Entry | 1 Orimbaton' ny Fiadanana |
Elementary words | 2 orimbato, fiadanana |
Part of speech | 3 name (book title) [Full list] |
Author |
4 Andrianjafy Michel |
Publishings |
5 Edisiona Takariva, 1970 6 Trano Pirinty FO.PI.PA, 1987. Pages: 176 |
Text |
7 Teti-dratsy
8 Iny Rasolomanana miakatra ny tanàna. Na dia vava lalana aza Rambolasoa mianaka, dia ary amin-dRavonimbero rafozany izy aloha no nihevitra ny hivantana, ka rehefa diany dia hody vao hivily ao. Nohofain-dRaketamalala tanana avy eo am-baravarankely nony fantany fa hanitsy hianavaratra. 9 -- Isolo a! Aty aloha e! 10 Nivily Rasolo fa antsoin'ny anabaviny. 11 -- Ahoana izay? 12 -- Midira ange aloha e! 13 -- Ahoana fa maika aho? 14 -- Makà aloha toerana e! Izanajaza angaha hohanin'iza fa tsy ao amin-dreniny niteraka azy izy? 15 -- Ahoana anefa? sady nihabahaba toa hitombina toa hitsangana. 16 -- Misy dinika kely fa nasesiky ny razana ianao ka tonga, hoy Rambolasoa. 17 -- Antsika telo mianaka ihany anefa ny resaka, fa tsy azonao afindra na amin'iza na amin'iza, hoy Raketamalala. 18 -- Na dia amin'Izanany aza ve? 19 -- Izy indrindra no tena anafenana azy. Sao tsy ho mafy vava anefa Isolo? 20 -- Lazao fa hateliko e! 21 -- Tarihon-dry àry ny resaka, ry Ketaka, hoy Rambolasoa, fa izay tsy ampy fenoiko. 22 -- Izao àry, hoy Raketamalala: nisy nanipy voanjobory, hono, teo am-pandriananareo? 23 -- Hay! efa voalazan'lzanany anareo sahady? 24 -- Sempotsempotra ery izy nitantara azy anikeheo. Koa mihainoa sy mandiniha tsara, fa reninao nitondra anao folo volana, sy anabavinao nifanapatsinay taminao izahay ka tsy hanoro vohony anao akory! 25 -- Amin'ny ahoana anefa e? hoy Isolo niontana ambavafo. 26 -- Izao no izy: hifindra ety ianareo roa no hitoetra. 27 -- Ka hazoto amin'izany ve Izanany? 28 -- Satriny aza. Efa notsapainay teto ny lohany. 29 -- Ary tsy hahadikidiky amin'Ineny eny Ambohimiadana? 30 -- Ambohijafy tompony indray ve no hangataka atiny e? 31 -- Inona anefa aloha no antony? 32 -- Voalohany aloha: hita fa misy te-hisompatra anareo any Ambohimiadana ka mety ny mihataka kely. 33 -- Ekeko raha ny amin'izany. 34 -- Faharoa manaraka izany: tsy anananay fahefana ianareo raha tsy misarimonina ety aminay. 35 -- Fahefana amin'inona moa ? hoy Isolo somary nitsangam-bolo. 36 -- Henoinao tsara, fa ity vao tena resaka: farano mihitsy ny hevitra fa tsy hanan-tamingana amin' lzanajaza akory ianao fa ho boribory tahaka ilay voanjobory natorak'olona teo am-pandrianareo... 37 -- ! ! ! ! 38 -- Hataontsika tahaka ny fanorona ka izao no paika: rehefa hifindra ety ianareo (mody hoe haka rivotra no fiala amin-dRazafimpananina) dia atsy amin-dRavonimbero no mivantana fa tsy ato akory. Ka rehefa tonga ny andro mahamety, araka izay mbola hisikidianantsika azy, dia misintaka moramora ianao mankato aminay mianaka, fa Izanany efa eo anatrehan'ny nahitany masoandro. Azonao izany? 39 Nisondro-dra ny tavan-dRasolomanana. Tsembo-dratsy izy. Toa nivahavaha ny hoza-tenany manontolo. Badenina ny lohany. Nanjambena ny masony. Tsy ampy hitepoan'ny fony ny tratrany!
45 Novonjen-dRambolasoa notohizina ny teny:
51 Toa falifaly nanaiki-molotra Rasolomanana. Nisava tampoka teo ny andohany nanelo. Efa mba nozohizohiny mangina teny tokoa mantsy Izafindrahasy, saingy voasingotra tampoka tamin-dRazanajaza izy. Ka toa nifongatra teo amin'ny fiereny indray ny fikasany taloha. Hay natory fotsiny ny fitiavany fa tsy maty akory!
53 Nihodina tamin-dRasolo ny tany aman-danitra. Fa misy inona tokoa moa Razanajaza raha mitaha amin'lzafindrahasy? Na samy kamboty aza, hafa ny nandova be sy ny tsy manam-bariraiventy.
57 Tsy nahatombina intsony Rasolomanana fa niaingainga foana eran'ny trano:
63 Nihantona teo ny dinika tsy mivoa-drindrina: novangovangoina na hoatra ny fihina-mangahazo maina ary natao telimoka hoatra ny vary sosoa mahamay. Asa ny mpihinana na hahalevon-kanina na tsia... 64 65 Ny sitrapo sy ny vintana 66 Mba niseho ho mahery vaika Razanajaza tamin'izao indray mandeha izao ka nanaraka ambokony nody teny Ambohimiadana Rasolomanana. Faly am-panahy Razafimpananina. Rambolasoa mianaka kosa mivonto fo amin'ny hasosorana. 67 Fa nangatsiaka ny tokantranon'ny ankizy. Niova fihetsika Rasolomanana: tsy be herongerona intsony, tsy nanangana adiady intsony; kanefa tsy nitsiky fa monto-dava tsy ahitan-teny firy. Very dia very manko ny heviny, fa Razanajaza sarotra akifika, kanefa Izafindrahasy efa mivolon-ko tompony. Koa noho ny onjam-panambadiana tsy maintsy andeferana, dia toa foto-boandelaka hanim-bitsikambo no fijery an-dRazanajaza. Ary noho ny onjam-pitiatiavana te-hilevina aniritra eo amin'ny tanin'olona vita baorina, dia toa olona lasa ambiroa no fijery an-dRasolomanana. Mpivady samy rotehin'aretina. 68 Araka ny fantatry ny ntaolohahy, dia fanambadiana tsy mba nierana tamin'ny mpanandro mantsy: Asorotany sy Adijady mifaniho vintana. Hatramin'ny fanambinana isan-karazany no nandamoka be ihany, fa ny ambolen-tsy maniry, ny asosoka maty maso, ny am-pahitra kongonina, ny am-pisoko deronina, ary Ikoto sy Ikala tsy hita veroka. 69 Havarina amin'ny vintana àry ve ny andraikitra? Sa hatolaka amin'ny tsiny? Fetsy ny olombelona ka manadidy ny tononandro sy ny razana kanefa izy indrindra no tena tompon'antoka. Dia Rasolomanana sy Razanajaza: tompon'ny fony sy ny safidiny; ary Rambolasoa sy Raketamalala: tompon'ny ankasomparana sy ny mosavy. Fanambadian'iza no tsy hosedrain'ny rivo-mahery, fa ny foto-kazo marivo faka no tsy menatra ny hidaraboka! |
Updated on 2023/08/17 |