| Entry |
manina
(hanina)
|
| Part of speech | active verb
|
| | Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany [1.1]
|
| | To long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina)
[1.7]
|
| | Regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina)
[1.8]
|
| Vocabulary |
| Examples |
| 1 | Manina ny tanindrazana aho izany!
[2.470]
|
| 2 | Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja.
[2.471]
|
|
| Morphology |
| Present : |
manina |
| Past : |
nanina |
| Future : |
hanina |
| Imperative : |
manìna |
|
|
| Entry |
manina
(ina)
|
| Part of speech | active verb
|
| | [Provincial]
To command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. [1.2]
|
| Morphology |
| Present : |
manina |
| Past : |
nanina |
| Future : |
hanina |
| Imperative : |
maninà |
|
|
| Entry |
manina
|
| Part of speech | active verb
|
| | [Bara]
manendry
[1.78]
|
|
| Entry |
manìna
(hanina)
|
| Part of speech | imperative of active verb manina
|
| | [1.1]
|
|
| Entry |
maninà
(ina)
|
| Part of speech | imperative of active verb manina
|
| | [1.1]
|
|
| Entry |
Manina
|
| Part of speech | name (short story title)
|
| Author | Tselatra (Rajonah), selatra+selatra |
| Vocabulary |
| Tables and plates | All the titles
|
| Text | - Veloma ihany, ry masoandro hilentika;
masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana:
lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery;
ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina.
Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.
- Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana:
saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra.
Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana
ny aty.
Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.
|
|