|
|
|
|

Chapters and verses mentioning Kanana

  Genesis Fiandohana na Genesisy Fiandohana na Jenezy La Genèse
...............
Gen / Jen 9.18 And the sons of Noah, that went forth of the ark, were Shem, and Ham, and Japheth: and Ham is the father of Canaan. Ary ny zanakalahin' i Noa izay izay nivoaka avy tamin' ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain' i Kanana. Ny zanak' i Noe nivoaka tao an-tsambo fiara dia Sema sy Kama ary Jafeta; ary Kama no rain' i Kanaana. Les fils de Noé qui sortirent de l' arche étaient Sem, Cham et Japhet; Cham est le père de Canaan.
...............
Gen / Jen 9.22 And Ham, the father of Canaan, saw the nakedness of his father, and told his two brethren without. Ary hitan' i Hama, rain' i Kanana ny fitanjahan' ny rainy, dia nambarany tamin' ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. Nahita ny fitanjahan-drainy Kama, rain' i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin' izy roa lahy rahalahiny. Cham, père de Canaan, vit la nudité de son père et avertit ses deux frères au-dehors.
...............
Gen / Jen 9.25 And he said, Cursed be Canaan; a servant of servants shall he be unto his brethren. Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon' ny rahalahiny izy. ka hoy izy: Ho voaozona anie Kanaana, Ho andevon' ny andevo izy, amin' ny rahalahiny. Et il dit : Maudit soit Canaan ! Qu' il soit pour ses frères le dernier des esclaves !
Gen / Jen 9.26 And he said, Blessed be the Lord God of Shem; and Canaan shall be his servant. Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr' i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. Hoy indray izy: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr' i Sema, Ary aoka ho andevony Kanaana. Il dit aussi : Béni soit Yahvé, le Dieu de Sem, et que Canaan soit son esclave !
Gen / Jen 9.27 God shall enlarge Japheth, and he shall dwell in the tents of Shem; and Canaan shall be his servant. Hataon' Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain' i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony. Hataon' Andriamanitra malalaka anie Jafeta. Aoka izy honina ao an-dain' i Sema. Ary aoka ho andevony Kanaana. Que Dieu mette Japhet au large, qu' il habite dans les tentes de Sem, et que Canaan soit son esclave !
...............
Gen / Jen 10.6 And the sons of Ham; Cush, and Mizraim, and Phut, and Canaan. Ary ny zanakalahin' i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. Zanak' i Kama: Kosy, Mesraima, Fota, ary Kanaana. Fils de Cham : Kush, Miçrayim, Put, Canaan.
...............
Gen / Jen 10.15 And Canaan begat Sidon his first born, and Heth, Ary Kanana niteraka an' i Sidona lahimatoany sy Heta, Kanaana niteraka an' i Sidòna lahimatoany, sy Heta; Canaan engendra Sidon, son premier-né, puis Hèt,
...............
Gen / Jen 11.31 And Terah took Abram his son, and Lot the son of Haran his son' s son, and Sarai his daughter in law, his son Abram' s wife; and they went forth with them from Ur of the Chaldees, to go into the land of Canaan; and they came unto Haran, and dwelt there. Ary Tera nitondra an' i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak' i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin' i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran' ny Kaldeana hankany amin' ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. Ary nentin' i Tare Abrama zanany mbamin' i Lota zafiny, zanak' i Aràna, ary Saray, vinantovaviny, vadin' i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin' ny Kaldeana, mba ho any amin' ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao. Térah prit son fils Abram, son petit-fils Lot, fils de Harân, et sa bru Saraï, femme d' Abram. Il les fit sortir d' Ur des Chaldéens pour aller au pays de Canaan, mais, arrivés à Harân, ils s' y établirent.
...............
Gen / Jen 12.5 And Abram took Sarai his wife, and Lot his brother' s son, and all their substance that they had gathered, and the souls that they had gotten in Haran; and they went forth to go into the land of Canaan; and into the land of Canaan they came. Ary Abrama nitondra an' i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin' ny fananan' izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin' ny tany Kanana, ka tonga tany amin' ny tany Kanana izy. Nentiny Saray vadiny, sy Lota zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin' ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin' ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin' ny tany Kanaana izy. Abram prit sa femme Saraï, son neveu Lot, tout l' avoir qu' ils avaient amassé et le personnel qu' ils avaient acquis à Harân; ils se mirent en route pour le pays de Canaan et ils y arrivèrent.
Gen / Jen 12.6 And Abram passed through the land unto the place of Sichem, unto the plain of Moreh. And the Canaanite was then in the land. Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan' i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. Dia namaky ny tany Abrama, hatrany amin' ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin' ny terebintan' i More. Abram traversa le pays jusqu' au lieu saint de Sichem, au Chêne de Moré. Les Cananéens étaient alors dans le pays.
...............
Gen / Jen 13.7 And there was a strife between the herdmen of Abram' s cattle and the herdmen of Lot' s cattle: and the Canaanite and the Perizzite dwelled then in the land. Dia niady ny mpiandry ombin' i Abrama sy ny mpiandry ombin' i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay. Nifanditra ny mpiandry ondrin' i Abrama sy ny mpiandry ondrin' i Lota. Ny Kananeana sy ny Ferezeana no nitoetra tamin' ny tany tamin' izay. Il y eut une dispute entre les pâtres des troupeaux d' Abram et ceux des troupeaux de Lot les Cananéens et les Perizzites habitaient alors le pays .
...............
Gen / Jen 13.12 Abram dwelled in the land of Canaan, and Lot dwelled in the cities of the plain, and pitched his tent toward Sodom. Ary Abrama nonina tao amin' ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin' ny tany amoron' i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. Abrama nonina tamin' i Kanaana, ary Lota kosa nonina tao afovoan' ireo tanàna eo amin' ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sodoma. Abram s'établit au pays de Canaan et Lot s'établit dans les villes de la Plaine; il dressa ses tentes jusqu'à Sodome.
...............
