Toko VIII : Ny finoany ny amin'ny fambara

Mizara roa hoy izy ny zava-boaharin’Andriamanitra arak’izao hita maso izao, dia ny tany sy izay rehetra eo aminy, ary ny lanitra sy izay eo aminy koa, ka amin'ireo rehetra ireo no anambaran’Andriamanitra izay sitra-pony ety ambonin’ny tany amin'ny olona sy ilazany izay ho tonga aminy na soa na ratsy. Koa arak’izany dia mizara roa ny ahitana ny fambara. 

1 Ny fambara miseho eto ambonin’ny tany

a Ny horohoron-tany

Heveriny ho loza lehibe miseho amin'ny tany sy ny fanjakana izy io rehefa tonga, fa tsy mba amin'ny firenena iray ihany. Ny loza tondroin’izany hoy izy dia mosary manerana ny tany, areti-mandringana, fanjakana mikorontana. 

b Amin'ny vorona sasany

Misy vorona manidina amin'ny alina ataony hoe : jiny sy vorondolo, raha maneno mamaky ao afovoan’ny tanàna hono ireo vorona ireo amin'iny alina iny dia fambara izany fa hisy faty ao an-tanàna anatin’ny andro vitsivitsy manaraka, na ny lehiben’ny tanàna mihitsy aza no ho faty. Ny takatra koa raha manidina mamaky ao afovoan’ny tanàna dia fambara loza koa ka tsy maintsy hilaozana ilay tanàna. Ny akoho lahy maneno amin'ny takariva efa maizimaizina iny, ny akoho vavy mamaky ny atodiny ka misotro azy dia samy heveriny fa fambara ny hahafatesan’ny tompony ka dia tsy maintsy vonoina izany akoho izany. 

c Amin'ny biby

Ny tafika nifanena tamin'ny biby lava ao an-dàlana dia tsy maintsy miverina izy fa tsy mahazo mandika izany fa fambara avy tamin’Andriamanitra hono io fa tsy sitrak’Andriamanitra izao diany izao.

Ny olona alaina hamonjy aretina nefa nifanena tamin’ireto biby atao hoe : lefopotsy ireto dia tsy mba manantena hahatratra ny ain’ilay marary intsony izy. Eny, ny trano misy ny marary aza raha idiran’ireo dia fambara mazava izany fa ho faty izy - misy hala madinika mpanao trano eny an-joron-trano ireo, raha midina miraviravy eo am-povoan-trano dia fambara fa hisy hono vahiny ka dia miomana ny tompo-trano fa sao tampoka.  

d Eo am-pandehanana :

Raha mandeha hamangy havana lavitra na akaiky, ka tafintohina raha vantany vao mivoaka dia fambara izany fa tsy hotratra ilay olona fa nandeha an-tany lavitra, ka raha azo atao dia aleo miverina. Ny mpandeha mamaky tany efitra ka manoaka na mihoron-koditra dia tsy maintsy hiomana amin'ny fiarovan-tena izy fa hisy olona hanaitra azy hono. 

e Eo am-pihinanana :

Raha mihinana ka latsaka izay efa avy tany am-bava dia fambara hono izany fa hisy hena homen’olona azy ao anatin’ny fotoana vitsivitsy. Ny nihinana ka nahavoatelina lavitra dia mampiseho hena ho hanina koa izany. 

f Eo am-patoriana :

Ny manofinofy nokekerin-dita sy amboa adala dia manambara vosavin’olona, hono  izany ka tsy maintsy hisoritra fotaka sy lomotra izay nanonofy izany hisakana ny ratsy. Izay nanonofy nitondra faty na nitomany faty dia hifoha iny alina iny izy raha tsy mbola nilaza tamin’olona ka handro any an-drenirano mba ho entiny ny ratsy ka tsy ho tanteraka tokoa. Ny vehivavy nanonofy nihady ovimanga vokatra sy voatavo maintso maro dia fambara hono fa hanan-janaka izy. Ny manonofy vesaran’olona sinin-drano kosa no hitera-jaza vavy.

Izany rehetra izany no finoan’ny Bara ny amin'ny fambara miseho eto ambonin’ny tany ny amin'izay ho tonga amin'ny olona na ho tsara na ho ratsy izany. 

2 Ny fambara miseho amin'ny lanitra

a Ny basia mifindra :

Ireo kintana  mifindrafindra amin'ny alina ireo no ataony hoe : « basia mifindra » (basia = kintana araky ny teny Bara) Tena fambara loza ho an’izay mahita azy hono, izy io toy ny hahatonga fahafatesana tampoka aminy, na hahajamba azy aza raha ho moramora. Mba hisakanana izany loza avy aminy izany anefa dia tsy maintsy mandrora raha mahita azy fa tsy mampaninona intsony izy rehefa nandrorana. 

b Ny tarosa :

Indraindray dia misy zavona mifararaotra roa na telo eo amin'ny lanitra hatrany avaratra ka hatrany atsimo, na hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, ohatra ny soro-dàlana no fijery ireo. Io no ataony hoe « tarosa » ka tena tsy tonga fotsiny izy io araky ny heviny fa hisy zavatra hiseho indrindra fa ny fahavalo. Koa tamin’ny andro fahatany gasy raha nahita azy dia ataony  fa tafika ho tonga ao anantin’ny andro vitsivitsy izany. Noho izany dia dinihina tsara ny tany heveriny ho nihavian’io tarosa io, ka raha fantany fa avy any andrefana dia tsy mahazo mandehandeha lavidavitry ny tanàna ao andrefana ny zaza amam-behivavy ao anatin’ny andro vitsivitsy fandrao mifanena amin'ny tafika hono. 

