Entry (1/2) | 1 alatsinainy |
Part of speech | 2 noun |
Explanations in Malagasy |
3 [1.10] (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy. -- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy. Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy. Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana. Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io. Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. |
Explanations in English |
5 [1.2] Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] 6 [1.7] Monday. |
Explanations in French |
7 [1.3, 1.8] le lundi. 8 [1.5] lundi. 9 [1.6] [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] |
Explanations in Italian |
10 [1.18] lunedi |
Explanations in German |
11 [1.56] Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... |
Examples |
12 Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470] 13 Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472] |
Vocabulary |
14 Time |
Compound words |
|
Toponyms |
|
Hyperonym |
|
Co-hyponyms |
|
Tables and plates |
27 Measure of Time |
Entry (2/2) | 28 Alatsinainy |
Elementary words | 29 alatsinainy |
Part of speech | 30 name (toponym) [Full list] |
Explanations in Malagasy |
31 [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. |
Explanations in English |
32 [1.2] the place of holding Monday's market. |
Explanations in French |
33 [1.3] noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. 34 [1.5] marché du lundi. |
Vocabulary |
35 Geography: towns |
Anagrams | 36 alatsinainy, Alatsinainy, anasitilian, atsilaninay, nanasitilia |
Updated on 2025/02/08 |
![]() |