Entry amboa
Part of speech noun
Malagasy definition  [Taisaka] alika [Rakotosaona 1972]
 Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin' ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: mivovò, minaonaona, mitomany valala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan' ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefa ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan' ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika
Mitovy hevitra: batritra ~ fakon' olona ~ karin' olona ~ katritra ~ tsaikan' olona
English definition a dog. [Swa. mboa, a dog.] [Richardson 1885]
 a dog (a Bantu word) [Hallanger 1973]
French definition chien [Rajemisa: Vakoka, SLP 1986]
French definition chien (mot bantou) [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Derivations 
Compound words, titles, names 
Analogues  alika ~ fandroaka
Examples 
1Tsy maniry lambo an'ala
fa manana amboa mahay mihaza
tsy maniry vorona an-danitra
fa tsara basy an-tanana
[Fox: Hainteny, number 311]
2Sady matahotra ahy daholo koa ireo amboa maty ireo, ka raha vao tandindomiko fotsiny ireo dia mangovitra. [Andraina: Mitaraina, page 211]
Quotes 
Articles 
Toponymy Place names having the word amboa (1): Amboatany

Entry amboa
Part of speech noun
French definition Se disait de gens éhontés [Veyrières 1913]

2017/06/29