Gen / Jen 16.3 And Sarai Abram' s wife took Hagar her maid the Egyptian, after Abram had dwelt ten years in the land of Canaan, and gave her to her husband Abram to be his wife. Ary rehefa nonina folo taona teo amin' ny tany Kanana Abrama, dia nalain' i Saray, vadin' i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an' i Abrama vadiny mba hovadiny. Efa nonina folo taona tany amin' ny tany Kanaana Abrama tamin' ny nakan' i Saray, vadin' i Abrama, an' i Agara ilay Ejipsiana mpanompovaviny, ka nanomezany azy an' i Abrama vadiny. Ainsi, au bout de dix ans qu' Abram résidait au pays de Canaan, sa femme Saraï prit Agar l'Égyptienne, sa servante, et la donna pour femme à son mari, Abram.
...............
Gen / Jen 17.8 And I will give unto thee, and to thy seed after thee, the land wherein thou art a stranger, all the land of Canaan, for an everlasting possession; and I will be their God. Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho. Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary izaho no ho Andriamanitr' izy ireo. A toi et à ta race après toi, je donnerai le pays où tu séjournes, tout le pays de Canaan, en possession à perpétuité, et je serai votre Dieu.
...............
Gen / Jen 23.2 And Sarah died in Kirjatharba; the same is Hebron in the land of Canaan: and Abraham came to mourn for Sarah, and to weep for her. Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin' ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an' i Saraha sy hitomany azy. Ary Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana; ka tonga Abrahama hisaona an' i Sarà sy hitomany azy. et elle mourut à Qiryat-Arba - c' est Hébron - au pays de Canaan. Abraham entra faire le deuil de Sara et la pleurer.
...............
Gen / Jen 23.19 And after this, Abraham buried Sarah his wife in the cave of the field of Machpelah before Mamre: the same is Hebron in the land of Canaan. Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an' i Saraha vadiny tao amin' ny zohy tao amin' ny saha Makpela tandrifin' i Mamre (Hebrona izany), ao amin' ny tany Kanana; Izay Abrahama vao nandevina an' i Sarà vadiny, tao an-johin' i Makpelà, tandrifin' i Mambre dia Hebrona izany, any amin' ny tany Kanaana. Puis Abraham enterra Sara, sa femme, dans la grotte du champ de Makpéla, vis-à-vis de Mambré c' est Hébron, au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 31.18 And he carried away all his cattle, and all his goods which he had gotten, the cattle of his getting, which he had gotten in Padanaram, for to go to Isaac his father in the land of Canaan. dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman' osiny rehetra izy, mbamin' ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman' ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin' Isaka rainy any amin' ny tany Kanana. Nentiny avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin' ny harena azony rehetra, dia ny biby fiompy nananany, izay azony tany Kanaana. et poussa devant lui tout son bétail, - avec tous les biens qu' il avait acquis, le bétail qui lui appartenait et qu' il avait acquis en Paddân-Aram, - pour aller chez son père Isaac, au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 33.18 And Jacob came to Shalem, a city of Shechem, which is in the land of Canaan, when he came from Padanaram; and pitched his tent before the city. Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin' ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin' ny tanàna. Dia tafaverina avy any Padan-Arama Jakoba ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin' ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan' ny tanàna. Puis Jacob arriva sain et sauf à la ville de Sichem, au pays de Canaan, lorsqu' il revint de Paddân-Aram, et il campa en face de la ville.
...............
Gen / Jen 35.6 So Jacob came to Luz, which is in the land of Canaan, that is, Bethel, he and all the people that were with him. Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin' ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. Ary Jakoba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin' ny tany Kanaana, dia Betela izany. Jacob arriva à Luz, au pays de Canaan, - c' est Béthel, - lui et tous les gens qu' il avait.
...............
Gen / Jen 36.5 And Aholibamah bare Jeush, and Jaalam, and Korah: these are the sons of Esau, which were born unto him in the land of Canaan. ary Oholibama niteraka an' i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak' i Esao, izay naterany tany amin' ny tany Kanana. ary ny naterak' i Oolibamà dia Jehosy sy Ihelona ary Kore. Ireo no zanakalahin' i Esao naterany tany amin' ny tany Kanaana. Oholibama enfanta Yéush, Yalam et Qorah. Tels sont les fils d'Ésaü qui lui naquirent au pays de Canaan.
Gen / Jen 36.6 And Esau took his wives, and his sons, and his daughters, and all the persons of his house, and his cattle, and all his beasts, and all his substance, which he had got in the land of Canaan; and went into the country from the face of his brother Jacob. Dia nentin' i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman' ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin' ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin' ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin' izay tany hialana eo anatrehan' i Jakoba rahalahiny. Ary nentin' i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy; ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin' ny fananany rehetra nohariny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin' ny tany anankiray lavitra an' i Jakoba rahalahiny. Ésaü prit ses femmes, ses fils et ses filles, toutes les personnes de sa maison, son bétail et toutes ses bêtes de somme, bref tout le bien qu' il avait acquis au pays de Canaan, et il partit pour le pays de Séïr, loin de son frère Jacob.
Gen / Jen 37.1 And Jacob dwelt in the land wherein his father was a stranger, in the land of Canaan. Ary Jakoba nonina tany amin' ny tany fivahinian' ny rainy, dia tany amin' ny tany Kanana. Ary Jakoba niorim-ponenana teo amin' ny tany nitoeran-drainy any amin' ny tany Kanaana. Mais Jacob demeura dans le pays où son père avait séjourné, dans le pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 42.5 And the sons of Israel came to buy corn among those that came: for the famine was in the land of Canaan. Dia tonga ny zanak' Isiraely mba hividy vary niaraka tamin' izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. Koa tonga hividy vary ireo zanak' Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana. Les fils d' Israël allèrent donc pour acheter du grain, mêlés aux autres arrivants, car la famine sévissait au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 42.7 And Joseph saw his brethren, and he knew them, but made himself strange unto them, and spake roughly unto them; and he said unto them, Whence come ye? And they said, From the land of Canaan to buy food. Ary hitan' i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin' ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. Vao nahita ireo rahalahiny Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy ny navalin' ireo: Avy amin' ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina. Dès que Joseph vit ses frères il les reconnut, mais il feignit de leur être étranger et leur parla durement. Il leur demanda : D' où venez-vous ? et ils répondirent : Du pays de Canaan pour acheter des vivres.
...............
