Entry adaladala (adala)
Part of speech adjective
Malagasy definition enti-milaza olona kely saina, tsy misy loha, fatra-panaonao foana sady miseho ho bado, tsy mahazo tsara na oviana na oviana izay lazaina aminy: adaladala ilay vahinin-dry zareo ato atsimo: nahazo vorona izy, ka ny volom-bodiny no nongotany fa tsy ny elany, ka lasa nanidina ilay vorona
Mitovy hevitra: baibo ~ fondrana ~ kaondrana ~ kidramadrama ~ manangan-tsampona ~ manasatsasaka ~ manondrana ~ mirendrirendry ~ misy kely ~ mitandrantandrana ~ mitanendrinendrina ~ mitondrantondrana ~ mitondrendrena ~ mitondrintondrina ~ nahafahana ~ ondranondranana ~ tangoarara ~ toraiky ~ tsy tohinina ~ vendrana ~ zanakalo [Rajemisa 1985]
French definition étourdi, un peu fou [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
 insolent [Rajaonarimanana 1995]
Derivations 
Morphology 
Compound words, titles, names 
Examples 
1Toa adaladala no fihevitr' izay nanontaniako ahy! [Andriamalala: Zazavavindrano]
2Tahaka ny adaladala indray ny olona nahita izany rehetra izany. [Andraina: Mitaraina, page 195]
3fa be adaladala ny olona taloha, tsy mba tahaka ny hendry ankehitriny. [Callet: Tantara, page 1017]
Quotes 

2017/10/22