Proverbs : hatonina

Proverb57 Afom-bolo maina : hatonina mahamay, halavirina mangatsiaka. [Samson 1965 #A11]

Proverb318 Amboa ngerom-bava , ka raha mandalo toa hitondra sokina ihany. [Veyrières 1913 #4269]
Amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina , nony akaiky vavany ihany. [Rinara 1974]
Toy ny amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina , nony hatonina vavany ihany. [Rinara 1974 #4258]
French translation Chien qui a la gueule noire : quand il passe, on croit qu' il porte un hérisson. [Veyrières 1913 #4269]
French interpretation Se disait des voleurs de profession : on les accuse toujours. [Veyrières 1913 #4269]

Proverb1049 Aza manao hoe : raha olona handosirako , fa raha sary, hohatoniko . [Rinara 1974 #524]
Aza manao hoe: "Raha olon-kandosirako , kanefa raha sary hohatoniko " . [Houlder 1895]
Tsy mety raha hoe : raha olona andosirako , fa raha sary hatoniko. [Rinara 1974 #4590]
Tsy mety raha hoe: "Raha olona handosirako , fa raha sary hatoniko". [Veyrières 1913 #1734, Cousins 1871]
French translation Il ne faut pas dire : si c' est un homme je le fuirai, si c' est une simple statue ou image, j'approcherai. [Veyrières 1913 #1734]
Ne dites pas: "Si c' est un homme je fuirai, mais si ce n' est qu' une image, je m' en approcherai" . [Houlder 1895]
French interpretation C' est manquer de courage. [Houlder 1895]
C'est un manque de courage que de parler ainsi. [Veyrières 1913 #1734]

Proverb4856 Ny ahitra no misy tsy hita fototra fa tsy ny olon-ko hatonina . [Rinara 1974 #2831]

Proverb5089 Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : atonina manalavitra , alavitina manatona . [Rinara 1974 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina , manalavitra ; hala-virina , manatona. [Houlder 1895 #161]
French translation L' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [Houlder 1895]

Proverb5244 Ny lainga toy ny anjavidy : tazanina toa voany, fa nony hatonina raviny ihany. [Rinara 1974 #3060]

Proverb5322 Ny manjaka toy ny afo : halavirina mangatsiaka , hatonina : mahamay . [Rinara 1974 #3121]
Ny manjaka toy ny afo ; ka raha halavirina mahamangatsiaka , ary raha hatonina akaiky mahamay . [Veyrières 1913 #231]
Ny manjaka toy ny afo : raha halavirina, mahangatsiaka ; ary raha akekena , mahamay. [Cousins 1871 #2329, Nicol 1935 #273]
Ny mpanjaka toy ny afo : raha halavirina mangatsiaka, ary raha akekezina mahamay. [Houlder 1895 #1398]
French translation Les grands sont comme le feu : loin d’eux, vous avez froid; près d’eux, vous prenez feu. [Nicol 1935 #273]
Le souverain est comme le feu : ceux qui sont loin de lui n' ont pas part à ses bienfaits, ils ont froid ; mais ceux qui sont auprès de lui obtiennent ses faveurs, ils ont chaud. [Veyrières 1913 #231]
Le souverain est comme le feu: si on s' en éloigne, on a froid; et si on s' en rapproche, on se brûle. [Houlder 1895]

Index