Entry tsakany > sakany
Part of speech noun sakana and pronoun
Explanations in Malagasy Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany
Habe salasalany, antonintoniny [1.1]
Explanations in English The width [1.7]
Explanations in French Largeur [1.8]
Examples Efa tonta ihany ilay varavarana ka takela-kazo sahabo ho iray zehy sakany sy roa halavany no azo nakisaka hijereny ny ati-trano. [2.470]
Vocabulary 
Compound words 

Entry tsakany > sakany (sakana)
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy
Salasalany, atriatry: Sakan-karona. [1.1]
Vocabulary 

Entry tsakany > sakany
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Betsileo] Vantotr' ombivavy afa-miteraka [1.1]
Synonyms vatony ~ andranarivavy

Anagrams 

Entry tsakany > sakana
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fefy, gadra: Tokony hasiana sakana eto tsy hidiran' ny alika
Sampona, tambana: Ho tonga aho rahampitso raha tsy misy sakana. [1.1]
Explanations in English Something placed crosswise, a barrier [1.7]
Explanations in French Ce qu'on met de travers, barrière [1.8]
Examples 
1Mametraka sakana maro ny finoana; [2.445]
2Ny trano kotona dia avo loka, be sakana, lava tandroka. [1.437]
3Faohiny daholo izay sakana mety hanembantsembana ny fahafoizan-tena sy ny fahazoana tsara ny hafa. [1.369]
Derivatives 
Compound words 
Proverbs 

Entry tsakany > sakana
Part of speech noun
Explanations in Malagasy  [Tanosy] Tataom-baravarana [1.78]

Anagrams