Explanations in Malagasy |
4 (Tamarindus indica, Latina) Hazo lehibe amin'ny antokon'ny légumineuses, maniry indrindra ao amin'ny faritany mafany andrefana sy atsimo. Mety ho vaventy tokoa izy fa mahatratra hatramin'ny 3 na 4 metatra ny manodidina ny vatany. Betsaka ny raviny sady midoroboka be sy matevina hany ka mahafinaritra ery ny mialokaloka eo am-potony amin'ny andro mafana. Ny fanjan'ny kily dia vony na vonivony: ny voany dia ireny efa amidy betsaka aty afovoan-tany, dia ny voany (gousse) efa masaka. Mafy ny hoditr'io voany io ary misy nofony manja-mena mamimamy maharikivy, ataon'ny ankizy mpihinina azy hoe voamadilo. Mafy kosa ireo voany madinika maintimainty anatiny. Efa miely ao amin'ny tany mafana rehetra ny kily sady mora maniry rahateo fa ny voany ihany no ambolena. Tany Afrika dia nahita betsaka izahay ao amin'ny alabe manelanelana an'i Brazzaville sy Pointe-Noire (1960). Raha masaka tsara sy maina am-potony ny voan'ny kily (gousse) ka tsy mihintsana dia maharitra ela tokoa -- am-bolana azy -- tsy simba, tsy lo. Ny voany tanora indray, izany hoe mbola tsy misy ireo voa madinika ao anatiny, dia ataon'ny mpitia azy rougail, ary ny efa masaka kosa dia samy manamboatra araka izany izay itiavany azy avy ny mpihinana, toy ny Karana izay mampiaraka azy amin'ny "karia" (vovoka vonivony tsara fofona fanatsiroan-kanina). Ny Afrikana kosa dia manamboatra zava-pisotro avy aminy izay asiany tantely sy voasarimakirana koa. Eo amin'ny volana novambra ka hatramin'ny volana fevrie no favokaran'ny kily na madiro. Matevina ny hoditry ny kily hazo, maraorao, somary mainty ary vakivaky. Ny hazony dia fotsy, mafy, sarotra amboarina (tsofana sy vakonina). Saika ahitana foto-madilo avokoa ny tanàna maro ao andrefana (Antsakalava). Misy azy ihany koa any atsimo; na dia ao amin'ny toerana vitsy hazo afa aza dia mbola misy kily ombieny ombieny izay efa miolanolana sy mandry tsy mahatanty ny rivo-mahery. Eo am-potry ny kily midoroboka no fanaovan'ny mpanjaka kabary sy lalonana ary dinidim-pokonolona. Any Antsakalava, ny ravin'ny kily dia tanehina amin'ny ranomangotraka na alona kely toy ny fanao dite mba ho odi-kankana na fitsaboana ny vavony tsy tsaratsara. Ny hoditry ny hazo dia anaovany loko mainty koa -- mba handokoany ny kofehy landy na landihazo na rofia hotenomina. Anaovany karazan-toaka gasy koa ny voany ary ilay voany madinidinika maintimainty dia anaovan'ny sasany sikidy koa, atao hoe sikily. Ny mponina ao amin'ny faritany sasany dia mihevitra sy mino fa itoeran'ny ambiroan'ny olona efa maty ny kily; antsoiny hoe setoany ireny ambiroa na avelon'ny maty ao ireny, ary noho izany dia tsy azo andalovana mihitsy hono, eo amin'ny kily amin'ny kily amin'ny hariva sy ny alina. Ary raha misy mahatezitra ny matoatoa na fanahy ratsy ao aminy dia tsy maintsy afanana amin'ny ran-omby vonoina ho sorona aminy izy. [1.10]
5 Hazo lehibe sady be ravina misandrahaka, fahita amin'ny tapany atsimo sy andrefana, manome ny voa atao hoe voamadilo. [1.1]
6 Hazo manome ny voamadilo ary mety maharitra zato taona. [1.13]
7 madilo [1.10, 1.2]
8 madiro [1.10, 1.2, 1.19]
9 voamatony [1.10]
10 lamoty [1.10]
|