Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana

Tsy maintsy tsarovana fa ny tenin’ny Bara hoe : « Tiva » na « tahy havoa » no adika eto hoe : « ota » izay mbola ho lazaina manaraka, dia izay rehetra mahatonga aretina sy fahoriana mbanin’ny fanaintainana maro samihafa. Koa izay mahafaka amin'izany no ataon’ny Bara hoe : « avotra » ka raha lazaina eto ny momban’ny fanavotana dia tsy ny fanavotana lazain’ny baiboly no heviny aminy, fa namanaman’ny ody sy ny fivavahana momba izany. Ny tontalibeny dia izay hanafaka ny nofo amin'ny fahoriana sy ny fahasahiranana, toy ny aretina. 

1 Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy

Raha misy olona marary dia heveriny  fa nisy zavatra nahadiso azy tamin’Andriamanitra no nahatonga izao aretina izao taminy. Nefa misy toetra 2 ny mahatonga ny fahadisoana dia izay diso tsy nahay sy ny tsy fahafantarana, ary zavatra dia hita sy fantatra fa halan’Andriamanitra nefa inianana atao. Koa raha sendra nandeha ka nifandona tamin’Andriamanitra tao an-dàlana dia tsy maintsy hamparary ilay olona hono izany na dia fahadisoana tsy nahy aza. Mba hanafaka azy amin'izany dia tsy maintsy hanao fanavotana izy ho an’ny tenany ka hialan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fanao amin'izany dia ny mitondra akoho ho any amin'ilay toerany heverina ho nifandonana tamin’Andriamanitra. Vonoina ny akoho raha tonga ao : ny lohany, ny elany, ny tongony ary ny tsinainy tohizina tsara amin'ny hazo ireo ka atao somary miantsinanana ny lohany. Raha tàhiny marary mafy ilay olona dia ny havany no misolo azy manatitra ireo akoho ireo. Atono ho masaka tsara ny hena sisa eroa anaty afo, ka nony masaka dia  analana isan-karazany ka apetrapetraka eo ambonin’ny kitrely kely (altara) izay efa namboarina tao anatin’ny nitonoana ny hena. Rehefa vita izany dia misiaka in-telo izy ka miteny hoe : « Ianareo Zanahary atsinanana, avaratra, andrefana, atsimo avia fa mikaike (miantso) anareo ahay noho ny aretin-dR… (tononona ny anaran’ilay marary) fa nahavoadona anareo, hono, izy ka hitan’ny mpisikidy ambaran’ny ombiasa fa nahatezitra anareo izay ; koa dia midodododo mitondra ity akoho ity izahay hifonana aminareo sy hamidy ny ainy, ka votsoro (avelao) soa votsoro maeva (tsara) izy. Ity akoho ity no avotry ny ainy. Ny ainy dia avotry ny ainy rahateo ny lohany avotry ny lohan’ny marary koa ary ny tongony avotry ny tongony, ka ity no ento ho anareo, fa ny marary avalao ho sitrana, fa hitanareo koa moa fa tsy mana-maso hahita anareo izy, fa maso fiandry loha ihany no ananany, ary tsy manan-tsofina handre ny teninareo, fa sofina mpihaino gado (varatra) ihany no ananany ka tsy mandre ny teninareo ».

Dia vita amin’izay ny avotra ny marary ka ny hena sisa teroa anaty afo dia hanin’ny mpanatitra. Dia mody tsy manan’ahiahy intsony fa efa nahavita avotra. Ny nahavoadona na nahazo nanitsaka ny tranon’ireo fanahy ratsy ireo dia atao tahak’io voalaza io koa ny fanambatambazana azy mba hamelany ny marary ho sitrana na tsy hamparariany izay mbola tsy narary. 

2 Ny fanavotana noho ny ota mahafaty

Maro dia maro hono ny zavatra ataon’ny olona no tena mahadiso be vava eo anatrehan’Andriamanitra mahatezitra Azy ka hampararin’ny olona sy hahafaty azy aza. Koa dia hitan’ny ombiasa fa tonga amin'ny toetra rabe mandriaka sy hena feno trano ny tanàna, itsivalanan’ny (sakanan’ny) lanjam-paty  tsy azo dikana ny vavahady. Ny tenan’ny marary koa ilatsahan’ny trobo (very) eo imaso. Koa dia ho faty ny marary raha tsy hanaovana fanavotana mahafaka azy izany ota mahafaty efa miraikitra amin'ny tenany izany. Tsy mba vitan’akoho intsony ity fa dia omby mihintsy.

Rohizina ao atsinanan-trano ny omby ho avotra, ka atao lava ny mahazaka androizana azy mahatratra hatrany an-trano tànanan’ny marary ny tapany any. Dia antsoina amin'izay Andriamanitra mba hamela ny marary ho sitrana fa hitondra ny ain’ity omby ity ho solon’ny ainy tahaky ny natao teo amin'ny ota tsy nahy teo aloha.

