|
|
|
|

Entry (1/3)1  velona
Part of speech  2  adjective
Explanations in Malagasy  3  Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e!
4  Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao?
5  Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy
6  Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany
7  Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana"
8  Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka
9  Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany [1.1]
Explanations in English  10  living, alive [1.7]
Explanations in French  11  vivant [1.8]
12  tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains [1.196]
Examples  13  fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona [2.131]
14  Mbola velona ihany hianao Razay! [2.324]
15  Filazana toetr'olom-belona hiany izany. [2.59#77]
16  Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko? [2.471]
17  tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko. [2.472]
Morphology 
18  Simple :
19  Prefixed :
20  Imperative :
Derivatives 
21  Active verbs :
22  Passive verbs :
23  Relative verbs :
24  Names :
25  Adjectives :
Compound words 
Zoonyms 
Phytonyms 
Patronyms 
Toponyms 
Titles 
Proverbs  61  Proverbs containing the word velona

Entry (2/3)62  velona
Part of speech  63  interjection
Explanations in Malagasy  64  Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! [1.1]
Tables and plates  65  All the interjections

Entry (3/3)66  velona
Part of speech  67  adjective
Explanations in Malagasy  68  be voninahitra [Bezanozano] [1.78]

Anagrams  69  levona, velona, volena

Updated on 2023/04/21