Gen / Jen 42.13 And they said, Thy servants are twelve brethren, the sons of one man in the land of Canaan; and, behold, the youngest is this day with our father, and one is not. Fa hoy izy; Roa ambin' ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin' ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin' ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony. Ary hoy ny navaliny: Roa ambin' ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin' ny Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony. Ils répondirent : Tes serviteurs étaient douze frères, nous sommes fils d' un même homme, au pays de Canaan : le plus jeune est maintenant avec notre père et il y en a un qui n' est plus.
...............
Gen / Jen 42.29 And they came unto Jacob their father unto the land of Canaan, and told him all that befell unto them; saying, Ary tonga tany amin' i Jakoba rainy, tany amin' ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy : Niverina tany amin' i Jakoba rainy, tany amin' ny tany Kanaana, izy ireo, dia notantarainy taminy avokoa ny nahazo azy, ka hoy izy: Revenus chez leur père Jacob, au pays de Canaan, ils lui racontèrent tout ce qui leur était arrivé.
...............
Gen / Jen 42.32 We be twelve brethren, sons of our father; one is not, and the youngest is this day with our father in the land of Canaan. roa ambin' ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin' ny rainay any amin' ny tany Kanana ankehitriny. Roa ambin' ny folo mirahalahy izahay no iray ray; ny iray tsy velona intsony, ary ny faralahy any amin-drainy any amin' ny tany Kanaana izao. nous étions douze frères, les fils d' un même père, l' un de nous n' est plus et le plus jeune est maintenant avec notre père au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 44.8 Behold, the money, which we found in our sacks' mouths, we brought again unto thee out of the land of Canaan: how then should we steal out of thy lord' s house silver or gold? Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan' ny lasakanay aza naverinay indray tatý aminao avy tany amin' ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin' ny tranon' ny tomponao? Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasakanay dia nentinay taminao avy amin' ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon' ny tomponao? Vois donc : l' argent que nous avions trouvé à l' entrée de nos sacs à blé, nous te l' avons rapporté du pays de Canaan, comment aurions-nous volé, de la maison de ton maître, argent ou or ?
...............
Gen / Jen 45.17 And Pharaoh said unto Joseph, Say unto thy brethren, This do ye; lade your beasts, and go, get you unto the land of Canaan; Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Lazao amin' ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin' ny bibinareo, ka mankanesa any amin' ny tany Kanana; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Lazao amin' ny rahalahinao hoe: Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana ho entin' ny bibinareo, ka mankanesa any amin' ny tany Kanaana. Pharaon parla ainsi à Joseph : Dis à tes frères : Faites ceci : chargez vos bêtes et allez-vous-en au pays de Canaan.
...............
Gen / Jen 45.25 And they went up out of Egypt, and came into the land of Canaan unto Jacob their father, Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin' i Jakoba rainy tany amin' ny tany Kanana. Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin' i Jakoba rainy, any amin' ny tany Kanaana. Ils remontèrent donc d'Égypte et arrivèrent au pays de Canaan, chez leur père Jacob.
...............
Gen / Jen 46.6 And they took their cattle, and their goods, which they had gotten in the land of Canaan, and came into Egypt, Jacob, and all his seed with him: Ary nentin' izy ireo ny omby aman' ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin' ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy: Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany nohariny tany amin' ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta Jakoba mbamin' ny fianakaviany rehetra. Ils emmenèrent leurs troupeaux et tout ce qu' ils avaient acquis au pays de Canaan et ils vinrent en Égypte, Jacob et tous ses descendants avec lui :
...............
Gen / Jen 46.12 And the sons of Judah; Er, and Onan, and Shelah, and Pharez, and Zarah: but Er and Onan died in the land of Canaan. And the sons of Pharez were Hezron and Hamul. Ary ny zanakalahin' i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin' ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin' i Fareza dia Hezrona sy Hamola. Zanak' i Jodà: Hera, Onàna, Selà, Faresa ary Zarà; fa Hera sy Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak' i Faresa dia Hesrona sy Hamola. Les fils de Juda : Er, Onân, Shéla, Péreç et Zérah mais Er et Onân étaient morts au pays de Canaan, et les fils de Péreç, Heçrôn et Hamul.
...............
Gen / Jen 46.31 And Joseph said unto his brethren, and unto his father' s house, I will go up, and shew Pharaoh, and say unto him, My brethren, and my father' s house, which were in the land of Canaan, are come unto me; Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny sy ny ankohonan' ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin' i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan' ny raiko, izay tany amin' ny tany Kanana, dia efa tonga atý amiko. Ary hoy Josefa tamin' ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: Handeha hampandre an' i Faraona aho, ary izao no holazaiko aminy: Tonga aty amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan' ikaky, izay tany amin' ny tany Kanaana. Alors Joseph dit à ses frères et à la famille de son père : Je vais monter avertir Pharaon et lui dire : Mes frères et la famille de mon père, qui étaient au pays de Canaan, sont arrivés auprès de moi.
Gen / Jen 47.1 Then Joseph came and told Pharaoh, and said, My father and my brethren, and their flocks, and their herds, and all that they have, are come out of the land of Canaan; and, behold, they are in the land of Goshen. Ary Josefa nankao amin' i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman' osiny sy ny ombiny mbamin' izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin' ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin' ny tany Gosena izy. Dia nankany amin' i Faraona Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: Tonga avy any amin' ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin' ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin' ny tany Gesena. Donc Joseph alla avertir Pharaon : Mon père et mes frères, dit-il, sont arrivés du pays de Canaan avec leur petit et leur gros bétail et tout ce qui leur appartient; les voici dans la terre de Goshèn.
...............
Gen / Jen 47.4 They said morever unto Pharaoh, For to sojourn in the land are we come; for thy servants have no pasture for their flocks; for the famine is sore in the land of Canaan: now therefore, we pray thee, let thy servants dwell in the land of Goshen. Ary hoy koa izy tamin' i Farao: Mba hivahiny eto amin' ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an' ny ondry aman' osin' ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin' ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin' ny tany Gosena ny mpanomponao. Dia hoy koa izy tamin' i Faraona: Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin' ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin' ny ondrin' ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin' ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin' ny tany Gesena ny mpanomponao. Ils dirent aussi à Pharaon : Nous sommes venus séjourner dans le pays, car il n' y a plus de pâture pour les troupeaux de tes serviteurs : la famine, en effet, accable le pays de Canaan. Permets maintenant que tes serviteurs demeurent dans la terre de Goshèn
...............
