Entry velona
Part of speech adjective
Malagasy definition Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e!
¶ Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao?
¶ Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy
¶ Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany
¶ Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana"
¶ Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka
¶ Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany [Rajemisa 1985]
English definition living, alive [Hallanger 1973]
French definition vivant [Hallanger 1974]
Derivations 
Morphology 
velona
velon'
velon-
velom-
velo-
-belona
-belon'
-belon-
-belom-
-belo-
veloma
Compound words, titles, names 
Examples 
1fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona [Fox: Hainteny, number 343]
2-- Mbola velona ihany hianao Razay! [Rajohanesa: Kintana]
3Filazana toetr'olom-belona hiany izany. [Cohen-Bessy: Rakotovao, page 77]
4Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko? [Andriamalala: Ranomasina, page 19]
5tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko. [Andraina: Mitaraina, page 252]
Quotes 
Toponymy Place names having the word velona (6)
Ambalavelona
  Ambohibeloma
  Andranovelona
  Mahavelona
  Sakoambelona
  Vatovelona
 

Entry velona
Part of speech interjection [list]
Malagasy definition Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! [Rajemisa 1985]

Entry velona
Part of speech adjective
Malagasy definition  [Bezanozano] be voninahitra [Rakotosaona 1972]

2019/02/01