Entry revo
Part of speech adjective
Explanations in Malagasy Latsaka an-kona na anaty fotaka marihitra: Revo tao anaty fotaka ny ombinay ~ Revon' ny fitiavana io zazalahy io ka tsy nahatozo ny fianarany
Variana manao zavatra ka tsy mahatsiaro ny manodidina intsony: Revon-daolao ny ankizy ka tsy mahatsiaro izay sakafo intsony na revo milalao ny ankizy
Sahirana fatratra: Revon' ny trosan' olona izy
Mitovy hevitra: jemby ~ rendrehana ~ rendrika ~ renoka ~ senoka ~ sondriana ~ variana [1.1]
Explanations in English Stuck in the mud; completely engrossed [1.7]
Explanations in French Embourbé; plongé dans une occupation [1.8]
Examples 
1Dia revo tamin' izay aho nanao kaontin-dRabejofo! [2.471]
2Olona telo lahy no ao anatiny, revo miresaka. [2.472]
Derivatives 
 
Compound words 
Toponyms 
Proverbs 

Anagrams 

Updated on 2023/10/01