Gen / Jen 47.13 And there was no bread in all the land; for the famine was very sore, so that the land of Egypt and all the land of Canaan fainted by reason of the famine. Ary tsy nisy hanina teo amin' ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. Dia tsy nisy hanina intsony tamin' ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon' ny mosary. Il n' y avait pas de pain sur toute la terre, car la famine était devenue très dure et le pays d'Égypte et le pays de Canaan languissaient de faim.
Gen / Jen 47.14 And Joseph gathered up all the money that was found in the land of Egypt, and in the land of Canaan, for the corn which they bought: and Joseph brought the money into Pharaoh' s house. Dia nangonin' i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia izay vidin' ny vary novidin' ny olona, ka nampidirin' i Josefa tao an-tranon' i Farao ny vola. Lasan' i Josefa tamin' ny vidim-bary novidin' ny olona avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon' i Faraona izany vola izany. Joseph ramassa tout l' argent qui se trouvait au pays d'Égypte et au pays de Canaan en échange du grain qu' on achetait et il livra cet argent au palais de Pharaon.
Gen / Jen 47.15 And when money failed in the land of Egypt, and in the land of Canaan, all the Egyptians came unto Joseph, and said, Give us bread: for why should we die in thy presence? for the money faileth. Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia nankeo amin' i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. Nony lany avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, dia nankany amin' i Josefa ny Ejipsiana rehetra nanao hoe: Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay! Lorsque fut épuisé l' argent du pays d'Égypte et du pays de Canaan, tous les Égyptiens vinrent à Joseph en disant : Donne-nous du pain ! Pourquoi devrions-nous mourir sous tes yeux ? car il n' y a plus d' argent.
...............
Gen / Jen 48.3 And Jacob said unto Joseph, God Almighty appeared unto me at Luz in the land of Canaan, and blessed me, Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin' ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe: Ary hoy Jakoba tamin' i Josefa: Puis Jacob dit à Joseph : El Shaddaï m' est apparu à Luz, au pays de Canaan, il m' a béni
...............
Gen / Jen 48.7 And as for me, when I came from Padan, Rachel died by me in the land of Canaan in the way, when yet there was but a little way to come unto Ephrath: and I buried her there in the way of Ephrath; the same is Bethlehem. Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin' ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron' ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). Ary izaho fony niverina avy any Padana dia maty teo anatrehako teny an-dàlana Rasela tany amin' ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an' i Efratà, ka dia naleviko teo, amin' ny làlana mankany Efratà, dia Betleema izany. Lorsque je revenais de Paddân, ta mère Rachel est morte, pour mon malheur, au pays de Canaan, en route, encore un bout de chemin avant d' arriver à Éphrata, et je l' ai enterrée là, sur le chemin d'Éphrata - c' est Bethléem.
...............
Gen / Jen 49.30 In the cave that is in the field of Machpelah, which is before Mamre, in the land of Canaan, which Abraham bought with the field of Ephron the Hittite for a possession of a buryingplace. ao anatin' ny zohy izay any amin' ny saha Makpela, izay tandrifin' i Mamre, any amin' ny tany Kanana, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. anatin' ny zohy amin' ny saha Makpelà, tandrifin' i Mambre, any amin' ny tany Kanaana: dia izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha, tamin' i Efrona, Heteana, hananany fasana ho azy. dans la grotte du champ de Makpéla, en face de Mambré, au pays de Canaan, qu' Abraham a achetée à Éphrôn le Hittite comme possession funéraire.
...............
Gen / Jen 50.5 My father made me swear, saying, Lo, I die: in my grave which I have digged for me in the land of Canaan, there shalt thou bury me. Now therefore let me go up, I pray thee, and bury my father, and I will come again. Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin' ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin' ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atý indray. Nasain' ikaky nianiana aho, nataony hoe: Indro ho faty aho, ka any amin' ny fasana nohadiko ho ahy any amin' ny tany Kanaana no handevenanao ahy. Ka mba te-hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray. mon père m' a fait prêter ce serment : Je vais mourir, m' a-t-il dit, j' ai un tombeau que je me suis creusé au pays de Canaan, c' est là que tu m' enterreras. Qu' on me laisse donc monter pour enterrer mon père, et je reviendrai.
...............
Gen / Jen 50.13 For his sons carried him into the land of Canaan, and buried him in the cave of the field of Machpelah, which Abraham bought with the field for a possession of a buryingplace of Ephron the Hittite, before Mamre. dia nitondra azy tany amin' ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin' ny zohy amin' ny saha Makpela, tandrifin' i Mamre, dia ilay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona Hetita ho tany fandevenana. Nitondra azy ho any amin' ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin' ny zohy, amin' ny sahan' i Makpela, izay novidin' i Abrahama mbamin' ny saha tamin' i Efrona, Heteana, mba hananany fasana ho azy, tandrifin' i Mambre. et ils le transportèrent au pays de Canaan et l' ensevelirent dans la grotte du champ de Makpéla, qu' Abraham avait acquise d'Éphrôn le Hittite comme possession funéraire, en face de Mambré.

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 6.4 And I have also established my covenant with them, to give them the land of Canaan, the land of their pilgrimage, wherein they were strangers. Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. Efa nanao fanekem-pihavanana taminy koa aho mba hanomezako azy ireo ny tany Kanaana, izay tany nivahiniany sy nitoerany ho mpivahiny. J' ai aussi établi mon alliance avec eux pour leur donner le pays de Canaan, la terre où ils résidaient en étrangers.
...............
Eks 15.15 Then the dukes of Edom shall be amazed; the mighty men of Moab, trembling shall take hold upon them; all the inhabitants of Canaan shall melt away. Toran-kovitra ny loham-pirenen' i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin' i Moaba; reraka ny fon' izay rehetra monina any Kanana. Nivadi-po ambony ihany ireo andrian' i Edoma; Tera-kovitra ny maherin' i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana; Alors sont bouleversés les chefs d'Édom, les princes de Moab, la terreur s' en empare, ils titubent, tous ceux qui habitent Canaan.
...............
