|
|
|
|

Entry volana
Part of speech noun
  [Sihanaka] [ vôlaña ] Teny [1.78]
 Teny atao, teny aloakan' ny vava [1.1]
 Speech [1.3, 1.7]
 Speaking [1.7]
 Parole [1.3, 1.8]
 Promesse, engagement [1.3]
 Action de parler [1.8]
Vocabulary 
Morphology 
Simple : volana, volako, volanao, volany, volantsika, volanay, volanareo, volan', volan-, volam-, vola-
Prefixed : -bolana, -bolako, -bolanao, -bolany, -bolantsika, -bolanay, -bolanareo, -bolan', -bolan-, -bolam-, -bola-
Derivatives 
Synonyms kabary

Entry volana
Part of speech noun
 Antontan-javatra mihodina manodidina ny tany nefa mandray hazavana avy amin' ny masoandro, ka io hazavana io no atarany ety amin' ny tany rehefa mifanitsy ny faritra voazavan' ny masoandro aminy sy ny tany: Telo andro sisa dia ho fenomanana ny volana [1.1]
 The moon [1.7]
 La lune [1.8]
Vocabulary 
Examples 
1Ny kintana sy ny volana amin'ny alina ny andrandrainy sy mahazatra ny masony [2.470]
2Fa tsy misy kintana. Tsy misy volana. Tsy misy lanitra!... [2.471]
Analogs  fenomanana
Article 

Entry volana
Part of speech noun
 Ny fotoana ihodinan' ny volana manodidina ny tany
Ny volana malagasy dia mifanentana amin' ny fihodinan' ny volana manodidina ny tany mihitsy ka maharitra 28 andro mahery kely hatrany ary roa ambin' ny folo no isany: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy, fa ny volana vazaha kosa dia notsinjaraina mitovitovy faharetana fotsiny: zanvie: 31 andro, fevrie: 28 na 29, marsa: 31, avrily: 30, may: 31, jiona: 30, jolay: 31, aogositra: 31, septambra: 30, oktobra: 31, novambra: 30, desambra: 31. [1.1]
 A month [1.7]
 Le mois [1.8]
 Mois [1.13]
Vocabulary 
Examples 
1Efa iray volana sy tapany no nipetrahan-dRandrianaivo tao Antsirabe [2.324]
2Afaka roa volana eo ho eo, hono, dia handalo ny mpisafo [2.470]
3Volana vitsivitsy taorian'izay, nisy vaovao lehibe anankiray hafa koa, ary nikasika ny miaramilam-potaka ity [2.472]
4Ka jereo tokoa fa ireo anaram-bolana vaovao (alahamady, adaoro, adizaoza - asorotany, alahasaty, asombola - adimizàna, alakarabo, alakaosy - adijady, adalo, alohotsy) izay nisolo ny anaram-bolana malagasy mbola voatahirin' ny Betsileo sy ny tanin-drana (asaramanitra, vatravatra, asotry - hasiha, valasira, faosa - maka, hia, sakamasay - sakave, volambita, asa-ramaimbo), ny anaran' ny andro fito amin' ny herinandro, ny sorabe (fomba fanoratra hain' ny Ombiasy teo aloha), ny fombam-panandroana sy ny fomban-tsikidy: miharihary fa avy amin' ny Talaotra avokoa. [2.296]
Tables and plates Measure of Time
Article 

Entry volana
Part of speech noun
 à l'origine du nom des pièces de monnaie, rondes comme cet astre vu dans son plein [1.196]
Vocabulary 

Updated on 2025/02/17