| Entry | 1 Andriamanitra-Andriananahary |
| Elementary words | 2 Andriamanitra, 3 Andriananahary |
| Part of speech | 4 name (anthroponym) [Full list] |
| Explanations in Malagasy |
5 [Andriananahary] Matetika izy no nampiarahin' ny ntaolo amin' ny hoe Andriamanitra amin' ny vavaka sy ny firariana.
6 Raha mivavaka ho an' ny mpianakavy dia hoy izy : 7 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! E ! Ray razana ! Tonga eto izahay mianakavy, tahio andro, tahio alina ! ... ho soa anie, ho tsara ! " , ets. 8 Raha mivavaka ho an' ny zaza alam-bolo izy dia hoy izy : 9 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Sambasamba, tsy harofy, tsy halailay ! " , ets. 10 Raha mirary ho an' ny mpiantafika izy dia manao hoe : 11 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Tsy haratry ny an-tànan-tena anie izy any ! Tsy ho voan' ny an-tànan' olona, ho malama samborina, tsy voasingo-bahy, tsy ho voarangotr' avotra, mahereza basy aman-defona, mahavoria tany amam-panjakana ! " , ets. 12 Raha mivavaka ho an' ny olona anaovana sorona izy dia manao hoe : 13 "E ! Andriamanitra-Andriananahary ! Soronako ity ondry mazava loha ity Ra.... hieren-doza aman' antambo ! ". [1.10#A.120] |
| Updated on 2026/11/01 |
|