Eks 16.35 And the children of Israel did eat manna forty years, until they came to a land inhabited; they did eat manna, until they came unto the borders of the land of Canaan. Ary ny Zanak' Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin' izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin' ny sisin' ny tany Kanana. Efa-polo taona no nihinanan' ny zanak' Israely ny mana, dia mandra-pahatongany amin' ny tany misy mponina: nihinana mana ihany izy ireo, mandra-pahatongany tamin' ny sisin-tanin' i Kanaana. Les Israélites mangèrent de la manne pendant quarante ans, jusqu'à ce qu' ils arrivent en pays habité ; ils mangèrent la manne jusqu'à ce qu' ils arrivent aux confins du pays de Canaan.

  Leviticus Fisoronana na Levitikosy Fisoronana na Levitika Le Lévitique
...............
Lev 14.34 When ye be come into the land of Canaan, which I give to you for a possession, and I put the plague of leprosy in a house of the land of your possession; Rehefa tonga any amin' ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin' ny tany fanananareo, Rahefa tafiditra any amin' ny tany Kanaana izay omeko anareo ho fanananareo, raha hasiako fery habokàna ny trano anankiray amin' ny tany hanananareo, Lorsque vous serez arrivés au pays de Canaan que je vous donne pour domaine, si je frappe de la lèpre une maison du pays que vous posséderez,
...............
Lev 18.3 After the doings of the land of Egypt, wherein ye dwelt, shall ye not do: and after the doings of the land of Canaan, whither I bring you, shall ye not do: neither shall ye walk in their ordinances. Aza manao araka ny fanaon' ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon' ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany. Aza manao toy ny ataon' ny any amin' ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon' ny any amin' ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn' ireny hianareo. Vous n' agirez point comme on fait au pays d'Égypte où vous avez habité ; vous n' agirez point comme on fait au pays de Canaan où moi je vous mène. Vous ne suivrez point leurs lois,
...............
Lev 25.38 I am the Lord your God, which brought you forth out of the land of Egypt, to give you the land of Canaan, and to be your God. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anareo tany amin' ny tany Ejipta, hanomezako anareo ny tany Kanaana, mba ho Andriamanitrareo. je suis Yahvé votre Dieu qui vous ai fait sortir du pays d'Égypte pour vous donner le pays de Canaan, pour être votre Dieu.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
...............
Nom / Fan 13.2 Send thou men, that they may search the land of Canaan, which I give unto the children of Israel: of every tribe of their fathers shall ye send a man, every one a ruler among them. Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an' ny Zanak' Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan' ny fireneny avy. Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak' Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin' izy ireo avy. " Envoie des hommes, un par tribu, pour reconnaître le pays de Canaan, que je donne aux Israélites. Vous enverrez tous leurs princes. "
...............
Nom / Fan 13.17 And Moses sent them to spy out the land of Canaan, and said unto them, Get you up this way southward, and go up into the mountain: Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atý amin' ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin' ny tany havoana; Nirahin' i Moizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: Miakara hianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin' ny tendrombohitra. Moïse les envoya reconnaître le pays de Canaan : " Montez au Négeb, montez ensuite dans la montagne.
...............
Nom / Fan 26.19 The sons of Judah were Er and Onan: and Er and Onan died in the land of Canaan. Ny zanak' i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin' ny tany Kanana ihany. Zanak' i Jodà: Era sy Onàna, fa maty tany Kanaana Era sy Onàna. Les fils de Juda : Er et Onân. Er et Onân moururent au pays de Canaan.
...............
Nom / Fan 32.30 But if they will not pass over with you armed, they shall have possessions among you in the land of Canaan. fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin' ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany. Fa raha tsy mandeha mitam-piadiana miaraka aminareo kosa izy, dia hitoetra eo afovoanareo any amin' ny tany Kanaana ihany. Mais s' ils ne passent pas en armes avec vous, c' est au pays de Canaan qu' ils recevront au milieu de vous leur propriété. "
...............
Nom / Fan 32.32 We will pass over armed before the Lord into the land of Canaan, that the possession of our inheritance on this side Jordan may be ours. Izabay handeha hita eo anatrehan' i Jehovah ho any amin' ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etý an-dafin' i Jordana etý ihany no hahazoanay zara-tany. Handeha mitam-piadiana izahay ho any amin' ny tany Kanaana eo anatrehan' ny Tompo, ary ho raikitra aty andafin' i Jordany ny anjara fananana ho lovanay. Nous, nous passerons en armes devant Yahvé en terre de Canaan ; toi, mets-nous en possession de notre héritage au-delà du Jourdain. "
...............
Nom / Fan 33.40 And king Arad the Canaanite, which dwelt in the south in the land of Canaan, heard of the coming of the children of Israel. Ary ren' ilay Kananita, mpanjakan' i Arada, izay nonina teo amin' ny tany atsimo amin' ny tany Kanana, fa avy ny Zanak' Isiraely. Ary ren' ilay Kananeana mpanjakan' i Arada izay nonina tao Negeba amin' ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak' Israely. Le roi d' Arad, un Cananéen qui habitait le Négeb au pays de Canaan, fut informé lors de l' arrivée des Israélites.
...............
Nom / Fan 33.51 Speak unto the children of Israel, and say unto them, When ye are passed over Jordan into the land of Canaan; Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Rehefa tafita an' i Jordana ka tonga any amin' ny tany Kanana ianareo, Mitenena amin' ny zanak' Israely hoe: Rahefa tafita an' i Jordany hianareo, ka efa any amin' ny tany Kanaana, " Parle aux Israélites ; tu leur diras :Quand vous aurez passé le Jourdain vers le pays de Canaan,
...............
Nom / Fan 34.2 Command the children of Israel, and say unto them, When ye come into the land of Canaan; (this is the land that shall fall unto you for an inheritance, even the land of Canaan with the coasts thereof:) Mandidia ny Zanak' Isiraely hoe: Raha tonga any amin' ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny. Mandidia ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafiditra any amin' ny tany Kanaana hianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy. " Ordonne ceci aux Israélites, tu leur diras : Quand vous entrerez dans le pays de Canaan , voici le pays qui deviendra votre héritage. C' est le pays de Canaan selon ses frontières.
...............
