Entry mihodivitra (hodivitra)
Part of speech active verb
Explanations in Malagasy Tsy mahitsy, miraika kely: Mihodivitra ny kofehy ka henjano tsara ~ Mihodivitra ity andry ity
Mihodina any amin' ny ilany, mivily, miolaka: Raha nihodivitra kely ilay vato, dia nahavoa ny masoko
Mitovy hevitra: mibirioka ~ mivaona ~ miviona
Mihilana: Saika nianjeran' ny vato aho raha tsy nihodivitra kely
Lasa nandositra mangingina, tsy hitahita akory: Nozahan' ny Polisy ny anao lahy ka nihodivitra
Mitovy hevitra: mibisioka ~ mibolidy
Miala amim-pahakingana: Mihodivitra amin' ny raharaha sarotra
Mihazo lalana miolaka mba tsy hifanena amin' olona: Mihodivitra olona [1.1]
Explanations in English To turn aside; to be untrustworthy [1.7]
Explanations in French Se détourner; faire des détours [1.8]
Morphology 
Present : mihodivitra
Past : nihodivitra
Future : hihodivitra
Imperative : mihodivira
Proverbs 

Updated on 2023/01/20