Entry elanelana (elana)
Part of speech noun
Malagasy definition Ny afovoany: Ny fanondroadala dia eo anelanelan' ny fanondro sy ny monarapoana
¶ Ny tsy itoviana: Ny elanelan' ny 9 sy ny 4 dia 5
¶ Halaviran-toerana mampisaraka zavatra na tanàna anankiroa Be elanelana loatra ireto andry ireto: Ohatrinona ny elanelan' Antananarivo sy Ambohimanga?
¶ Ny eo afovoan' ny roa tonta ka tsy momba ny atsy na iroa: Aoka fa ianao no ho elanelan' ny adinay
Mitovy hevitra: alanalana ~ aloalo ~ ebanebana ~ elanelana ~ evanevana ~ tamotamo elanelan-tsoratra ~ tsy an' ny atsy tsy an' ny aroa ~ tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa [Rajemisa 1985]
English definition the time or place between; a go-between [Hallanger 1973]
French definition intervalle de temps ou d'espace [Hallanger 1974]
Derivations 
Morphology 
elanelana
elanelako
elanelanao
elanelany
elanelantsika
elanelanay
elanelanareo
elanelan'
elanelan-
elanelam-
elanela-
Synonyms elakelaka
Compound words, titles, names 
Examples 
1Ny lalambe no elanelana ny tsena sy Ambohitsorohitra. [Callet: Tantara, page 516]
2Nahoana moa raha izaho no atao elanelana mampiray anareo? [Rajaonarivelo: Bina, page 95]
3Tsy ampy halainao indroa alina intsony izany elanelana izany. [Randriamiadanarivo: Sikajy, page 140]
Quotes 

2017/06/08