

Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
1- Ny finoany ny fisian’Andriamanitra
a- Amin'ny fanozonana
b- Amin'ny fianianana
c- Amin'ny fifanaovam-pati-dra
d- Amin'ny fiteny an-davan’andro
e- Amin'ny angano ataony
2- Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy
a- Tsara
b- Nahary ny zavatra rehetra
c- Mahatahotra
d- Mpitsara marina
3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inony
4- Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo
Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
1- Ny isany sy ny karazany
2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo
3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany
Toko III : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
1- Ny tantaran’ny olombelona voalohany
2- Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany
3- Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra
Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana
1- Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy
2- Ny fanavotana noho ny ota mahafaty
3- Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao
Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona
2- Ny fanokanana izay ho mpisorona
3- Izay hatao sorona
4- Ny Antony anaovana sorona
5- Ny fomba fanaovana sorona
a- Raha ny omby no hatao
b- Raha vary no atao
c- Ny sorona ren-janahary
Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany
2- Ny fianarana ny ho ombiasa
3- Ny fandefana ny vita fianarana
4- Izay hatao ody sy fanaovana azy
5- Ny karazan’ody sy ny anton’ny anaovana azy avy
a- Ny karazan’ny ody ratsy na mosavy sy ny fanaovany azy
b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy
Toko VIII : Ny finoany ny amin'ny fambara
1- Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany
a- Ny horohoron-tany
b- Amin'ny vorona sasany
c- Amin'ny biby
d- Eo am-pandehanana :
e- Eo am-pihinanana :
f- Eo am-patoriana :
2- Ny fambara miseho amin'ny lanitra
a- Ny basia mifindra :
b- Ny tarosa :
c- Ny masoandro sy ny volana :
d- Ny afolahy mitsanga :
Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany
2- Ny vokatr’izany fampianarana izany
Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
1- Ny misy izany fitoerana izany
2- Ny toetry ny tany any :
3- Ny fiomanana ho any :
4- Ny toetry ny efa tonga any :
Toko XI : Farany