Entry | 1 tsodrano |
Elementary words | 2 tsotra, rano |
Part of speech | 3 locution |
Explanations in Malagasy |
4 (taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka) 5 (ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady 6 (ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano 7 Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana [1.1] |
Explanations in French |
8 aspersion, bénédiction, souhaits d'adieu 9 action de céder [1.3] |
Examples |
10 Dia lasa ny vahiny, narahan' izy mivady saotsaotra sy tsodrano. [2.472] |
Derivatives |
|
Analogs | 13 ranombavaka, firarian-tsoa |
Updated on 2024/08/13 |