Nom / Fan 34.29 These are they whom the Lord commanded to divide the inheritance unto the children of Israel in the land of Canaan. Ireo no nodidian' i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an' ny Zanak' Isiraely. Ireo no nodidian' ny Tompo hizara ny tany Kanaana amin' ny zanak' Israely. Tels sont ceux à qui Yahvé ordonna d' assigner aux Israélites leur part d' héritage en terre de Canaan.
...............
Nom / Fan 35.10 Speak unto the children of Israel, and say unto them, When ye be come over Jordan into the land of Canaan; Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Rehefa tafita an' i Jordana ianareo ka tonga any amin' ny tany Kanana, Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafita an' i Jordany ka efa any amin' ny tany Kanaana hianareo, " Parle ainsi aux Israélites. Quand vous aurez passé le Jourdain pour gagner la terre de Canaan,
...............
Nom / Fan 35.14 Ye shall give three cities on this side Jordan, and three cities shall ye give in the land of Canaan, which shall be cities of refuge. Ny tanàna telo dia homenareo etý an-dafin' i Jordana etý, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin' ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo. Ny tanàna telo homenareo ety an-dafin' i Jordany ary ny tanàna telo homenareo any amin' ny tany Kanaana. les trois que vous donnerez au-delà du Jourdain et les trois que vous donnerez dans le pays de Canaan seront des villes de refuge.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
...............
Deo / Dt 32.49 Get thee up into this mountain Abarim, unto mount Nebo, which is in the land of Moab, that is over against Jericho; and behold the land of Canaan, which I give unto the children of Israel for a possession: Miakara amin' ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin' ny tany Moaba tandrifin' i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak' Isiraely ho lovany. Miakara any amin' io tendrombohitr' i Abarima io, amin' ny tendrombohitra Nebao, amin' i Moaba, tandrifin' i Jerikao, ka tazano ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak' Israely ho fananany. " Monte sur cette montagne des Abarim, sur le mont Nebo, au pays de Moab, face à Jéricho, et regarde le pays de Canaan que je donne en propriété aux Israélites.

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
...............
Jos 5.12 And the manna ceased on the morrow after they had eaten of the old corn of the land; neither had the children of Israel manna any more; but they did eat of the fruit of the land of Canaan that year. Ary nitsahatra ny mana tamin' iny andro ampitso iny, dia tamin' ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an' ny Zanak' Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin' izany taona izany. Ary ny ampitson' ny Paka, rahefa nihinana tamin' ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak' Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin' izany taona izany. Il n' y eut plus de manne le lendemain, où ils mangeaient du produit du pays. Les Israélites n' ayant plus de manne se nourrirent dès cette année des produits de la terre de Canaan.
Jos 14.1 And these are the countries which the children of Israel inherited in the land of Canaan, which Eleazar the priest, and Joshua the son of Nun, and the heads of the fathers of the tribes of the children of Israel, distributed for inheritance to them. Ary izao no nolovan' ny Zanak' Isiraely teo amin' ny tany Kanana, izay nampandovain' i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak' i Nona, ary ny loholon' ny firenen' i Zanak' Isiraely; Izao no noraisin' ny zanak' Israely ho lova, tany amin' ny tany Kanaana, izay nozarain' i Eleazara mpisorona sy Josoe zanak' i Nòna, ary ny loham-pianakaviana amin' ny fokon' Israely. Voici ce que reçurent en héritage les Israélites au pays de Canaan, ce que leur donnèrent en héritage le prêtre Éléazar et Josué, fils de Nûn, avec les chefs de famille des tribus d' Israël.
...............
Jos 21.2 And they spake unto them at Shiloh in the land of Canaan, saying, The Lord commanded by the hand of Moses to give us cities to dwell in, with the suburbs thereof for our cattle. ka niteny taminy tao Silo tao amin' ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an' i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an' ny biby fiompinay. ka niteny tamin' izy ireo, tao Silao, amin' ny tany Kanaana, nanao hoe: Didy noomen' ny Tompo an' i Moizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an' ny bibinay. alors qu' on se trouvait à Silo, au pays de Canaan, et leur dirent : " Yahvé, par l' intermédiaire de Moïse, a ordonné qu' on nous donne des villes pour y demeurer, et leurs pâturages pour notre bétail. "
...............
Jos 21.32 And out of the tribe of Naphtali, Kedesh in Galilee with her suburbs, to be a city of refuge for the slayer; and Hammothdor with her suburbs, and Kartan with her suburbs; three cities. ary avy tamin' ny firenen' i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an' izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo. Avy ami' ny fokon' i Neftalì ilay tanàna fialofan' izay namono olona, Kadesy any Galilea sy ny manodidina azy, ary Hamota-Dora sy ny manodidina azy, Kartàna sy ny manodidina azy, tanàna telo. De la tribu de Nephtali, Qédesh en Galilée, ville de refuge pour le meurtrier, avec ses pâturages, Hammot-Dor et ses pâturages, et Qartân et ses pâturages : trois villes.
...............
Jos 22.9 And the children of Reuben and the children of Gad and the half tribe of Manasseh returned, and departed from the children of Israel out of Shiloh, which is in the land of Canaan, to go unto the country of Gilead, to the land of their possession, whereof they were possessed, according to the word of the Lord by the hand of Moses. Dia nody ny taranak' i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen' i Manase ka nandao ny Zanak' Isiraely tao Silo, izay ao amin' ny tany Kanana, hankany amin' ny tany Gileada ho any amin' ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin' i Jehovah nasainy nolazain' i Mosesy. Dia nandao ny zank' Israely tao Silao amin' ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon' i Gada, ary ny antsasaky ny fokon' i Manase dia nody nankany amin' ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. Les fils de Ruben et les fils de Gad s' en retournèrent avec la demi-tribu de Manassé et quittèrent les Israélites à Silo, dans le pays de Canaan, pour s' en aller au pays de Galaad où ils s'étaient fixés, suivant l' ordre de Yahvé transmis par Moïse.