Alaina koa ny volon-dohan’ilay marary sy ny hohony (na hohon-tànana na hoho-tongotra) sokirina koa ny hanina miraikitra eo anelanelan’ny nifiny ary anampahana kely ny lamba nitafiany ka amboarina ho sari-paty ireo dia alevina an-kidim-bitsika  (lavam-bitsika) na am-body vato mba ho solon’ny tenany halevina.

Ary farany dia maka fitaratra anankiray izy rehetra ao an-trano ka apetrany eo anoloan’ny marary ary izy rehetra ao an-trano dia samy mijery eo tsirairay no miteny hoe : « Indro hitako Ranona (ilay marary) tsy very fa mbola velona ». Dia vita amin'izay ity avotra lehibe ity ka manantena ny mpianakavy fa ho sitrana ny marary fa afa-tsiny afa-kilema eo anatrehan’Andriamanitra. 

3 Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao

Manana ny zava-padin-drazany tsy azon’ny taranany dikana ny Bara, nefa satria ny olona tsy dia velona mitoe-potsiny eo an-tanàna fa tsy maintsy mitady vola, omby, mitafika, ets... Ho sahirana anefa ireo amin'ny fadi-drazana maro samihafa any am-pandehanana any raha tsy misy  avotra azo atao amin'izany, ary toy izao no fanao izany : Fenoana rano ny laona lehibe ery tandrifin’ny varavarana fidirana ery. Vonoina ny akoho mainty ka tetitetehina ny tsobokofony (haranany) ka atao ao. Dorana ny lafika mainty efa tonta ka atao ao koa. Kikisana ny tolanam-baravarana ka ankambana amin'ireo. Dia haroina amin'ny lelam-pamaky amin’izay. Amboarina ohatry ny hamandrihana omby iny ny mahazaka ka apetraka eo am-bavan’ny laona. Dia mandroso tsirairay izay rehetra hisotro io zavatra io dia ho afaka amin'ny fatoran’ny fadin-drazana ka mahazo homana na hanao izany. Eo am-pisotroana io ranom-pahafahana io dia miteny ilay misotro hoe : « Haniko ny anona... sy ny anona… na ataoko ny anona (tononina ireo zava-pady ireo) afaka aho izay ka tsy maninona na mihinana sy manao izany aza ».

Izany no fanafahana na fanavotana azo atao ny amin'ireo fadin-drazana ireo. « Mandrara faly » no anaran’ireo zavatra ireo, izany hoe : Mandrara sy manafaka ny fady, izay tsy azo atao ho azo atao satria avotan’io zavatra io.

Mahafinaritra lahy ny fanavotana itokisan’ny Kristianina fa tsy mba ny ran’ny akoho na ny ran’ny omby araky ny finoan’ny Bara, na ny ran’ny osy lahy sy ny ondry toy ny an’ny Jiosy, fa ny ra soan’i Kristy zanak’ondrin’Andriamanitra izay tsy misy kilema na pentipentina. 

Ny amin’ny finoan’ny Bara

<- Toko III Toko V ->

Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
1- Ny finoany ny fisian’Andriamanitra
a- Amin'ny fanozonana
b- Amin'ny fianianana
c- Amin'ny fifanaovam-pati-dra
d- Amin'ny fiteny an-davan’andro
e- Amin'ny angano ataony
2- Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy
a- Tsara
b- Nahary ny zavatra rehetra
c- Mahatahotra
d- Mpitsara marina
3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inony
4- Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo
Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
1- Ny isany sy ny karazany
2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo
3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany
Toko III : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
1- Ny tantaran’ny olombelona voalohany
2- Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany
3- Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra
Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona
2- Ny fanokanana izay ho mpisorona
3- Izay hatao sorona
4- Ny Antony anaovana sorona
5- Ny fomba fanaovana sorona
a- Raha ny omby no hatao
b- Raha vary no atao
c- Ny sorona ren-janahary
Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany
2- Ny fianarana ny ho ombiasa
3- Ny fandefana ny vita fianarana
4- Izay hatao ody sy fanaovana azy
5- Ny karazan’ody sy ny anton’ny anaovana azy avy
a- Ny karazan’ny ody ratsy na mosavy sy ny fanaovany azy
b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy
Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
1- Ny amin'ny andro
2- Ny vintana fameloman-jaza
3- Vintana eo amin’ny lanitra
Toko VIII : Ny finoany ny amin'ny fambara
1- Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany
a- Ny horohoron-tany
b- Amin'ny vorona sasany
c- Amin'ny biby
d- Eo am-pandehanana :
e- Eo am-pihinanana :
f- Eo am-patoriana :
2- Ny fambara miseho amin'ny lanitra
a- Ny basia mifindra :
b- Ny tarosa :
c- Ny masoandro sy ny volana :
d- Ny afolahy mitsanga :
Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany
2- Ny vokatr’izany fampianarana izany
Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
1- Ny misy izany fitoerana izany
2- Ny toetry ny tany any :
3- Ny fiomanana ho any :
4- Ny toetry ny efa tonga any :
Toko XI : Farany