Entry | 1 fitampoha |
Root | 2 tampoka |
Part of speech | 3 noun |
Explanations in Malagasy |
4 [1.10] fampandroana an' i Dady. Dady dia isan' ny razamben' ny andriana sakalava, rahefa natokana ho zanahary hotompoina sy hiankohofana izy, sady efa vita moharay tamin' ny nifim-boay ny nifiny sy ny hohony, ets., ary tsy natao izany raha tsy efa amin' ny andron' ny zafikeliny izay manjaka. Izany no nanaovana azy hoe "Dady": Idadabe, satria raiben' ny zafiny manjaka amin' izay fotoana izay izy. Tsy maintsy nanokanana andro firavoravoana lehibe indray mandeha araka izay fe-taona na fe-potoana voatendry i Dady, hanompoana sy hanandratana azy ary hiankohofana aminy. Izany no atao hoe "fitampoha". Vahoaka tsieranaina no antsoina amin' izany rahefa hampandro an' i Dady. Milahatra manao tsy omby aloha amin' ny arabe dia miala satroka daholo rahefa mandalo izy. 5 [1.1] Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo taona. |
Explanations in French |
6 [1.5] cérémonie du bain des reliques royales des Sakalava du Menabe |
Examples |
7 Efa fanao hatry ny ela ny fitampoha. [2.508] 8 Ny hevitry ny teny hoe "fitampoha" dia fandroana. [2.606] |
Titles |
Anagrams | 10 fampihota, fitampoha |
Updated on 2025/01/21 |
![]() |