Entry alatsinainy
Part of speech noun
Explanations in Malagasy (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]

 Andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]
Explanations in English Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
 Monday. [1.7]
Explanations in French Le lundi. [1.3, 1.8]
 Lundi. [1.5]
  [Tanala] Lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [1.6]
Explanations in Italian Lunedi [1.18]
Explanations in German Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... [1.56]
Examples 
1Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
2Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Vocabulary 
Compound words 
Toponyms 
Tables and plates Measure of Time

Entry Alatsinainy
Part of speech name (toponym) [full list]
Explanations in Malagasy Anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explanations in English The place of holding Monday's market. [1.2]
Explanations in French Noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
 Marché du lundi. [1.5]
Vocabulary 
Coordinates -19.3833333, 47.4333333

Updated on 2020/11/22