|
|
|
|

Entry (1/2)1  alatsinainy
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3 (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa).
4 (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.
5 
6 -- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty --
7 ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa:
8 "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika
9 Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana,
10 fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha,
11 na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia
12 mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.
13 
14 Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano,
15 ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany
16 amin'ny Alatsinainy.
17 
18 Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma --
19 noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona,
20 no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.
21 
22 Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra
23 afa-tsy mavo amin'io andro io.
24 
25 Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera,
26 no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
27 andro faharoa amin'ny herinandro.
28 Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy,
29 andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona;
30 ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra
31 no fanao alatsinainy. [1.1]
Explanations in English  32 Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
33 Monday. [1.7]
Explanations in French  34 le lundi. [1.3, 1.8]
35 lundi. [1.5]
36 lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Examples  37  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
38  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Vocabulary  39  Time
Hyperonym 
Co-hyponyms 
All compound words  48  3 combinations of that word
Tables and plates  49  Measure of Time

Entry (2/2)50  Alatsinainy
Elementary words  51 alatsinainy
Part of speech  52  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  53 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explanations in English  54 the place of holding Monday's market. [1.2]
Explanations in French  55 noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
56 marché du lundi. [1.5]
Vocabulary  57  Geography: towns

Anagrams  Alatsinainy, alatsinainy

Updated on 2025/11/21