Entry (1/2) | 1 maka vavan' olona |
Elementary words | 2 maka, vava, olona |
Part of speech | 3 locution |
Explanations in Malagasy |
4 [1.1] mino avy hatrany izay lazain' ny olona fa tsy mamototra akory ny amin' ny fahamarinany; mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry handre sy hahitamaso mivantana) |
Titles | 5 Maka vavan' olona () |
Entry (2/2) | 6 Maka vavan' olona |
Elementary words | 7 maka vavan' olona |
Part of speech | 8 name (short story title) |
Vocabulary |
9 Literature: short story |
Author |
10 Tselatra |
Text |
11 - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina. Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l. Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany; miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita. Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina; vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.
12 - Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany; renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy. Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany. Ka mbà mihevitra, mbà mitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana. |
Anagrams | 13 maka vavan' olona, Maka vavan' olona |
Updated on 2023/10/28 |