Jos 22.10 And when they came unto the borders of Jordan, that are in the land of Canaan, the children of Reuben and the children of Gad and the half tribe of Manasseh built there an altar by Jordan, a great altar to see to. Ary raha tonga teo amoron' i Jordana eo amin' ny tany Kanana ny taranak' i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen' i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany. Nony tonga teo amin' ny faritanin' i Jordany, izay anisan' ny tany Kanaana, ny tarana-dRobena, sy ny taranak' i Gada, ary ny antsasaky ny fokon' i Manase, dia nanorina otely teo amoron' i Jordany, ary lehibe no fijery izany otely izany. Lorsqu' ils furent arrivés aux cercles de pierres du Jourdain, qui sont au pays de Canaan, les fils de Ruben, les fils de Gad et la demi-tribu de Manassé bâtirent là un autel sur le bord du Jourdain, un autel de grande apparence.
Jos 22.11 And the children of Israel heard say, Behold, the children of Reuben and the children of Gad and the half tribe of Manasseh have built an altar over against the land of Canaan, in the borders of Jordan, at the passage of the children of Israel. Ary ny Zanak' Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak' i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen' i Manase efa nanorina alitara an-tsisin' ny tany Kanana, eo amoron' i Jordana, anatin' ny tanin' ny Zanak' Isiraely. Ren' ny zanak' Israely, fa nisy nilaza hoe: Indreo fa nanorina otely eo amin' ny faritanin' i Jordany, eo anoloan' ny tany Kanaana, amin' ny lafin-tanin' ny zanak' Israely, ny tarana-dRobena, ny taranak' i Gada, ary ny antsasaky ny fokon' i Manase. Le fait parvint aux oreilles des Israélites. Voici, disait-on, que les fils de Ruben, les fils de Gad et la demi-tribu de Manassé ont construit cet autel, du côté du pays de Canaan, vers les cercles de pierres du Jourdain, sur la rive des Israélites.
...............
Jos 22.32 And Phinehas the son of Eleazar the priest, and the princes, returned from the children of Reuben, and from the children of Gad, out of the land of Gilead, unto the land of Canaan, to the children of Israel, and brought them word again. Ary Finehasa, zanak' i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak' i Robena sy Gada tany amin' ny tany Gileada ka nankany amin' ny tany Kanana ho any amin' ny Zanak' Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy. Dia nandao ny tarana-dRobena sy ny taranak' i Gada, Finea, zanak' i Eleazara mpisorona sy ny loholona, ka niverina, avy amin' ny tany Galaada, ho any amin' ny tany Kanaana, ao amin' ny zanak' Israely, ka nanao ny filazany tamin' izy ireo. Le prêtre Pinhas, fils d'Éléazar, et les notables, ayant quitté les fils de Ruben et les fils de Gad, revinrent du pays de Galaad dans le pays de Canaan, auprès des Israélites auxquels ils rapportèrent la réponse.
...............
Jos 24.3 And I took your father Abraham from the other side of the flood, and led him throughout all the land of Canaan, and multiplied his seed, and gave him Isaac. Dia naka an' i Abrahama razanareo avy tany an-dafin' ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an' Isaka ho zanany. Nalaiko tany an-dafin' ny ony Abrahama razanareo ary nentiko ho amin' ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an' Isaaka izy. Alors je pris votre père Abraham d' au-delà du Fleuve et je lui fis parcourir toute la terre de Canaan, je multipliai sa descendance et je lui donnai Isaac.

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
Mts / Mpits 3.1 Now these are the nations which the Lord left, to prove Israel by them, even as many of Israel as had not known all the wars of Canaan; Ary ny firenena navelan' i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana, Ireto no firenena navelan' ny Tompo handry fehizay hoetni-mizaha toetra an' Israely, dia izay rehetra tsy nahita ny ady rehetra tany Kanaana. Voici les nations que Yahvé a laissé subsister afin de mettre par elles à l'épreuve tous les Israélites qui n' avaient connu aucune des guerres de Canaan
...............
Mts / Mpits 4.2 And the Lord sold them into the hand of Jabin king of Canaan, that reigned in Hazor; the captain of whose host was Sisera, which dwelt in Harosheth of the Gentiles. Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan' i Jabina, mpanjakan' i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan' ny Jentilisa, no komandin' ny miaramilany. ka namidin' ny Tompo teo an-tànan' i Jabìna mpanjakan' i Kanaana, izay nanjaka tao Asora. Sisarà no lehiben' ny foloalindahy, ary tao Haroseta-Goïma izy no nitoetra. et Yahvé les livra à Yabîn, roi de Canaan, qui régnait à Haçor. Le chef de son armée était Sisera, qui habitait à Haroshèt-ha-Goyim.
...............
Mts / Mpits 4.23 So God subdued on that day Jabin the king of Canaan before the children of Israel. Dia naetrin' Andriamanitra teo anoloan' ny Zanak' Isiraely tamin' izany andro izany Jabina, mpanjakan' i Kanana. Tamin' izany andro izany no nanetren' Andriamanitra an' i Jabìna mpanjakan' i Kanaana, teo anoloan' ny zanak' Israely. Dieu humilia donc en ce jour Yabîn, roi de Canaan, devant les Israélites.
Mts / Mpits 4.24 And the hand of the children of Israel prospered, and prevailed against Jabin the king of Canaan, until they had destroyed Jabin king of Canaan. Ary ny tanan' ny Zanak' Isiraely nihahery tamin' i Jabina, mpanjakan' i Kanana, mandra-pandringany azy. Ary nihanahery nanampatra ny tànany tamin' i Jabìna, mpanjakan' i Kanaana, ny zanak' Israely, mandra-pandevony an' i Jabìna mpanjakan' ny Kanaana. La main des Israélites s' appesantit de plus en plus durement sur Yabîn, roi de Canaan, jusqu'à ce qu' ils aient supprimé Yabîn, roi de Canaan.
...............
Mts / Mpits 5.19 The kings came and fought, then fought the kings of Canaan in Taanach by the waters of Megiddo; they took no gain of money. Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan' i Kanana, dia teo anilan' ny ranon' i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo. Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo, nandrafitra ady tamin' izay ireo mpanjakan' i Kanaana, dia tao Tanaka teo amoron' ny ranon' i Magedao, fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza. Les rois sont venus, ils ont combattu, alors ils ont combattu, les rois de Canaan, à Tanak, aux eaux de Megiddo, mais ils n' ont pas ramassé d' argent en butin.
...............
