|
|
|
|

Entry hetra-
Part of speech morphological form of hetrana

Entry hetra
Part of speech noun
 (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
(ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [1.1]
 Taxes [1.7]
 Impôt, taxe [1.8, 1.5]
 Redevance [1.5]
Vocabulary 
Examples 
1Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27]
2Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508]
Morphology 
Simple : hetra, he-, hetran-, hetran'
Prefixed : -ketra, -ke-, -ketran-, -ketran'
Article 

Entry hetra
Part of speech noun
 Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [1.1]
 Ceinture [1.5]
Synonyms fehikibo ~ fehinkibo

Entry hetra
Part of speech adverb [Full list]
  [Tankarana] Depuis que. § hàtra. [1.19]
Synonyms faitra

Updated on 2025/01/31