Entry | 1 zavaboary |
Elementary words | 2 zavatra, voary |
Part of speech | 3 noun |
Explanations in Malagasy |
4 ny zavatra rehetra noarina, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy: Ny anjely sy ny olombelona no ambony indrindra amin' ny zavaboary rehetra 5 ny fitambaran' ny zavatra hitan' ny maso manonidina ny tena, toy ny habakabaka, ny rano, ny hazo: Lasam-binany izy nandinika ny zavaboary tamin' io maraina io [1.1] 6 fitambaran' ny manana aina, manan-kery, mihetsika na tsia ary mitoetra ato amin' izao tontolo izao sy eny amin' ny habakahaka [1.62#1140] |
Explanations in French |
7 nature [1.13.fr#233] 8 nature [1.5#346] |
Examples |
9 Satria tazako mantsy fa mbola misy ireo zava-boary maro be ireo [2.445#72] 10 Izy no tompon'ny zavaboary ka manamboatra azy araka izay tiany. [2.606] 11 voalohany, betsaka ny mety hahafaly, hoy izy, eo amin'ny zava-boary [2.314#67] 12 Akory izany fahaizany milazalaza ny toetran'ny zavaboary amin' izany fotoana izany! [2.314] |
Other spellings | 13 zavaboaary, zava, zava |
Anagrams | 14 voabarazy, zavaboary |
Updated on 2024/08/13 |