c Ny masoandro sy ny volana :

Amin'ilay isian’ny fanakonana iny, ka mahamaizina ny masoandro na ny volana dia matahotra ny Bara satria loza lehibe hoy izy no tonga amin'ny tany. Koa dia mivory ny zaza amam-behivavy ka mirary (hiram-pifaliana sy fangataham-pitahiana no atao) eroa an-kianja. Ny mpanjaka dia mivoaka tao amin’ny lapany mitondra basy ka mitifitra ireo loza (ny masoandro na ny volana) ireo. Dia mihoby amin'izay ny zaza amam-behivavy fa efa nandresy ny loza tamin’ny basy indraim-bava, hono ny mpanjaka. Dia afaka vetivety tokoa ny aizina. Faly izy rehetra amin'izany ka dia mihevitra fatratra ho ilay basy nitifiran’ny mpanjaka azy, kanjo fomban’ny Eclipse no tsy maharitra ela. 

d Ny afolahy mitsanga :

Ny kometa no ataony hoe : « afolahy manga » noho izy ohatra ny afo mitsangana eny amin'ny lanitra. Tena mahatahotra sy mampihoron-koditra ny Bara fatratra izy iny, ary maro koa ny hevitra atrangany amin'izany : Ny sasany milaza fa afo handoro ny mpamosavy rehetra iny; ny sasany koa milaza fa fambara ny hahafatesan’ny andriana sy haharava ny fanjakany izy io ; ny hafa koa manao hoe,: « Hisy loza maro samihafa ho tonga amin'ny tany hampahory ny olona. Toy ny areti-mifindra, nendra, havandra sy valala hanimba ny tany mba hahatonga  mosary eo amin'ny olona. » Tsy misy fiarovan-tena mba azony atao raha ny kometa no miseho fa dia miandry fotsiny izao mandra-pahatongan’izay hihatra.

Izany rehetra izany ary ny amin'ny finoan’ny fambara, na izay hita eo amin'ny lanitra na izay hita eto ambonin’ny tany, ka tena mampalahelo tokoa ny mbola maizin-tsaina fa mandry be ahiahy. 

Ny amin’ny finoan’ny Bara

<- Toko VII Toko IX ->

Toko I : Ny finoany ny amin’ Andriamanitra
1- Ny finoany ny fisian’Andriamanitra
a- Amin'ny fanozonana
b- Amin'ny fianianana
c- Amin'ny fifanaovam-pati-dra
d- Amin'ny fiteny an-davan’andro
e- Amin'ny angano ataony
2- Ny fomban’Andriamanitra araky ny finoany azy
a- Tsara
b- Nahary ny zavatra rehetra
c- Mahatahotra
d- Mpitsara marina
3- Ny isan’ny Andriamanitra izay inony
4- Ny fitoerana misy ireo Andriamanitra ireo
Toko II : Ny finoany ny amin’ny fanahy ratsy
1- Ny isany sy ny karazany
2- Ny fitoerana misy ireo fanahy ratsy ireo
3- Ny asan’ireo fanahy ratsy ireo sy ny fiarovan-tena tsy ho voany
Toko III : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fiandohana
1- Ny tantaran’ny olombelona voalohany
2- Ny toetr’izy mivady tamin’ny voalohany sy nandrosoan’ny fiainany
3- Ny nahatonga ny fahafatesana tamin’ny olombelona rehetra
Toko IV : Ny finoany ny amin’ny fanavotana
1- Ny fanavotana noho ny ota tsy nahy
2- Ny fanavotana noho ny ota mahafaty
3- Ny fanavotana mahafaka amin'ny zava-pady kasaina atao
Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana
1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona
2- Ny fanokanana izay ho mpisorona
3- Izay hatao sorona
4- Ny Antony anaovana sorona
5- Ny fomba fanaovana sorona
a- Raha ny omby no hatao
b- Raha vary no atao
c- Ny sorona ren-janahary
Toko VI : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny ody
1- Ny nahazoany azy voalohany sy ny nielezany
2- Ny fianarana ny ho ombiasa
3- Ny fandefana ny vita fianarana
4- Izay hatao ody sy fanaovana azy
5- Ny karazan’ody sy ny anton’ny anaovana azy avy
a- Ny karazan’ny ody ratsy na mosavy sy ny fanaovany azy
b- Ny karazan’ody tsara na fanàla sy ny anton’ny anaovana azy avy
Toko VII : Ny finoany ny amin’ny vintan’andro
1- Ny amin'ny andro
2- Ny vintana fameloman-jaza
3- Vintana eo amin’ny lanitra
Toko IX : Ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy
1- Ny mpampianatra sy ny fampianarany
2- Ny vokatr’izany fampianarana izany
Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra
1- Ny misy izany fitoerana izany
2- Ny toetry ny tany any :
3- Ny fiomanana ho any :
4- Ny toetry ny efa tonga any :
Toko XI : Farany