Mts / Mpits 21.12 And they found among the inhabitants of Jabeshgilead four hundred young virgins, that had known no man by lying with any male: and they brought them unto the camp to Shiloh, which is in the land of Canaan. Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin' ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin' ny tany Kanana. Dia nahita zazavavy virjiny efa-jato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin' ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin' ny tany Kanaana. Parmi les habitants de Yabesh de Galaad ils trouvèrent quatre cents jeunes filles vierges, qui n' avaient pas partagé la couche d' un homme, et ils les emmenèrent au camp à Silo qui est au pays de Canaan .

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 1.8 The sons of Ham; Cush, and Mizraim, Put, and Canaan. Ny zanakalahin' i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. Zanak' i Kama: Kosa, Mesraima, Fota, Kanaana. Fils de Cham : Kush, Miçrayim, Put, Canaan.
...............
1Tt / 1Tan 1.13 And Canaan begat Zidon his firstborn, and Heth, Ary Kanana niteraka an' i Sidona, lahimatoany, sy Heta Kanaàna niteraka an' i Sidona, lahimatoany, sy Heta, Canaan engendra Sidon, son premier-né, puis Hèt,
...............
1Tt / 1Tan 16.18 Saying, Unto thee will I give the land of Canaan, the lot of your inheritance; Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin' ny famolaina; nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao. disant : " Je te donne une terre, Canaan, votre part d' héritage,

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 105.11 Saying, Unto thee will I give the land of Canaan, the lot of your inheritance: Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin' ny famolaina, nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao. disant : "Je te donne une terre, Canaan, votre part d' héritage."
...............
Sal 106.38 And shed innocent blood, even the blood of their sons and of their daughters, whom they sacrificed unto the idols of Canaan: and the land was polluted with blood. Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran' ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an' ny sampin' i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin' ny rà izy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran' ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin' ny sampin' i Kanaana, ka ny tany voaloton' ny vonoan' olona. Ils versaient le sang innocent, le sang de leurs fils et de leurs filles qu' ils sacrifiaient aux idoles de Canaan, et le pays fut profané de sang.
...............
Sal 135.11 Sihon king of the Amorites, and Og king of Bashan, and all the kingdoms of Canaan: Dia Sihona, mpanjakan' ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan' i Basana, Ary ny fanjakan' i Kanana rehetra; Sehona mpanjakan' ny Amoreana, Oga mpanjakan' i Basàna, mbamin' ny mpanjaka rehetra tany Kanaana, Sihôn, roi des Amorites, et Og, roi du Bashân, et tous les royaumes de Canaan;

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 19.18 In that day shall five cities in the land of Egypt speak the language of Canaan, and swear to the Lord of hosts; one shall be called, The city of destruction. Amin' izany andro izany dia hisy tanana dimy amin' ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin' i Kanana sy hianiana ho an' i Jehovah, Tompon' ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. Amin' izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin' ny tany Ejipta, izay hiteny amin' ny fiteny Kanaana sy hianiana hanompo an' ny Tompon' ny tafika; ny iray amin' ireo atao hoe Tanàna-Masoandro. Ce jour-là, il y aura cinq villes au pays d'Égypte qui parleront la langue de Canaan et prêteront serment à Yahvé Sabaot; l' une d' elles sera dite " ville du soleil ".
...............
Isa / Iz 23.11 He stretched out his hand over the sea, he shook the kingdoms: the Lord hath given a commandment against the merchant city, to destroy the strong holds thereof. Ny tànan' i Jehovah nahifiny tambonin' ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin' i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy. Iaveh efa naninjitra ny tànany amin' ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezany an' i Kanaana, dia ny handravana ny tanànany mimanda. Il a tendu la main contre la mer, il a fait trembler les royaumes; Yahvé a décrété pour Canaan de ruiner ses forteresses.

  Book of Ezekiel Ezekiela Ezekiela Livre d'Ezéchiel
...............
Eze / Ez 16.3 And say, Thus saith the Lord GOD unto Jerusalem; Thy birth and thy nativity is of the land of Canaan; thy father was an Amorite, and thy mother an Hittite. ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo amin' i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh amin' i Jerosalema: Ny tanin' ny Kananeana no nihavianao sy nahaterahanao; Amoreana ny rainao, ary Heteana ny reninao. Tu diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé à Jérusalem. Par ton origine et par ta naissance, tu es du pays de Canaan. Ton père était amorite et ta mère hittite.

  Book of Hosea Hosea Osea Livre d'Osée
...............
Hos / Os 12.8 And Ephraim said, Yet I am become rich, I have found me out substance: in all my labours they shall find none iniquity in me that were sin. Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany. Kanaana mitana mizàna mandainga; ny miharaka no tiany. Canaan a en main des balances trompeuses, il aime à exploiter.

  Book of Zephaniah Zefania Sofonia Livre de Sophonie
...............
Zef / Sof 2.5 Woe unto the inhabitants of the sea coast, the nation of the Cherethites! the word of the Lord is against you; O Canaan, the land of the Philistines, I will even destroy thee, that there shall be no inhabitant. Lozan' ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen' ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin' i Jehovah, Ry Kanana, tanin' ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao, Loza ho an' ny mponina any amin' ny faritanin' ny ranomasina, dia ny firenenan' ny Kretoa! Efa voatonona ny tenin' ny Tompo mamely anareo ry Kanaana, tanin' ny Filistina: Ary haringako hianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony. Malheur aux habitants de la ligue de la mer, à la nation des Kérétiens! Voici la parole de Yahvé contre vous : " Canaan, terre des Philistins, je vais te faire périr faute d' habitants! "

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 7.11 Now there came a dearth over all the land of Egypt and Chanaan, and great affliction: and our fathers found no sustenance. Ary nisy mosary eran' i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika. Tamin' izay dia nisy mosary eran' i Ejipta sy Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika. Survinrent alors dans toute l'Égypte et en Canaan famine et grande détresse ; nos pères ne trouvaient rien à manger.
...............
Asa 13.19 And when he had destroyed seven nations in the land of Chanaan, he divided their land to them by lot. Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin' ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin' ireny izy ary nony efa nandrava firenena fito tany amin' ny tany Kanaana izy dia nanome ny faritanin' ireny ho fananany, Ensuite, après avoir exterminé sept nations dans la terre de Canaan, il les mit en possession de leur pays :