|
|
|
|

Entry rimorimo (rimo)
Part of speech noun
 Fandehanana mafy
Fifiokan' ny tehina na baolina atsipy handeha mafy. [Vocabulary: ]
Fimonomonon' ny tandrimo misangodina na ny tantely. [Vocabulary: ] [1.1]
 A buzzing as of bees. [Vocabulary: ] [1.7]
 Bourdonnement comme celui des abeilles. [Vocabulary: ]
Mouvement rapide [1.8]
Examples 
1Lozan' ny be rimorimo anefa, hono, raha ditsoky ny vovoka nafafiny ny mason' ny tsy manan-tsiny! [1.298]
2Asa na misy manenjika ilay mpamily, na mampidera ny fahaizany mitondra sy fahalalany lalana, fa dia rimorimo izao! [2.4]
Derivatives 
Synonyms rimo

Entry rimorimo
Part of speech noun
 Zavamaneno vita amin' ny silaka volotsangana sahabo ho vehana ny halavany ary voatondro roa ny sakany, ka maranitra toy ny loha lefona ary misy lavaka kely eo amin' ny tendrony iray mba hitsofohan' ny tady ifatorany; misy tahony hihazonana azy koa: ahodinkodina "mirimorimo" izy io ka arakaraka ny maha-mafy ny fanodinkodinana azy no ahazoana feo mafy kokoa. (Ny Tanala no mpampiasa azy indrindra; manarakaraka, ny Sakalava, izay manome anarana azy hoe: Tambovo) [1.1]
Vocabulary 

Entry rimorimo
Part of speech noun
  [Betsileo, Merina] (de rimorimo : sifflement des verges. On employait les rameaux pour fouetter les enfants ou tout au moins en faire le simulacre). Phyllanthus nummulariifolius Poir. (Phyllanthaceae). D'après Descheemaeker serait encore appelé tamborotanosy. [1.196]
Vocabulary 
Scientific name Phyllanthus nummulariifolius

Updated on 2025/04/28