Entry | 1 Ny Tendrombohitra roambinifolo |
Elementary words | 2 tendrombohitra, roambinifolo |
Part of speech | 3 locution |
Explanations in Malagasy |
4 [2.508#423] Ny Tendrombohitra Roambinifolo na Tendrombohitra Masina dia ireo toerana nisy razan' andriana na nametrahan' Andrianampoinimerina ny vadiny aman-janany hampandry tany, ary nanorenany rova sy lapa, misy kianja sy vatomasina fisaorana amin' my omby volavita isam-pandroana. Tsy roambinifolo ihany akory izy ireo fa mahatratra enina amby roapolo satria niampy arakaraka ny nandrosoan' ny famorian' Andrianampoinimerina an' Imerina enin-toko. Ireto ny anaran' ireo Tendrombohitra ireo: 1. Valo tao Avaradrano : Ambohimanga, Antananarivo, Ambohidrabiby, Ilafy, Namehana, Imerimandroso, Amboatany, Ikaloy. 2. Fito tany amin' ny Vakinisisaony : Ampandrana, Imerimanjaka, Alasora, Iharanandriana, Andramasina, Tsiafahy, Ambatomanga. 3. Telo tany amin' ny Marovatana : Ambohidratrimo, Ampananina, Ambohimirimo . 4. Dimy tao amin' Ambodirano : Androibe, Antsahadinta, Fenoarivo, Vatolaivy, Ambohibeloma. 5. Telo tao amin' ny Vakinankaratra : Iarivo, Imanandriana, Ambositra. Nisy koa Tendrombohitra Roambinifolo notondroin' Andriambahoaka II tany Imamo . Ireto ireo Tendrombohitra ireo : Ambohiniazy, Ambohitrambo, Ambohitrondrana, Arivonimamo, Ambatomanjaka, Ambohitrantenaina, Ambohibolondrano, Ambohipolo, Ambohibeloma, Ambohitsara, Ambohijato, Ambohitrona. |
Explanations in English |
5 [2.505] Three criteria define a holy hill in Imerina: 1.1 a burial place for princes and kings 1.2 a place to pay tribute to princes and kings 1.3 a residence of one of Andrianampoinimerina's official wives Four criteria identify the personnality of the holy hills: 2.1 hills of a relatively important altitude above the surrounding rice fields 2.2 hills having or having had a fort (rova) 2.3 hills having one or more tombs of princes or kings, and other relics still attracting pilgrims 2.4 hills having royal or princely housing, or a public meeting plazza (kianja) |
Explanations in French |
6 [2.505] Trois critères définissent une colline sacrée en Imerina: 1.1 colline où l'on enterrait les princes et les souverains 1.2 colline où l'on rendait hommage aux princes et souverains 1.3 colline où Andrianampoinimerina a installé une des ses épouses officielles. Quatre critères identifient la personnalité des collines: 2.1 collines d'altitude plus ou moins importante par rapport aux bas-fonds rizicoles environnants 2.2 collines abritant ou ayant abrité un rova 2.3 collines accueillant un ou des tombeaux princiers ou royaux et objets de pélerinages contemporains 2.4 collines ayant fait l'objet de divers aménagement allant de l'habitat princier ou royal au kianja, place publique de réunion. |
Updated on 2024/12/26 |